::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h51  :  12°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 17 mai 2012
 

 > Malagasy

Vary

350 Ariary ny kapoaka any Alaotra

lundi 13 octobre 2008, par Hery A.

Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin’izao fotoana alohan’ny fahavaratra izao. Raha ny any amin’ny faritra Alaotra, anisan’ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin’ny ar 380 ny vidin’ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin’ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan’andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin’ny fihinanana hanikotrana toy ny vomanga sy mangahazo ary katsaka, sns... Maro ny fianakaviana tsy mihinam-bary amin’ny antoandro fa vitan’ireo hanikotrana sy ny mitsakotsako eny an-dalana eny. Saika efa ahitana ny hanikotrana eny amoron-dalana eny, raha tokony ho any anatin’ny tsena no ahitana azy, araka ny mahazatra.

Hampaka-bidy

Ny vomanga aloha no mora indrindra satria ar 100 dia efa mahazo vomanga iray toko. Ny mangahazo lena kosa dia ar 200 ny iray toko, ary ny mangahazo maina dia ar 300 hatramin’ny ar 400 ny iray kilao. Inoana fa hampaka-bidy an’ireo sakafo ireo ny firotsahan’ny orana omaly teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha anaovana jery todika kosa ny lasa, dia tsikaritra tamin’ity taona 2008 ity fa tsy nandrenesana feo loatra ny hoe « kere » na tsy fisian’ny hanin-kohanina. Ny any amin’ny faritra atsimo no lasibatra amin’io isan-taona, saingy maro ny ezaka nanoherana izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fambolena apemba fotsiny. Nahitam-bokany ve anefa ireny fambolena isan-karazany ireny ? Tsy mionona amin’io tokoa mantsy ny any amorontsiraka fa saika efa mahalala ny teknika famokaram-bary sy legioma ary voly avotra samihafa.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 40  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360