Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Antsiranana

    Nihemotra kely aloha ny Jirama…

    samedi 9 février 2008 | Volana R. |  406 visites
    Marimaritra iraisana ! Toa izay foana no mampilamina zavatra eto Madagasikara. Tsy misy hevitra na fanapahan-kevitra hentitra enti-mitantana hatrany. Hatramin’izao aloha ary, dia tsy mieritreritra ny hanapaka ny jiro ao amin’ny kaominin’Antsiranana ny Jirama, taorian’ny fifanarahana mikasika ny trosan’ny kaominina teo aloha ka tsy voaloa. Trosa nanomboka ny taona 1998 Tany amin’ny faraparan’ny taona 2007 no niseho ny olana, ka nisian’ny fanapahana nisesisesy tao amin’ny tanàna. Mahatratra 2 miliara (...)
  • Anosibe

    Feno « lôtô » sy kodiakely

    vendredi 8 février 2008 | Hery A. |  581 visites
    Nipoitra eny Anosy ka hatreny Anosibe efa ho herinandro maro izao ny lôtô sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Ankalamanjana no sady misy loka mihitsy ny lalao. 5 na 6 eo no faritra misy ity « lôtô » ity amin’ireo toerana voalaza teo ireo. Tovolahy roa na telo no miantoka isan- databatra. Mpanao fanatanjahantena ny maro amind-ry zareo. Somary vaventiventy sy nofosana ny sasany. Velarina eo amoron’arabe ny entana manintona maso toy ny fahitalavitra, fakan-tsary, koveta, sy fitaovana somary (...)
  • Antoko Teza

    Kivy ratsy amin’ny TIM

    vendredi 8 février 2008 | Penjy R. |  653 visites
    « Nandalo ambaratongam-pifidianana maro ny teto Madagasikara, ary samy nahatsapa isika fa tsy nandeha amin’ny tokony ho izy ireo lamina sy ny tena fampiharana ny lalàna nataon’ny Governemanta ». Izany no nambaran’ny loholona, Rakotoamboha Jean Louis avy ao amin’ny Teza. « Maro ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany na eo anivon’ny kaominina izay mipaka hatrany amin’ny faritra ataon’ny antoko TIM », hoy izy. « Misy ny fanerena ny mpiasam-panjakana toy ny sefo Cisco sy ny Dren, ireny dia tokony ahitsy eo (...)
  • Raharaham-pirenena

    Nivadika i Ramino Jean

    jeudi 7 février 2008 | Penjy R. |  1721 visites
    « Mahaiza mandinika ry mpitondra fanjakana, fa efa tsy mahataitra ny maro intsony ny karazana fampisehoana ataonareo. Isan’io ny fidinanana izay atao eto, ka tsy mahazo ny antsasaky ny mpifidy, ary raha miroatra indray izy ireny, dia mifidy olon-kafa toy ny hita teto Antananarivo ireny. Ny fahoriam-bahoaka no maika avotana indrindra, satria latsaka ankaterena lalina izy io, ary saika hilatsaka aho tamin’ity fifidianana indray mitoraka ity, nefa hitako fa tsy maika io raha mitaha amin’ny (...)
  • CROUA sy ny mpianatra

    Ho faizina ny tsy manara-dalàna

    jeudi 7 février 2008 | Naivo kely |  388 visites
    Ny alatsinainy teo no niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatra sy ny CROUA. Hiarahana ny asa fanadiovana, ary tsy maintsy esorina amin’ny toerana izay olona milaza azy ho mpianatra nefa tsy ara-dalàna. Natsangana noho izany ny solontenan’ny mpianatra iray isam-paritra handrindra ny fahazoan’ny mpianatra trano fonenana, ary any amin’ny fikambananan’ny mpianatra no handinika io taratasy io. Ialana amin’ny mety hisian’ny kolikoly dia samy hanara-maso ny fomba fiasan’ireo solontena ireo ny mpianatra (...)
  • Faritra Matsiatra Ambony

    Manani-bohitra antoandro ny dahalo

    mercredi 6 février 2008 | Ramijah |  356 visites
    Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina Andoharanomaintso iny. Miraviravy tanana ny vahoaka noho ny habibiana afitsok’ireo mpandroba ireo. Nandritry iny volana janoary iny dia tanana maherin’ny folo no norobain’ny dahalo ary ny tena loza dia tsy ny omby fotsiny no alainy fa hatramin’ny fanaka ao an-trano , na ny vilany aza. Tsy mihafahafa koa izy ireo ny handatsaka ny aina. Tsy amin’ny alina intsony toy ny taloha izy ireo no mandroba sy manafika fa na mbola tolakandro (amin’ny 4 ora (...)
  • Antoko AKFM

    Fandraisana andraikitra ny tsy mifidy

    mercredi 6 février 2008 | Penjy R. |  267 visites
    « Tsy hakanosana ny tsy filatsahana ho fidiana, fa isan’ny fandraisana andraikitra ihany koa ny tsy miditra amin’ny sehatra tahaka izany. Kizo ny fanatanterahina ny fifidianana, ka tsy hiroboka amin’ny tetika maloton’ny fitondrana izahay ». Isan’ny nambaran’ny antoko AKFM ny tokony hanitsiana ny lalam-pifidianana. Io no fototry ny olana, satria nisy ny fahavoazana nihatra tamin’ny mpikambana tao amin’izany antoko izany raha nilatsaka ho fidiana nandritra ireny fifidianana nifanesy farany teo ireny (...)
  • Mpanolontsaim-paritra

    Tsy nahataitra ny maro

    mercredi 6 février 2008 | Naivo kely |  271 visites
    Nifarana omaly tamin’ny 5 ora hariva ny fametrahana ireo antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izay ho mpanolontsaim-paritra eto Madagasikara. Raha ny teto andrenivohitra manokana, dia tsy nisy afa-tsy ny kandida TIM no nanatitra izany tamin’ny ora farany. Nisy ihany koa ny kandida manalasala iray izay nokilasian’ny maro ho tsy matotra satria na ny biletany aza tsy nisy fony ity vehivahy ity nilatsaka ho ben’ny tanàna teto andrenivohitra farany teo. Toerana dimy no hiadiana raha ny eto (...)
  • Anjozorobe : Omby matin’aretina

    Voan’ny tazo ny mpandrasa hena

    mercredi 6 février 2008 | Hery A. |  340 visites
    Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia omby miisa 13 no maty vokatry ny aretina tsy fantatra tany amin’ny kaominina Ambohimirary, anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny vaovao azo dia malain-komana sy miha mahia ny omby tratry ny aretina. Mibontsina ny kibony ary miafara amin’ny fipoahana ka mahafaty ny omby. Na izany aza dia nikiry namono ny omby tratry ny aretina ny mponina sasany ka mihinana ny hena. Tsikaritra anefa fa tratry ny aretina ihany koa ny olona mandrasa ny omby marary satria misy (...)
  • Asa fanaovan-gazety

    Voahelingelina sy tratry ny ramatahora

    mardi 5 février 2008 | Ramijah |  764 visites
    Tsy navela haka sary sy nanao ny asany ireo mpanao gazety tonga nanatrika ny lozam-piarakodia izay nahafatesana tovolahy kely teo akaikin’ny «Travaux»-Besorohitra, tao Fianarantsoa ny zoma tolakandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Manamboninahitry ny tafika iray no tompon’ilay fiara nandona ka nahafaty ity tovolahy kely eo amin’ny 10 taona ity. Tsy vitan’ny hoe nandrahona ireo mpanao gazety tonga teo ity manamboninahitry ny tafika ity fa mbola nanompa ihany koa ireo mpanao gazety (...)
  • Ben’ny tanàna eto Iarivo

    Mpanao politika iza no hihaona aminy ao Paris ?

    mardi 5 février 2008 | Naivo kely |  1824 visites
    Anio no fantatra fa hiainga ho any La Frantsa ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina. Fivoahana fanindroany teto Madagasikara taorian’ny naha-lany azy hitondra ny tanàna eto an-drenivohitra, ary fanasana nataon’ny mpandraharaha any amin’io firenena iray io. Voalaza fa hisy mpitondra fanjakana ambony any Frantsa vonona ny hiara-miasa amintsika ka antony iray hiazoany any Paris izany. Raha ny fantatra dia maro amin’ireo Malagasy mpiray tanindrazana no maniry hiaona amin’ity TGV ity, ary izy (...)
  • Zandary voatifitra tany Toliary

    Enim-bolana sazy mihantona no azon’ilay voarohirohy

    lundi 4 février 2008 | Nivo T. A. |  532 visites
    Niakatra fitsarana tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo ilay raharaha fitifirana zandary tany amin’ny fokontany Ambolofoty, kaominina Betsinjaka-Toliara, ny alin’ny 26 desambra lasa teo. Miaramila iray sy sivily telo moa no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Izy ireo no tao anaty fiara P.405 izay nandeha alina ka nosakanan’ny « Jado » (vatan-dehilahy miambina tanàna amin’ny alina). Mamo moa ilay sivily nitondra fiara tamin’izay fotoana izay. Izy no nitifitra ilay zandary anisan’ireo niambina (...)
  • Teto an-drenivohitra

    Mody adala, nefa manendaka

    lundi 4 février 2008 | Hery A. |  835 visites
    Mitombo isa indray ny olona adala eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao saingy toa miova ho moderna kokoa izy ireny, hany ka mampisalasala ny hilaza ny sasany amin’izy ireny ho adala. Tao anatin’ny andro maromaro izay dia tsikaritra misy tovolahy malotoloto manenjika miditra anatin’ireny taxi-be eto an-drenivohitra ireny ka mody mitabataba sy mangataka eo. Tamin’ny faran’ny herinandro teo moa dia navelan’ny resevera nanaram-po tao anatin’ny taxi-be ity tovolahy iray. Sorena (...)
  • IMMR

    Nitsangana tamin’ny maty

    samedi 2 février 2008 | Naivo kely |  873 visites
    Aina ity, hoy Rainimanonja, ka aleo atambatra haingana ny hery. Ny tsy hisian’ny faty antoka momba ny fifidianana izay hatrehantsika atsy ho atsy no antony. Io no hita taratra amin’ireo manohana ny filoha amperin’asa nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena farany teo ireny, dia ny IMMR izany. Atambatra ny hery, ary ho jerena izay hifanarahana sy hifanohanana manoloana ny fifidianana izay ho atao atsy ho atsy, ka hifandrombonanan’ny Teza, TIM, AMF/3FM, ary ny Arema matotra. Mandady ny (...)
  • ESMGC : Oniversiten’ny vondrona ACEEM

    Hisokatra amin’ny volana martsa

    samedi 2 février 2008 | Hery A. |  431 visites
    Amin’ny faha 7 martsa izao no hiditra ireo mpiofana ho manam-pahaizana ambony ao amin’ny ESMGC (Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication) etsy Manakambahiny. Ny vondrom-panabeazana ACEEM no tompon’ity sekoly ambony ity izay fanatevenana ireo sampana isan-karazany efa misy ao aminy. Fotodrafitrasa vaovao manara-penitra no hovantanin’ireo mpianatra ka mpianatra miisa 100 hatramin’ny 120 isaky ny sampam-piofanana no ho raisina hiofana mandritra ny 3 taona avy. Itovian’ny (...)
  • CRTIM

    Tanteraka ny zava-drehetra

    samedi 2 février 2008 | Penjy R. |  458 visites
    Manomboka maka volon-tany indray ireo mpikatroka tao amin’ny antoko TIM teo aloha izay niofo ho CRTIM ankehitriny. Tanjona iray no iraisana dia ny hanamafisana orina ity fitondran’ny filoha Ravalomanana, kanefa noho ny disadisa teo amin’ny adin’ankizy dia nisara-bazana ny mpiara-mitolona. Miha-mahazo vahana ny avy amin’ny tsy miankina nandritra ny fifidianana izay niseho, ary ireny niarahana nahita ireny ny fahakiviana teto amin’ny mpifidy. Nahatsapa izany ny birao foibe teo anivon’ny antoko TIM (...)
  • Botozaza Pierrot

    DG sa depiote ?

    samedi 2 février 2008 | Naivo kely |  439 visites
    Volana telo izay no nandraisan’ireo depiote ny asa amin’ny maha-solombavam-bahoaka azy izay mahatratra 127 manerana an’i Madagasikara. Ny andraikitry ny olom-boafidy tahaka izao, dia sarahina tanteraka amin’ny asa hafa, ankoatry ny asa fampianarana, ary mazava ho azy fa nisy ireo nametram-pialana noho ny fanendrena azy ireo ho ministra. Nanaja ny fitsipika avokoa ny ankamaroan’ny depiote rehetra, kanefa mbola misy ireo mitazona ny andraikiny teo aloha toan’i DG eo anivon’ny seranatsambon’i (...)
  • Fiainam-bahoaka

    Rahoviana indray vao ho faran’ny volana ?

    vendredi 1er février 2008 | Hery A. |  599 visites
    Mafy ny nanala iny volana janoary 2008 iny! Io no tsikaritra nahazo ny mponina manana fivelomana antonontonony amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hoe lany vola tamin’ny fety fa na nanao tahiry aza dia tsy naharaka satria ny vidin-javatra mihitsy no nisondrotra, indrindra ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, tafakatra ar 350 hatramin’ny ar 400 ny iray kapoaka, ny hena moa dia zara raha hita nandritra iny volana iny izay niakatra hatramin’ny ar 6000 ny iray kilao (...)
  • Rameva, osy, omby vavy be ronono

    Biby inona izany e ?

    jeudi 31 janvier 2008 | Hery A. |  1162 visites
    Te hahita mivantana ireo karazam-biby nampidirina teto Madagasikara vao haingana ny vahoaka malagasy, saingy toa sarotra ny ahitana izany satria tsy eny amin’ny valan-javaboahary toy ny etsy Tsimbazaza no misy azy fa eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, hany ka olona voafantina ihany no afaka mahita azy. Ny rameva izay tonga vao haingana aloha no tena mahaliana, izay sambany mba nandrenesana ny fisiany eto, na dia voalaza aza fa efa misy malagasy miompy azy io eto an-toerana fa tsy fantatra (...)
  • Fiaran’ny depiote

    Nahoana no tsy « plaque rouge » ?

    jeudi 31 janvier 2008 | Naivo kely |  853 visites
    Samy gaga ny rehetra raha nandre fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana indray ny depiote vaovao etsy Tsimbazaza, na dia efa navoakan’ny filan-kevitry ny Governemanta aza fa tsy ahazo io tombontsoa iray intsony izay depiote lany eo, kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no hita. Ny mampalahelo ny depiote hafa fotsiny, dia izay tsy TIM dia mbola tsy nahazo hatramin’izao, afa-tsy depiote iray, dia i Hary Kalizy izany. Raha ny fantatra dia tsy ho fananan’ny depiote itony fiara nomena hiasany itony fa (...)

0 | ... | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660 | 680 | 700 | 720 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS