::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mihorohoro

lundi 6 octobre 2008, par Hery A.

Nalazalaza ity resaka momba ny « fampihorohoroana » ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an’io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan’ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin’ny ankamaroan’ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka « baomba » eny amin’ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon’ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka ain’olona betsaka.

Mila hifangaro amin’ny resaka fanonganam-panjakana nokasain’ny sasany hatao teto anefa izany. Afangaron’ny sasany amin’ny resaka politika anatin’i Madagasikara ihany koa. Toa samy manana ny famaritany azy ka izay fihetsika ataon’ny fanjakana dia « fampihorohoroana » izay.

Tsy azo lavina kosa anefa ny mety hisian’ny tsy filaminana politika eto amin’ny firenena. Fantatra eran-tany fa saika tsy milamina ara-politika ny tany mamokatra harena an-kibon’ny tany, indrindra fa ny fananana solika. Ao anatiny indrindra ny eto an-toerana, ka asa na anisan’ny arofanina sahady ny firesahana ity asa fampihorohoroana ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 290  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360