::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 15h44  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Dinan’ny fanabeazana

Mandoa lamandy izay tsy mampiana-janaka

mercredi 1er octobre 2008, par Hery A.

Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra any amin’ny distrikan’ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin’ny faran’ny herinandro.

Teto no nambara amin’ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain’ireo manam-pahaizana ka nankatoavin’ireo vahoaka, taorian’ny fivoriana. Voambara ao anatin’ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, hatramin’ny 20 taona ho any an-tsekoly.

Mandoa ar 5000 kosa izay miala an-daharana eny antenantenany eny. Mandoa ar 5000 ihany koa ny mpianatra tsy hita ao anatin’ny 3 andro ka tsy manana fanamarinana sy antony mazava. Mbola mandoa dina ihany koa ny mpianatra sarona mijery video sy mijery « jiromena ». Namaranana ny fivoriana ny fampahafantarana fa misy ny fanadinana CEPE na dia eo aza ny fiovan-drafitra vaovao tsy maintsy atrehana. Ny tanjona amin’ireo fametrahana dina ireo dia ny hahatongavan’ny mpianatra hatrany amin’ny kilasa famaranana, raha voatery tsy maintsy hijanona amin’ny fianarana any aoriana any.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 255  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360