Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 7 mai 2024
Antananarivo | 04h34
 

Teny zato, kabary arivo

« Sinema malagasy »

samedi 30 août 2008 |  693 visites  | Hery A.

Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon’ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon’ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha fanonganam-panjakana. Ny fampianarana malagasy moa dia ifandroritana sy ampisehoana hambom-po samihafa. Dia velona ny fanontaniana hoe « mody miady ve ? ». Misoko miadana anefa ny vokatry ny fifantohan’ireo mpitondra ao anatin’ity resaka politika ity. Maro ireo mpanao politika mijapijapy moramora. Ny tsikaritra aloha amin’izao fotoana izao dia misy fanomanana goavana ataon’ny antoko politika sasany. Ny an’ny fitondrana moa dia mazava fa ny toerana efa notanana no mbola tiany ho fikirina ka io tsara fiomanana io sahady, raha tsy sembanin’ity hevitra tsy voahevitra indraindray...

Ny mpanohitra koa mba manomana ny seza kendreny ho azo dia ny fitondrana izany, saingy kely hery ka miandry mpamatsy eh ! Fa aleo koa tsy heverina ho mipetra-potsiny ny ben’ny tanànan’Antananarivo fa maro no mampirisika azy ao ambadika ao. Fitaovana matanjaka aloha izy amin’izao fotoana izao ka anjarany ny misafidy. Samy azo anaovana sinema mantsy ireo mpanao politika ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS