Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Polisy mihoa-pefy

    Misy dosie mafonja eo an-dalam-panaovana famotorana

    vendredi 11 janvier 2008 | Nivo T. A. |  582 visites
    Nandritra ny famindran’asa teo amin’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena teo aloha, ny Controleur Général Rahaingo Jacky sy ny tale jeneraly vaovao, ny Controleur Général Talbot Alexis René Antonin, omaly maraina, teny Anosy, no nilazan’ity farany fa tsy azo leferina ny polisy mihoa-pefy sy mandika lalàna fa tsy maintsy mandeha ny fanenjehana. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia misy dosie mafonja mikasika izany polisy tsy manaraka fitsipi-pifehezana izany ka mandeha ny fanadihadiana. Mazava ho azy (...)
  • Fifidianana ben’ny tanàna : vokatra ofisialy

    Misy ny fakàna an-keriny

    vendredi 11 janvier 2008 | Hery A. |  423 visites
    Mitombo isan’andro ny fitarainan’ny vahoaka anatin’ny faritra manerana ny nosy, afa-tsy ny eto An-drenivohitra amin’izao fotoana izao mahakasika ny fivadihan’ny vokam-pifidianana ben’ny tanàna farany teo. Tsy tahotra tsy henatra fa dia navadika ho an’ny kandida TIM avokoa ny fandresena na dia niharihary izao aza ny fahareseny. Ohatra amin’izany fotsiny ny ao Ampefy izay tsy eken’ny vahoaka hatramin’izao ny hisokafan’ny biraon’ny kaominina satria kandida mahaleo tena no lany, nefa navadika ho an’ny (...)
  • Vono olona misesy

    Mihorohoro i Mahajamba !

    jeudi 10 janvier 2008 | Manou |  1225 visites
    Very hevitra ny mponina ao amin’ny kaominina Mahajamba, distrikan’i Mahajanga II noho ny fiverimberenan’ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana any an-toerana ! Tohy vakana ny faty olona hatramin’ny septambra 2006 no nanombohan’izao raharaha izao, tamin’ny nahafatesana vehivavy bevohoka nampiterahanana tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny orinasa Aqualma tao Besakoa. Nodidiana ramatoa, na tsy nisy manam-pahaizana na fitaovana momba izany aza tao, ka niara-maty tam-piterahana izy sy ny zazakely. (...)
  • Andry TGV - Rafalimanana sy ny vahoaka

    Samy mitondra fampandrosoana

    jeudi 10 janvier 2008 | Hery A. |  902 visites
    Kihon-dalana diavin’ny tontolon’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ity taona 2008 ity izay tokony hanaovana jery todika vetivety ihany. Feon’ny vahoaka Ny vahoaka no andrianina ka mendrika henoina ny feony. Amin’izao fotoana izao dia miara-manaiky ny vahoaka fa tsy maintsy manohy ny asa izay mandimby toerana. Midika izany fa be ireo zava-bitan’ny PDS izay sarotra ny handravana azy indray. Fifidianana moa no naharava ny paik’ady saika notohizana ka tsy mahatakona velively ny maha teknisiana ny (...)
  • Asan-jiolahy

    Sady nandoro trano no namono

    mercredi 9 janvier 2008 | Nivo T. A. |  529 visites
    Tsy mitsitsy ain’olona intsony ny jiolahy amin’izao fotoana izao. Tany amin’ny tanànan’i Bevalokely, fokontany Antsitabe, kaominina Andriba, dia notafihan’ny jiolahy telo ny tokantrano iray, ny harivan’ny alatsinainy 6 janoary lasa teo. Mbola takariva, tamin’ny 5 ora tany ho any, no nahatongavan’ireo mpanafika tao amin’ilay tanàna. Nampiasa herisetra tokoa izy ireo satria tsy vitan’ny nandroba fananan’olona fa mbola nandoro trano sy namono olona ihany koa. Araka ny vaovao azonay, dia novonoin’ireo (...)
  • Fitaterana an-drenivohitra

    Tsy hiakatra ny saran-dàlana, fa…

    mercredi 9 janvier 2008 | Penjy R. |  504 visites
    Raha nisy nikasa ny hampiakatra ny saran-dàlana ho 400 ariary ny saran’ny fitaterana eto an-drenivohitra eo amin’ny Taxibe, dia maro ireo kaoperativa no tsy nanaiky io na dia hita aza fa miaina ao anatin’ny fatiantoka ny ankamaroan’nympitatitra. Nijery ny hisian’ny vahaolana izy ireo, ka voalaza fa manomboka ny 15 janoary izao, dia tsy hisy intsony ny saran-dàlana tapa-dàlana. 200 ariary io tapa-dàlana io, izay nahavonjy olona maro, saingy io no tsy maintsy nofoanana ka 300 ariary avokoa no aloha (...)
  • Fanafihana tany Iakora

    Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato

    mardi 8 janvier 2008 | Nivo T. A. |  620 visites
    Dahalo dimy maty voatifitra, basim-borona telo sy bala enina no tratra: izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila avy ao amin’ny DAS (Détachement autonome de sécurité) tany amin’ny tanànan’Ambondro-Ivory, kominina Analavoka, distrikan’Iakora, faritra Ihorombe, ny zoma lasa teo, tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, dia tamin’ny alin’ny alakamisy 3 janoary, tamin’ny 12 ora tany ho any no nanafika tao amin’ny valan’omby tao Besoa, (...)
  • Fahatapahan-drano teto an-drenivohitra

    Nisavoritaka ny mponina

    mardi 8 janvier 2008 | Hery A. |  493 visites
    Resa-be eto an-drenivohitra ny fanapahana jiro sy rano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra ka niteraka sahotaka omaly vao maraim-be teo amin’ireo tokantrano maromaro mpampiasa ny paompy an-dàlam-be. Nifandom-baravarana nifampilaza amin’ny tokony hanangonana rano fisotro satria ho tapaka hono ny rano sy jiro. Nifanaretsaka ireo mpikarama mantsaka nitandahatra tamin’ny paompy, voatery nantsaka aloha ny ankizy vao namonjy sekoly. Hatramin’ny omaly hariva anefa dia toa mbola nandeha ihany ny (...)
  • Kaominina sy ny Jirama

    Hita ny marimaritra iraisana

    mardi 8 janvier 2008 | Naivo kely |  379 visites
    Tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana tokoa ny zava-drehetra, ary porofon’izany ny naha-voavaha ny olana teo amin’ny Jirama sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Naverin’i Jirama amin’ny laoniny ny rano teny amin’ny paompy sy teny anivon’ny sekolim-panjakana izay notapahiny, ary ireo andrin-jiro manazava ny làlana rehetra ihany koa dia nahazo hazavana indray ankehitriny. Io no vokatra tsara nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny teo anivon’ny Jirama omaly. Misy ny vola mifampiditra eo amin’ny (...)
  • Tanànan’Antananarivo : Fiparitahan’ny fako

    Mitaky vahaolana haingana

    lundi 7 janvier 2008 | Hery A. |  531 visites
    Efa voatatitra an-gazety matetitetika ihany ny akon’ny nanapahan’ny orinasa Jirama ny jiro sy rano eny amin’ny faritra sasany eto Antananarivo renivohitra, saingy toa tsy misy fanantenana ihany raha ny firesaky ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Nitanisa ny trosan’ny kaominina ny tenany ary naneho fa misy ny sakatsakana amin’ny hanatanterahany ny asany. Hatreto aloha dia nambarany fa tsy misy ny vola handoavana ireo (...)
  • Omby vavy be ronono

    Tsy nahitana tombony, dia ho avy indray ny osy

    lundi 7 janvier 2008 | Naivo kely |  749 visites
    Mifantoka any amin’ilay fanafarana osy 3 500 avy atsy Australia indray ny sain’ny mpitazana, izay hanome taranaka tsara ny osy izay efa misy eto, ary koa ny volony atao tapis sy ny ronono azo avy aminy. Tsy maha-taitra ny maro io osy io, satria niarahan’ny rehetra nahita ny fanafarana ireo omby vavy be ronono taona maro lasa izay, ka nambara fa hitondra tombony ho antsika io na lafiny ronono na ihany koa ny henany sy ny taranany. Tsy mbola nandre ny maro fa nigoka tombony be tamin’io ireo (...)
  • Lalàm-pifidianana

    Ho lasa lavenona ?

    lundi 7 janvier 2008 | Penjy R. |  323 visites
    Tsy manisy resaka ny momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara intsony ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ka ny eo amin’ny fanoherana sisa no mbola manao litania io. Lalàna iray ahafahana mampanjaka ny demokrasia eto Madagasikara anefa io fanovana io, ary na ingahy Rakotovazaha Olivier, SG ao amin’ny antoko MFM, aza tao amin’ny fahita lavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo, dia nanambara fa efa tamin’ny taona 2000 ny antoko politika maro no nitaky io, ary maro (...)
  • Midongy seza

    Tsy manana hevitra hijanona ela ny filoha

    samedi 5 janvier 2008 | Naivo kely |  645 visites
    Fampitomboana ny harin-karena, fanamafisana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny fampihenana ny fahantrana. Ireo loha-hevitra telo ireo no niompanan’ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly raha niarahaba ny vahoaka malagasy tratry ny taona ny tenany. Hajoro ny banky BMCD iarahana amin’ny vahiny ny fananganana izany, ary hamatsy vola ny tantsaha malagasy io. Omena sehatra ihany koa anefa ny mpandraharaha malagasy amin’ny famokarana eto, fa tsy avela hipitrapitra lava (...)
  • Tsaingoka

    Nifanotofana i Pasitera Richard A.

    samedi 5 janvier 2008 | Penjy R. |  1143 visites
    Nandritra ny kabarin’ny filoha Ravalomanana omaly no nisy naneho ny hafaliany nahita ny Pasitera Andriamanjato nanatrika ny lanonana teny an-toerana. Rehefa vita ny kabary nifandimbiasana dia nilahatra niarahaba an’i Pasitera izay hambara ho mpanohitra ny filohan’andrim-panjakana misy teto, ary dia nalaza tampoka tao amin’ny lapa i Pasitera Andriamanjato Richard. Raha tsy niteny iny ve ny filoha Ravalomanana moa niarahaba azy ireto olom-panjakana ireto ? Ny tsapa aloha, dia hay afaka mifanoroka (...)
  • Ampefy : voka-pifidianana nifamadika

    Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina

    vendredi 4 janvier 2008 | Hery A. |  619 visites
    Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina Ampefy nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo ben’ny tanàna vaovao ao anatin’ny faritra Itasy omaly alakamisy. Tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana no ametrahana ireo ben’ny tanàna ireo, ka tamin’ny fandalovan’ny delegasiona tao Ampefy dia nanao fihetsiketsehana ny mponina izay tsy nanaiky ny nametrahana ny ben’ny tanàna avy amin’ny antoko tim. « Tsy hanaiky izahay fokonolona na hisy ra mandriaka aza ». Nambaran’ireo fokonolona fa (...)
  • Boriborin-tany faha-4

    Fantaro i Mandrangobato II

    vendredi 4 janvier 2008 | Hery A. |  926 visites
    Raha atao indray mijery dia tanàna fonenan’ny mpila ravinahitra ny fokontany Mandrangobato II ary mpanofa avokoa ny ankamaroany. Maro ireo trano manana endrika tsara any anatin’ny tanàna izay manana hofany antonony, eo amin’ny Ar 20000 hatramin’ny Ar 70000 isam-bolana. Tao anatin’ny taona, vitsy dia nampiova tanteraka ny fiainan’ny mponina teny ny fisian’ny làlana vaovao « Boulevard de l’Europe », avy eo Anosibe mivoaka any Soanierana, mamakivaky ny làlana Namontana. Honahona sy fotaka no niainan’ny (...)
  • Ivato - Firaisana

    Manomboka ny fandroahana mpiasa

    vendredi 4 janvier 2008 | Naivo kely |  618 visites
    Tao anatin’ny fotoana fohy monja nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny fitantanana ny kaominina eny Ivato-Firaisana, dia efa manomboka sahady ny fandroahana ireo mpiasa ao amin’ity kaominina ity. Araky ny fanapahana lah 001/08/KA/IV-FIR/M izay navoakan’ny teo anivon’ity kaominina ity, dia manapaka fa atsahatra tsy hanohy ny asany intsony ireo polisy kaominaly manerana ny kaominina Ambanivohitra Ivato-Firaisana. Ankoatra io dia voalaza fa voaroaka ihany koa ireo sekretera dimy eny anivon’ny (...)
  • Fanondrotana karama

    Maivana ny 10% hoy i Mailhol

    jeudi 3 janvier 2008 | Penjy R. |  691 visites
    Tsy mifanentana amin’ny fiakatry ny vidim-piainana ny tolotra 10% nataon’ny filoha Ravalomanana ho fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2008 ity. Inona no vitan’io raha mitaha amin’ny sondro-bidy hiainan’ny Malagasy ankehitriny ? Nitodika tamin’ny fiainan’ny Malagasy tamin’ny taona 2002 ny Pasitera Mailhol, izay nanambara fa potika ny toe-karena teo, kanefa mbola nahazo hatrany amin’ny 12% io fisondrotry ny karama io. Tafakatra 6,5% ny tahan’ny harin-karena araky ny nambaran’ny (...)
  • Holafitry ny mpanao gazety

    Hilatsaka ny AJRP

    jeudi 3 janvier 2008 | Naivo kely |  309 visites
    Miandry izay daty hanaovana ny fifidianana ny mpanao gazety rehetra, izay eo ampamolavolana izany ireo komity manokana hisahana ity asa ity. Efa misy ireo anarana heverina hilatsaka ho amin’ny toeran’izany filohan’ny holafitra izany, dia eo ny filoha amperin’asa Ruffin Rakotomaharo, ingahy James Ramaroson, ary Soava Andriamarotafika filohan’ny AJRP. Ireo aloha hatreto no be mpilaza saingy miankina amin’ny faharisihan’ny tsirairay ihany io. Ny mpikambana maro ao anatin’ny AJRP na ny fikambanan’ny (...)
  • Analakely : Sary pika

    Tsy dia nandeha ny tsena

    jeudi 3 janvier 2008 | Hery A. |  443 visites
    Ireo mpaka sary sisa no mamita ny asa tsy vitany tamin’ny fetin’ny krismasy sy faran ‘ny taona iny ka nahazoan’izy ireo alàlana hijanonany eo amin’ny araben’ny Fahaleovantena Analakely sy eny anoloan’ny gara Soarano. Amin’ny ankapobeny dia miandry ireo olona naka sary izay mbola tsy naka ny sariny ireto mpaka sary ireto izay manodidina ny 300 eo no isany. Eo ihany koa ireo mbola miala sasatra ka tsy afapo loatra tamin’ny fakana sary fahatsiarovana, no mbola mankeny Analakely manatanteraka izany. Ar (...)

0 | ... | 620 | 640 | 660 | 680 | 700 | 720 | 740 | 760 | 780 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS