::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 23h13  :  21°C  :  Nuageux
lundi 13 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Tsy fanariam-pako...

vendredi 3 octobre 2008, par Hery A.

Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin’ny boaty io nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin’ny ankapobeny dia an’ny sinoa ny 90ùn’ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan’entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin’ny sehatry ny tsena iraisam-pirenena aza dia tafiditra eto. Saika an-tsokosoko no nidiran’ny entana sasany taloha, fa manomboka izao dia tsy handaitra izany, araka ny tenin’ny filoham-pirenena. Mety hisy ihany aloha ny ronono avy any amin’ny firenen-kafa, hahazo alalana manokana rehefa voaara-mason’ny tompon’andraikitra.

Na dia ho sarotra aza ny asa eto dia tsara iny fandraisana fanapahan-kevitra iny. Farafaharatsiny mba mihena ny fidiran’ny entana an-tsokosoko. Ny tsena iraisam-pirenena tahaka itony moa dia sarotra araha-maso ihany. Aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no tena fifaharan’ny entana tsy manarapenitra sasany any ivelany any, ary tsy ny ronono ihany fa saika ny entana ilaina amin’ny andavanandro rehetra. Anjaran’ny malagasy mpanjifa no mamantatra ny entana vidiany fa efa mba nanao ny adidiny ny fanjakana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 257  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360