::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Belo amoron’i Tsiribihina

Matin’ny aretina ny kisoa

jeudi 2 octobre 2008, par Hery A.

Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin’ny distrikan’ny Belo amoron’i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin’ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin’izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin’ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon’ny aretina dia saika mitovitovy amin’ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan’andro mantsy dia voalazan’ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan’ilay aretina, ary tsy maharitra andro iray dia maty.

Tsy misy ny vahaolana hatramin’izao, indrindra ho an’ireo mpiompy kisoa amin’ny manodidina. Misy dokoteram-biby any an-toerana, saingy very hevitra ihany koa noho ny tsy fisian’ny fanafody. Hatreto aloha dia tsy nandrenesana olona nifindran’ny aretina. Misy mihinana mantsy ny henan’ny kisoa maty, sady misy mivarotra mora eny an-tsena. Na izany aza dia tsy fantam-pihaviana ny aretina ka tokony halevina haingana ny biby matin’ny aretina.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 281  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360