Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 11h31
 

Malagasy

Tanànan’Antananarivo : Fiparitahan’ny fako

Mitaky vahaolana haingana

lundi 7 janvier 2008 |  531 visites  | Hery A.

Efa voatatitra an-gazety matetitetika ihany ny akon’ny nanapahan’ny orinasa Jirama ny jiro sy rano eny amin’ny faritra sasany eto Antananarivo renivohitra, saingy toa tsy misy fanantenana ihany raha ny firesaky ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Nitanisa ny trosan’ny kaominina ny tenany ary naneho fa misy ny sakatsakana amin’ny hanatanterahany ny asany. Hatreto aloha dia nambarany fa tsy misy ny vola handoavana ireo trosan’ny Jirama.

Herinandro eo ho eo izay no nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana ka nisy sahady ny azo nambara dia ny nampatsiahivany fa sarotra ny manatanteraka ny asa satria tsy misy ny vola. Tsy nanda ny fitobian’ny fako ny ben’ny tanàna ary efa nisy ny malala-tanana nanome solika 5000 litatra, nampiasana ireo fiarabe 12 avy amin’ny fitondrana foibe. Efa lany koa io ka izay no mahatonga ny fako somary nitoby indray. Dabam-pako miisa 8 isaky ny 12 ora no voaroakan’ireo kamiao ireo ka ny ampahan’ny dabam-pako miisa 465 eto an-drenivohitra ihany no voasahana isan’andro. Nanambara ihany moa ny ben’ny tanàna fa tokony hifampiresaka aminy ny eo anivon’ny Jirama.

Dia ho kilalaon’ny mpanao politika indray ve ny tanànan’Antananarivo ka ny vahoaka no mizaka ny vokany ? Dia ho dinganina koa izany ny baikon’ny filoham-pirenena amin’ny hanapahana ny jiro sy ranon’izay tsy nahaloa ? Ho zaza maloto indray no eny amin’ny sekolim-panjakana maro eto an-drenivohitra manomboka anio. Tsy hisy na ny hanadiovana solaitrabe aza, ka tsy maintsy hiantoka rano ho an’ny sekoly ny mpianatra.

Aorian’ny fihaonan’ny ben’ny tanàna sy ny eo anivon’ny Jirama anio izany vao ho fantatra ny vahaolana amin’ity olan’nytanànan’Antananarivo ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS