::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h20  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Antsiranana

Tranom-bazaha iray no may

mardi 7 octobre 2008, par Hery A.

Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan’ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin’ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin’ny trano iray anatin’ny tanana’ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan’ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan’ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin’ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin’ny ADEMA. Voavonjy ny afo, ary toa vao mainka nampisehoan’ity vazaha ny hambom-pony ny vahoaka ka nampisehoany ny fahaizany miavonavona.

Etsy ankilany kosa dia mbola tsy tonga ny fiara famonjena hain-trano avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Efa nanolo-tanana amin’ny fanafainganana ny fahatongavan’io any Antsiranana ny praiminisitra tamin’ny fotoana nandalovany tany, saingy nambaran’ny ben’ny tanana tamin’izay fotoana izay fa vitany haingana io. Marihana anefa fa toa tsy sarotra ny mamoaka ny entana eny amin’ny ladoany satria tsy andoavana haban-tseranana ny entana tahaka itony.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 387  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360