Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 17h58
 

Malagasy

Korontana

Vono olona 35 ny enim-bolana voalohany

lundi 8 septembre 2008 |  509 visites  | Hery A.

Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin’ity taona ity no nanangonana antontan’isa teny anivon’ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan’ny tranga nahian’ny mpitandro filaminana ka ny teto amin’ny manodidina an’Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian’ny Fianarantsoa no loha laharana tamin’ny taona 2007. Ny fari-piadidian’ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria mitentina ar 20 miliara any ho any no fahavoazana. Miisa 35 kosa ny ain’olona nafoy ka avy amin’ny fokonolona avokoa ny ankamaroany. Marihana fa ny faritra atsinanana, Boeny, Analamanga, Itasy no mitana ny loha laharana amin’ity tsy fandriampahalemana ity.

Samy nanjaka tamin’ireo faritra 22 eto amin’ny nosy ny tsy fandriampahalemana tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay ka tao ny halatra omby, any amin’ireo faritra malaza amin’izany toy ny any, Boeny,sy ny faritra manodidina azy...Ny any amin’ny faritra SAVA moa dia ny voly lavanila no lasibatra tamin’ity. Iraisan’ny faritra rehetra kosa, indrindra ny aty ampovoan-tany, ny halatra taolam-paty, toy ny any Alaotra izay niverina indray tato ho ato. Ny vaky trano moa dia saika isam-paritra, indrindra amin’ny renivohitry ny tanan-dehibe. Nirongatra be koa izy io tato ho ato. Ny fanaparitahana zava-mahadonelina kosa dia tsy anavahana faritra. Saika isan’andro no nahasaronan’ny mpitandro filaminana azy ireny.
Fanoitra ho an’ny mpitandro filaminana moa ny fanaovana jery todika tahaka izao. Inoana fa mitaky ezaka bebe kokoa ny zava-misy.

Ny tsikaritra tamin’iny tomban’ezaka iny dia arakaraka ny nihetsehan’ny mpitandro filaminana no nampirongatra ireo mpanao asa ratsy. Tsy hikoso-maso, ary tsy hitsitsy an’ireo tratrany anefa ny mpitandro filaminana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS