Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 15h35
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Ampasampito : fitobian’ny fiara fitaterana vaovao

    Nahazo fankasitrahana Rafalimanana Hery

    mardi 27 novembre 2007 | Hery A. |  747 visites
    Roa taona teo ho eo izay no nahazoan’ny fanjakana ny toerana fitobian’ny fiara etsy Ampasampito ka nohavaozina ho fihantsonan’ny fiara fitaterana manara-penitra. Fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny fanjakana no nahatsanganana ity foto-drafitrasa ity izay nandaniana vola Ar. 560 tapitrisa avy amin’ny kaominina tarihan’ny ben’ny tanàna Hery Rafalimanana, ary ny Ar. 350 tapitrisa dia avy amin’ny orinasa Jovenna. 4 volana no nanamboarana ity foto-drafitrasa ity izay manana velarana 6000 m2. Hita eto (...)
  • « Ong Point du jour » : kaominina Anteza

    Natolotra ireo paompy voizin-tanana

    mardi 27 novembre 2007 | Hery A. |  273 visites
    Tamin'ny zoma tolakandro teo no naneho ny fanamafisam-piaraha-miasa ny Ong « Point du jour » sy ny kaominina Anteza, anatin'ny distrikan'ny Manakara ka nanoloran'ity fikambanana manana ny foibeny any Frantsa ity tamin'ny fomba ofisialy ireo lava-drano miisa 7, miampy paompy voizin-tanana miisa 7 ao amin'ny kaominina Anteza. Nisy ihany koa ny fanomezana fanamiana sy baolina kitra ho an'ireo ekipa miisa 13 ao an-toerana. Nandray izany tetsy amin'ny hotel Radama ny ben'ny tanànan'Anteza, (...)
  • TIM Fanabeazana

    « Foano fa manelingelina », hoy i Moxe

    mardi 27 novembre 2007 | Naivo kely |  459 visites
    Tsy tokony hatao ara-bakiteny fa hampiharo avy hatrany ny tenin’ny minisitry ny Fampianarana sy ny Fikarohana siantifika milaza hoe aoka izay ny resaka politika eo amin’ity sehatry ny fanabeazana ity fa andao ny fianarana sy ny hampandrosoana azy eto Madagasikara no atao. « Ravao avy hatrany ny TIM Fanabezana », hoy ny mpanolon-tsaina ara-politikan’ny filohan’ny Nosy, Moxe Ramandimbilahitra fa io no tena manimba ity tontolon’ny fampianarana eto amintsika ity. Noraisiny ohatra tamin’io ny (...)
  • Ambatomainty Ambohitrimanjaka

    Namoy ny ainy ilay Lehilahy voahitsaka teo amin’ny filahiany

    lundi 26 novembre 2007 | Hery A. |  721 visites
    Tamin'ny Zoma lasa teo raha avy nitaona biriky ity tovolahy vao 26 taona monja, andeha hamonjy fodiana any amin'ny tokatranony, dia naheno vaovao fandrahonana fa hoe : « ho vonoina ho faty » andro zoma io ihany. Raha naheno an'izany fandrahonana izany izy dia nanao fitarainana tany amin'ny sefo fokontany Ambatomainty. Teo ampitantarana ny vaovao henony tao amin'ny anabaviny tao an-tranony, izay ambaran'ity tovolahy ity tamin'ny sefo fokontany dia nanaraka avy ao afara ity tovolahy nanana (...)
  • Habibian’ny ray niteraka teny Ivato

    Miady amin’ny fahafatesana izy telo mianaka

    samedi 24 novembre 2007 | Hery A. |  997 visites
    Notsatohany antsy ny vavonim-badiny ary tafapaka hatrany amin’ny tsinainy, avy eo norarahany asidra ny vatany iray manontolo. Rehefa tsy nahatsiaro tena ramatoa dia ny zanany lahy kely vao herintaona sy efa-bolana monja no norarahany asidra ihany koa ny vatany manontolo, ary may tanteraka io zaza io, ary tsy mahatsiaro tena eny amin’ny hopitaly ihany koa amin’izao fotoana izao. Rehefa nahita izao fihetsika nataon’ity lehilahy antsoina hoe « J » ity mponina dia niantso ny kartie mobily sy ny (...)
  • Mpitandrina Andriamanjato Richard

