::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 19h28  :  23°C  :  Clair de lune et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Hanorana sa hanavandra ?

samedi 24 janvier 2009, par Naivo kely

Lasa lavitra ny hetsiky ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy fitakiana fe fitakiana tsotra intsony fa efa miroso any amin’ny fandrodanana ny fanjakana foibe mihitsy.

Tsapa io amin’ireo fivoriana ataon’izy ireo etsy sy eroa. Tsy misy mihitsy finiavana hiroso amin’ny fiaraha-midinika, fa izao fitakiam-bahoaka izao no hany heno amin’ny resaka avoakan’ny vavany. Ankilan’izay, dia tsy mbola hay izay ho valin-kafatra ho asetrin’ny fanjakana izao. Na ho ela anefa na ho haingana, dia ho ratsy ny fiafaran’izao tantara izao. Maro amintsika no mahafantatra ny tohiny, saingy minia tsy miloaka ny vava izay tohiny izay, sao ahitan-doza. Io hiarahana mahita io ny fifandonana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanàna. Tsy azo adino fa samy manana ny olona mpanara-dia azy avy ireo, ka ny ahiana, dia mety any amin’ireto vahoaka ireto no hifandramatra ny farany.

Heno mantsy fa misy fikambanana vonona hiaro ny safidiny tamin’ny fandaniana ny filoham-pirenena eto. “Nahazo ny isam-bato 53% ny filoha manerana an’i Madagasikara”, hoy izy ireo, ka tsy avela ho viravirain’ny olona te-handrombaka fahefana”. Hanorana sa hanavandra, hoy ny fomba fiteny ny tranga eto amin’ity tanàna ity ? Efa manomboka mifanondro molotra ihany koa ny eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny ady an-trano no tena atahorana vokatry ny tsy fitoaviam-pijery politika eto amin’ny tanàna.

Hitarika vahoaka etsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo indray ny ben’ny tanàna anio. Hisy ve ny sakana ataon’ny mpitandron’ny filaminana sa avelao ho eo fa rehefa reraka mangina eo ihany ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-01-24 05:59:50
décembre 2008   janvier 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 383  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360