::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h12  :  20°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Vatomandry

Sarona ny vazaha nangalatra hazo sarobidy

lundi 29 septembre 2008, par Hery A.

Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron’ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan’ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik’ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon’ny entana ka dia notanan’ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.

Ao anatin’ny fiofanana mahakasika ny fandriampahalemana indrindra ny polisim-pirenena ao Vatomandry amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny hetsika ataony ny famongorana itony halatra hazo sarobidy itony. Efa ho lany tamingana mantsy ireny hazo sarobidy ireny ka raran’ny lalàna ny fanapahana azy.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 387  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360