    Mila mandray andraikitra ny tanora...

    vendredi 23 novembre 2007 | Hery A. |  929 visites
    « Kitro ifaharan’ny fiaraha-monina sy ny fireneko aho ka hijoro ho fanilo mpitarika sy mpanazava azy ireo ». Io no lohahevitra nofakafakain’ny pasitera Andriamanjato Richard tetsy amin’ny tranompokonolona Isotry omaly tolakandro, tao anatin’ny hetsika niantsoan’ny JCM « Jeune challengers de Madagascar » ireo tanora avy amin’ny fikambanana samihafa eto Antananarivo. Tao ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana maro samihafa, tanora kristiana, tanora mpianatra eny amin’ny anjery manontolo sy (...)
  • Hevitra

    Vahaolana amin’ny vidin-tsolika

    vendredi 23 novembre 2007 |  454 visites
    Hiakatra indray izany ny vidim-piainana. Toa lasa fitaovana mahomby ahazoana tombony sy hanakorotanana amin’ny fomba mihaja ny toekarena eran-tany ny solika. Raha voalaza fa ny filana mihoampampana any « Chine » sy « Inde» no mampiakatra ny vidiny, nahoana no tsy ampitomboana ny vokatra dia tsy miakatra ny vidiny ? Tsy avela ampitomboina ny fatran-tsolika vokarina satria ny « dollars » no ividianana petrola dia mitombo ny filana an’io vola io ka mitombo hoazy ny tombombarotra. (...) Noho izany ary (...)
  • Feon’ny mpamaky

    « Nanome asa ho an’ny zanakay ny ELTER »

    vendredi 23 novembre 2007 |  623 visites
    Tsy dia fanaoko tompoko ny mba manoratra aty aminareo mpanao gazety, kanefa tsy aritro kely ny fanazavan'ny depiote voafidy aty aminay Vohipeno tao amin'ny antenimieram-pirenena ny alarobia teo milaza fa mampijaly ny mpiasa ao aminy ny orin'asa mpanao lalana ELTER. Ny zanako lahimatoa sy ny anadahiko izay samy mipetraka ato amiko tompoko dia miasa ao amin'io orinasa io, izay manao ny làlana Irondro, Manakara, Farafangana ary ho vita amin'ny taona 2008 io asa io. Misy mpamatsy vola vahiny (...)
  • Eveka Razanakolona sy Hery Rafalimanana

    Ny tsodrano zava-mahery...

    vendredi 23 novembre 2007 | Hery A. |  932 visites
    Noraisin’ny Evaka Odon Razanakolona teny amin’ny trano fiasany eo Andohalo, omaly hariva ny PDS Rafalimanana Hery ka nisy ny dinika nifanaovan’izy ireo manokana izay niompana tamin’ny fangatahana tsodrano amin’ny hiatrehan’ny PDS ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny faha 12 desambra ho avy izao. « Ny tso-drano zava-mahery », hoy atoa Rafalimanana Hery raha nanontanin’ny mpanao gazety izy, ary ny tsodrano azo teto dia tsodrano naraham-bavaka. Ankoatry ny fifandraisan’ity PDS ity tamin’ireo (...)
  • FDL « Fonds de développement local »

    Horesahina amin’ny loabary an-dasy

    jeudi 22 novembre 2007 | Hery A. |  346 visites
    Noraisin’ny minisitry ny Fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany atoa Yvan Randriasandratriniony tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anosy, tamin’ny talata tolakandro teo ireo delagasionan’ny vondrona Eropeana sy ny banky iraisam-pirenena. Anton-dian’ireto mpamatsy vola ireto ny fanomanana ny fametrahana ny FDL (« Fonds de developpement local ») hahafahana manohana ny kaominina sy ny faritra. Hanamafy izany amin’ny dinika eny anivon’ny fiadidiana ny repoblika « dialogue présidentiel » ireto (...)
  • Vaovao Tapatapany

    jeudi 22 novembre 2007 |  861 visites
    Famerenana fifidianana : Narendriky ny tsy miankina ny TIM Navoakan’ny HCC omaly maraina tetsy Ambohidahy ny vokatry ny famerenana ny fifidianana izay depiote tany amin’ny distrikan’i Bealanana sy Mananara Avaratra. Ireo nandresy tamin’ny fihodinana voalohany ihany no mbola nitana ny lohany tamin’io vokatra omaly io. Tafiditra etsy Tsimbazaza izany ny kandidan’i AME sy ingahy Zakahely Boniface, izay hita fa lavitra ny elanelana nisy teo amin’izy ireo sy ny TIM. Narendriky ny tsimiankina ny TIM (...)
  • Fifidianana :Pasitera Andriamanjato Richard

    Nitso-drano an’i Hery Rafalimanana

    mercredi 21 novembre 2007 | Hery A. |  1134 visites
    Omaly talata maraina no nihaona teny amin’ny tranon’ny pasitera Andriamanjato Richard ny PDS Rafalimanana Hery ka samy nanome lanjany ny« tso-drano zava-mahery » ny roa tonta. Mahakasika indrindra ny firotsahana kandida ben’ny tanàna no nahazoan’atoa Rafalimanana Hery tso-drano tamin’ity andrarezin’ny politika ity, izay efa nanana traikefa ihany koa tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fotoan’androny. Amin’ny ankapobeny dia nisy ny dinika manokana teo amin’izy mianaka ireto, narahana ny (...)
  • Ministra Ramiaramanana

    Fanadiovana fa tsy sazy

    mercredi 21 novembre 2007 | Naivo kely |  703 visites
    Midina ifotony mijery ny zava-misy eo anivon’ny ministera tantaniny ny ministry ny fanatanjahantena, kolontsaina ary ny fialamboly Patrick Ramiaramanana, ka ny mpiasa teo anivon’ny TAFITA no nitafa taminy omaly. Tsy misy resa-be fa ny asa tonga dia vavany no tsy maintsy atao, ary mila mazava tsara ny fomba fitantanana, ary mila fifampifehezana hentitra fa tsy baranahiny. Hita nandritra io fa tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy ny fanampiana ireo federasiona spaortiva, ary tokony omena (...)
  • Vaovao Tapatapany

    mercredi 21 novembre 2007 |  1503 visites
    Karatry ny holafitra : Zaraina anio maraina Vita tanteraka ankehitriny ny karatra maha-matianina ny mpanao gazety izay mahatratra 1001manerana an’i Madagasikara, ka etsy amin’ny efitry ny TVM Anosy rihana faha-telo no hanaovana izany. Volana maro no nikarakaran’ireo komity nisahana izany izay tarihan’ny namana Maka Alphonse, ary ny sandan’io karatra io dia iray alina ariary. Aorian’ny fizarana ity karatry ny holafitra ity, dia tsy maintsy vitaina amin’ity taona ity ny fifidianana izay ho (...)
  • Soavinandriana : ady tany

    Olona 1000 mahery no voaroaka

    mardi 20 novembre 2007 | Hery A. |  570 visites
    Mponina amin’ny fokontany iray manontolo , miisa 1000 eo ho eo, ao anatin’ny kaominina Ambatoasana, distrikan’ny Soavinandriana no tra-boina amin’izao fotoana izao noho ny ady tany miseho any an-toerana. Araka ny vaovao azo dia am-polo taonany no nanorenan’ireo mponina fonenana teo amin’ity tany ity, izay mirefy 735 ha, ka amin’izao fotoana izao dia misy ny olona mitonona ho tompon’ny tany. Efa ela no nandehanan’ity ady ity tany teo anivon’ny fitsarana ity ka inoana fa nanana taratasy ara-dalàna ny (...)
  • Oniversite Ankatso : CUA

