Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h26
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Rotary Club Madagascar

    Le gouverneur a débarqué hier pour sa deuxième visite

    lundi 20 octobre 2008 | Hery A., Poussy R. |  1035 visites
    « Je sais que les rotariens malgaches sont très actifs pour contribuer à l’amélioration des conditions de vie des enfants, notamment dans les domaines de l’éducation, de la santé, de droits à la nourriture adéquate et à l’accès à l’eau potable ainsi qu’à l’assainissement. Mon rôle, en tant que représentant du président du Rotary International, consiste à encourager les 53 clubs du district 9220 de faire dans la mesure de leurs moyens en faveur des enfants », s’est exprimé le Gouverneur du Rotary international (...)
  • Vary

    350 Ariary ny kapoaka any Alaotra

    lundi 13 octobre 2008 | Hery A. |  608 visites
    Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin'izao fotoana alohan'ny fahavaratra izao. Raha ny any amin'ny faritra Alaotra, anisan'ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin'ny ar 380 ny vidin'ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin'ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan'andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin'ny (...)
  • Làlam-pirenena faha 44

    Misy manafika ny fiara mpitatitra

    jeudi 9 octobre 2008 | Hery A. |  705 visites
    Manjaka ny tsy filaminana amin'ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an'Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon'ny jiolahy amin'ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra (...)
  • Antsiranana

    Tranom-bazaha iray no may

    mardi 7 octobre 2008 | Hery A. |  737 visites
    Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan’ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin’ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin’ny trano iray anatin’ny tanana’ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan’ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan’ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin’ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin’ny ADEMA. Voavonjy (...)
  • Mihorohoro

    lundi 6 octobre 2008 | Hery A. |  739 visites
    Nalazalaza ity resaka momba ny «fampihorohoroana» ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an’io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan’ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin’ny ankamaroan’ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka «baomba» eny amin’ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon’ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka (...)
  • Tsy fanariam-pako...

    vendredi 3 octobre 2008 | Hery A. |  632 visites
    Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin’ny boaty io nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin’ny ankapobeny dia an’ny sinoa ny 90ùn’ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan’entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin’ny sehatry ny tsena (...)
  • Belo amoron’i Tsiribihina

    Matin’ny aretina ny kisoa

    jeudi 2 octobre 2008 | Hery A. |  887 visites
    Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin’ny distrikan’ny Belo amoron’i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin’ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin’izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin’ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon’ny aretina dia saika mitovitovy amin’ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan’andro mantsy dia voalazan’ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan’ilay aretina, ary tsy (...)
  • Asa soa navelan’i Mompera André Maire

    Manohy asa ny « aide missionnaire »

    jeudi 2 octobre 2008 | Hery A. |  1157 visites
    Tsy maty ao am-pon’ny mponina ao Mandoto ny zava-bitan’i Mompera André Maire, nitondra fiangonana tao Mandoto hatramin’ny taona 1972, hatramin’ny taona 1999. Maty noho ny aretina tazo mahery tao Mandoto ny tenany. Ao Mandoto no milevina ny nofony hatramin’izao. Maro ny asa sosialy navelany ho an’ny faritra any Mandoto iny, toy ny fananganana fiangonana ao Vatovory, ny toby fitsaboana ao Mandoto, fiahiana ireo mpifindra monina ao Morarano, kaominina Anjoma Ramartine, sekoly amin’ny fokontany (...)
  • Dinan’ny fanabeazana

    Mandoa lamandy izay tsy mampiana-janaka

    mercredi 1er octobre 2008 | Hery A. |  596 visites
    Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra any amin’ny distrikan’ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin’ny faran’ny herinandro. Teto no nambara amin’ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain’ireo manam-pahaizana ka nankatoavin’ireo vahoaka, taorian’ny fivoriana. Voambara ao anatin’ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, (...)
  • Vatomandry

    Sarona ny vazaha nangalatra hazo sarobidy

    lundi 29 septembre 2008 | Hery A. |  962 visites
    Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron’ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan’ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik’ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon’ny entana ka dia notanan’ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy (...)
  • Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery

    Jiolahy iray no maty voatifitra

    mercredi 24 septembre 2008 | Hery A. |  507 visites
    Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity. Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin’ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan’ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo. Efa niparitaka ny laza ratsin’ireto jiolahy ireto eny amin’iny faritra iny. (...)
  • Famotsiam-bola

    Tsy misambotra olona ny Samifin

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A. |  710 visites
    Tsy biby fampitahorana ny sampan’asa SAMIFIN misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin’ny asan’ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin’ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian’ny vola tsy ara-dalàna amin’ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin’ny Bianco kosa ny ady amin’ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. Nahita (...)
  • Fanampiana ataon’i TIM

    Misy mivarotra ireo fitaovana

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A., Penjy R. |  426 visites
    Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety. Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (...)
  • Voaroaka tsy fidiny

    vendredi 19 septembre 2008 | Hery A. |  848 visites
    Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr’ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin’ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben’ny tanana fa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan’ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin’ny 15 andro farany dia (...)
  • Nangingina…

    jeudi 18 septembre 2008 | Hery A. |  812 visites
    Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. «Ho raikitra ity !» hoy ny sasany «nanaraom-pako» tamin’iny raharahan’ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an’i Rado, nahazo fandresena tamin’ny alalan’ny asa soratra. Ny ben’ny tananan’Antananarivo nantenaina ho (...)
  • Jiromanga bibiolona

    Nalemy ilay vehivavy voaolana

    jeudi 18 septembre 2008 | Hery A. |  14255 visites
    Na tsaho na tsia, ny lazan’ny fisian’ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin’izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra. Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran’ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny olona (...)
  • Korontana

    Vono olona 35 ny enim-bolana voalohany

    lundi 8 septembre 2008 | Hery A. |  509 visites
    Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin'ity taona ity no nanangonana antontan'isa teny anivon'ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan'ny tranga nahian'ny mpitandro filaminana ka ny teto amin'ny manodidina an'Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian'ny Fianarantsoa no loha laharana tamin'ny taona 2007. Ny fari-piadidian'ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria (...)
  • Antananarivo renivohitra

    Manimba zavatra ny lonilony politika

    vendredi 5 septembre 2008 | Hery A. |  665 visites
    Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin'ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna no miseho ankehitriny. "Ho potika ny zava-bitan'ny PDS teo aloha", hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an'ny dokam-barotra", hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin'izany, sady nisy rahateo ny (...)
  • Filaharana vola

    Tokony tsy ampijaliana ny beantitra

    jeudi 4 septembre 2008 | Hery A. |  404 visites
    Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin'ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan'izy ireny ka amin'ireo fotoana fivoahan'ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n'ny volana sy ny faran'ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin'izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin'ny kaontiny. "Io aza tsy ampy" hoy ny sasany. "Tsy ajanonay ao ny volanay", hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny (...)
  • « Sinema malagasy »

    samedi 30 août 2008 | Hery A. |  693 visites
    Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon'ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon'ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS