::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h12  :  20°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Hetsika anio etsy Ambohijatovo

Sora-baventy hanala ny filoha maro no efa vonona

samedi 24 janvier 2009, par Naivo kely

"Mitondrà sora-baventy, sy rano ary lamba miloko volom-boasary”. Io no antso avo nataon’i ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny alakamisy lasa teo. Efa fantatra ny mety hitranga saingy tsy hihemotra amin’izany isika”.

Heno ary fa misy fikambanana iray, izay mikarakara manokana ny fanamboarana ny sorabaventy amin’ity anio ity. Fitakiana ny hialan’ny filoha Ravalomanana no betsaka amin’io sorabaventy io. Ny resaka fitakian’ny mpiasam-panjakana ihany koa, dia ho maro ao amin’ireto soratra ho lanjaina anio ireto. Ho zaraina amin’ireo karazan’olona maro samy hafa izy io, ary voalaza fa mahatratra dimy alina ariary( Ar 50 000) ny vidin’ny iray tamin’ny nanamboarana izany.

Ho tapaka ny làlana

Nampitomboina ihany koa ny olon-tsotra hitandro ny filaminana, sao misy ny herisetra mety hitranga. Misy rano ho entina amin’ny tavoahangy maro ihany koa anio, satria hiarovana amin’ny mety hisian’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Ny lamba miloko vonim-boasary ihany koa dia ho zaraina amin’izay olona ho avy etsy Ambohijatovo.

Voalaza fa anio amin’ny sivy ora maraina, dia hisy hafatra ampitain’ingahy ben’ny tanàna amin’ny vahoaka ho avy eny Ambohijatovo. Ankoatry io, dia ho tapaka ihany koa ny làlana eny an-toerana, ary mbola ny vaovao heno ihany, dia mety hisy ny filaharana hidina an-dalambe, raha toa hono ka mitaky io ny vahoaka anio ? Ho hita eo ny tohiny, fa mailo ny ankamaroan’ny mpivarotra manodidina toy ny etsy Analakely sy Behoririka ka hikatona mialoha anio, sao mety hisy andian’olona hanararaotra amin’ny fandrobana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 404  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360