    Namboarina ny kianja fanaovana basket

    mardi 20 novembre 2007 | Hery A. |  360 visites
    Eo am-panamboarana ny kianja filalaovana basket vaovao eo amin’ny trano iray noravàna, izay nonenan’ny mpianatra mpanao politika tamin’ny fotoan’androny. Navadika ho kianjan’ny fanatanjahantena ity toerana ao Ankatso ity. Herinandro eo ho eo izay no nanombohan’ny asa, raha kasaina ho vita alohan’ny faran’ny taona izao. Kianja miisa 2 no hamboarina eto, miampy ny toerana fijerena lalao sns... Tamin’ny sabotsy teo no nijery ny fizotran’ny asa ny PDS Antananarivo, Hery Rafalimanana, izay tompon-kevitra (...)
  • Vaovao Tapatapany

    mardi 20 novembre 2007 |  456 visites
    Toamasina : Tomombana antsakany sy andavany ny hetsika « festival avy letchi e » izay notontosaina tao Toamasina tamin’ny faha 9-10-11 novambra teo, ka araka ny fanamarihan’ny mpikarakara dia feno ny fandaharam-potoana, ary tontosa antsakany sy andavany. Tratra ny tanjona dia ny fiaraha-mientan’ny daholobe ho amin’ny fampandrosoana ny faritra atsinanana. ===================== Bongolava : Tonga ao amin’ny kaominina Manambolo aoTsiroanomandidy ny fitaovam-pitaterana antsoina hoe «Hydroglisseur », (...)
  • Fianam-pinoana

    Fiangonana Loterana Malagasy aty Frantsa (FLMF)

    vendredi 16 novembre 2007 |  2491 visites
    Nitsangana ny Fitandremana Malakoff Nahazo trano fiangonana vaovao ny Fiangonana Loterana Malagasy aty Frantsa - FLMF/Fitandremana Malakoff. Ny alahady 02 septembra lasa teo no nifindra tao Malakoff (92) 6, impasse André Sabatier, ny fitandremana Ile de France tao Arcueil teo aloha. Tamin’ny fotoam-pivavahana lehibe ary no nanamarihana ny fitokanana ity tranom-piangonana vaovao Fitandremana Malakoff ity. Ny 06 Septambra 2007 teo no nivorian’ny Biraon’ny Fileovana Ile de France; Nisy ny (...)
  • Brickaville

    Trano miisa 90 no levon’ny afo

    vendredi 16 novembre 2007 | Hery A. |  377 visites
    Trano miisa 90 no may kilan’ny afo tao antampon-tanànan’ny Brickaville tamin’ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Araka ny vaovao azo vonjimaika dia tokantrano iray no may voalohany ary nitatra tamin’ireo trano fonenana sy fivarotana ary tsy nijanona raha tsy may ireo trano 90 tafo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa ny famonjena ny entana no nampisavoritaka ny mponina. Ampahany maro amin’ireo trano anefa no tsy nisy naharaisana na inona na inona fa may avokoa ny entana rehetra. (...)
  • FIVAMASA

    Mila voky ny madinika

    vendredi 16 novembre 2007 |  382 visites
    Omaly no nanambaran’ny FIVAMASA « Fikambanan’ny vahoaka madinika sahirana » fa tsy mihaino ny feon’ny madinika ny mpitondra fanjakana mba hanalana azy ireo ao anatin’ny fahasahiranana. Firy ireo olona tafakatra tamin’ny toerany no nampanantena zavatra maro kanefa dia manadino ny madinika hatrany. Azo atao tsara anefa ny misoroka io fahavoazana io hoy i Manatsoa Modeste, Sekretera Jeneralin’ity fikambanana ity. « Mila olom-baovao afaka hitondra ny feon’ny madinika sy hijery ifotony ny fampandrosoana (...)

0 | ... | 700 | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | 860 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS