::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 18h59  :  19°C  :  Averses
mardi 14 février 2012
 

 > Malagasy

Làlam-pirenena faha 44

Misy manafika ny fiara mpitatitra

jeudi 9 octobre 2008, par Hery A.

Manjaka ny tsy filaminana amin’ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an’Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon’ny jiolahy amin’ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra mankany Ambatondrazaka. Eo no miara-miainga manao « caravane ». Indroa isan’andro no hifampiandrasana eo Moramanga. Manararaotra manaraka ireny « caravane » ireny kosa ny fiaran’olon-tsotra, satria maro amin’izy ireny koa no lasibatra.

Ho avy ny fahavaratra ! Eny amin’ny làlana ratsy no famelezan’ireo mpisakan-dàlana. Anisan’ny saro-dàlana ny mankany Ambatondrazaka rehefa fahavaratra. Izao main-tany izao anefa dia efa sahy manao ny ataony ireo dahalo ka ahiana ho mafimafy izany amin’ny firotsahan’ny orana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 322  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360