Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 07h19
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Akon’ny faran’ny taona

    Mbola nisy ny delestazy

    mercredi 2 janvier 2008 | Hery A. |  396 visites
    Fahoriana ho an’ny mponin’ny Maintirano iny herinanndro faran’ny taona 2007 iny satria nanomboka tamin’ny faha 27 desambra 2007 no tapaka ny jiro, hatramin’izao figadonan’ny taona 2008 izao. Mazava ho azy fa tsy nisy fety nahafapo tany an-toerana raha ny fetin’ny faran’ny taona no asian-dresaka. Tsy maintsy nekena na dia tsy lefitra aza, fa ny vidim-piainana koa no nanampy trotraka. Ny kojakojan’ny fety aloha dia nitobaka teny an-tsena saingy tsy nanintona loatra ny olona noho ny tsy fananana (...)
  • Antananarivo renivohitra : orambe tsy ankiato

    Vaky ny fefilohan’Andriantany

    lundi 31 décembre 2007 | Hery A. |  672 visites
    Tsy nampoizin’ny mponina teny Manarintsoa atsinanana ny nahavakisan’ny fefiloha miaro ny lakan-dranon’Andriantany tsy hiakatra. Vokatry ny orambe nandritra ny zoma alina no nahavaky ity fefiloha ity ka avy hatrany dia nisian’ny antso vonjy ranovaky. Olona miisa 112 no fantatra tamin’ny sabotsy fa traboina raha mponina miisa 353 no voakasiky ny loza mitatao. Ny sabotsy vao maraina dia namoaka izay entana azo navotana teo ny traboina sy ny manodidina ary niandry izay fanampiana. Tonga teny (...)
  • Fivadihan’ny voka-bato

    Fanovana ny lalàm-pifidianana no vaha-olana

    samedi 29 décembre 2007 | Naivo kely |  353 visites
    Saritsarim-pifidianana no miseho eto Madagasikara ka tsy mahagaga raha mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny safidim-bahoaka. Hita io nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny 3 desambra 2006, izay nandraisanay mpanohitra anjara kanefa ireny niarahana nahita ireny ny niseho. Io no nambaran’ny PDS teto amin’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Nanohitra ny fitsapan-kevi-bahoaka izahay mpanohitra ary iza no tsy nahalala fa zara raha nandray anjara (...)
  • Jeneraly Ramakavelo

    Niaiky fa nisy ny zava-bita

    vendredi 28 décembre 2007 | Penjy R. |  887 visites
    Raha nitanisa fohy ireo heverina fa nanamarika ny taona 2007 ny jeneraly Ramakavelo dia ny vidin-tsolika no tena hita nibahan-toerana tamin’izany, ary nanampy trotraka izany ny delestazy izay mbola tsy hita fiafarany hatramin’izao. Nisy zava-bita toy ny fiovan’ny endrika teto Antananarivo, ary manomboka ihany koa ny fanaovana ireo trano lehibe fandraisam-bahiny. Tokony hisy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra mba ho tena hipaka any amin’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjara (...)
  • Manandona : Famerenana ny fifidianana Kominaly

    Tsy handray anjara ny mpomba ny TIM

    vendredi 28 décembre 2007 | Princia R. |  426 visites
    Araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny fitsarana miandraikitra ny ady atao amin’ny fanjakana ny 19 desambra 2007 lasa teo dia anisan’ireo kaominina hamerenana fifidianana ny Kaominina Manandona. Manoloana izany anefa dia nanao fihetsehana ireo mpiandany amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ka nilahatra sy nitondra sora-baventy nanoloana ny biraon’ny Kaominina. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana intsony izy ireo fa toa tsy firaharahiana ny safidim-bahoaka ny didy (...)
  • Anosizato-Andrefana

    Tsy nisy nandrahona ny ben’ny tanàna

    vendredi 28 décembre 2007 | Hery A. |  345 visites
    Mbola mampisavoritaka ireo kaominina sasantsasany ny akon’ny fihantsiana nandritra ny propagandy ka zary mihitatra ho fanakorontanana mihitsy ny amin’ny faritra sasany. Ny etsy amin’ny kaominina Anosizato andrefana no nandrenesam-peo tato ho ato nanoloana indrindra iny fifidianana ben’ny tanàna iny. Mandeha ny feo fa misy mandrahona ho faty ny ben’ny tanàna vaovao ramatoa Laurence, kandida mahaleo tena. Rehefa zohina anefa ny raharaha dia vinavinan’ny mpanakorontana ihany satria nisy ny (...)
  • Hevitra

    Tsy te-hahalala hoe !...

    jeudi 27 décembre 2007 |  940 visites
    « Raha ny fomba fiteny malagasy no jerena dia hita fa henjana tokoa izany fanambaran’ny filoha Ravalomanana izany ary tsy azo ifampiraharahana mihitsy. Fa iza aloha no nanao ny tsy nety teto amin’ity firenena ity e ? Ireo Malagasy izay nampahantraina ve ? Sa ireo mpitondra vitsy an’isa nampihatra izany politikam-pitondrana ho amin’ny fampahantrana izany ? Raha izay moa no heverin’ny mpitondra ity firenena ity fa mendrika ny Malagasy dia azy izany. Tsara amintsika vahoaka kosa ny mamantatra tsara (...)
  • Antanifotsy

    Naloan’ny mponina ny TIM

    jeudi 27 décembre 2007 | Hery A. |  763 visites
    Tsy mba toy ny teto Antananarivo renivohitra no nandoavan’ny mponin’Antanifotsy ny kandida natolotry ny TIM tao amin’ny kaominina Antanifotsy, distrikan’Antanifotsy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo fa tena tsy fahafahampo amin’ny zava-bitan’ity antoko ity hatramin’ny nitantanany ny tanàna. Ela no nimenomenonana amin’ny lafiny fampandrosoana rehetra saingy iny fifidianana iny no fotoana nanehoana hevitra ka dia io niharihary io. Diso fanantenana ny antoko TIM satria nihevitra ho lany (...)
  • Toamasina : Mangarivotra

    Trano folo, kila forehitra

    mercredi 26 décembre 2007 | Gilbert R. |  395 visites
    Asa na vokatry ny kotro-baratra mafy nandalo tamin’ny renivohitr’i Besimisaraka ny alin’ny alahady faha-23 desambra lasa teo, na noho ny « délestage » mpitranga matetika eto an-toerana, fa dia tapaka nandritra ny fotoana naharitra aloha ny jiro tamin’io fotoana io. Rehefa niverina tamin’ny laoniny anefa ny herin’aratra, dia voalazan’ilay renim-pianakaviana niharam-boina, may niaraka tamin’ny zanany kely vao 3 taona monja, voatery nampidirin’ireo mpiray monina aminy hopitaly maika noho izay antony izay (...)
  • Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina

    39 no maty, maherin’ny 40 no naratra

    mercredi 26 décembre 2007 | Nivo T. A. |  493 visites
    Olona 39 no indray namoy ny ainy, maherin’ny 40 no naratra mafy: izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nitranga tamin’ny làlam-pirenena faha-13 sy faha-2 tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny loza voalohany dia niseho tany amin’ny RN13, teo amin’ny tetezam-bato atao hoe Ankarandoha, 12 km miala an’i Betroka, ny alin’ny zoma tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any. Araka ny vaovao azonay, dia fiara taxi-brousse TATA, mitondra ny laharana 1925 TS no niharan-doza, nivadika teo (...)
  • Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena

    « Tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjovana ny fianakaviana »

    mercredi 26 décembre 2007 | Nivo T. A. |  306 visites
    Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy ny fianakavam-ben’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tamin’ny sabotsy lasa teo dia niara-nankalaza izany teny Ampahibe ireo mpiara-miasa sy ny zanaky ny mpiasa ao amin’ity minisitera ity, izay notarihan’ny minisitra Manorohanta Cécile. Tamin’izany no nanambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjovana ny fianakaviana sy ny maha-olona eo anivon’ny departemanta iadidiany. Ary izany indrindra no antony (...)
  • Akon’ny Noely

    Ny fiangonana no tompon’ny fety

    mercredi 26 décembre 2007 | Hery A. |  660 visites
    Lava dia lava ny andro tsy fiasana tamin’ity andron’ny krisimasy ity ka nahafahan’ireo kristiana sy ny vahoaka nivalampatra nankalazana ny fahaterahan’ny mpamonjy, tamin’ny fomba samihafa. Raha ho an’ny fiangonana FJKM « Ziona Fahazavana » Anosibe manokana dia nanomboka tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny krismasy izay nifandimbiasan’ny sampana ao am-piangonana. Saika niravaka tantara sy antsan-kira ireo andro rehetra hatramin’ny alin’ny faha 24 desambra izay nanaovana fotoam-pivavahana manokana. (...)
  • Hery Rafalimanana

    Tanora tsy very mandeha

    vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  827 visites
    Ny fofon’ny sezan’ny Tsimbazaza sisa no mety hanentohento ao amin’ny oron’ny PDS, fa ny fony sy ny fitiavany kosa dia mitoetra ao amin’ny asa fampandrosoana an’i Antananarivo sy Madagasikara manontolo. Tanora heverina fa nametraka ny asa-tanany ho an’ny renivohitra izy izay tsy azo lavina fa nahafinaritra ny maro, kanefa ny ora faran’ny latsa-bato no nanilika azy, izay faharesena ho azy sy ny antoko nanolotra ity lehilahy ity, kanefa tsy natao ahavery fanahy fa « ny manetsa be mbola ho avy », hoy (...)
  • Kaominina Ampefy

    Ahiana hirotaka ny olona

    vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  467 visites
    « Na ampahany na manontolo ny famerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Ampefy, dia tsy manaiky ny vahoaka satria toa miendrika fanitsakitsahina ny safidim-bahoaka izay nametraka ny fitokisany 53,61% ho an’ny kandida Rakotoarimanana Patrick Olivier izao ». Io no nambaran’ireo komity mpanohana ity kandida ity omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety nilaza ny alahelony momba ny filazan’ny tribonaly administrativa fa haverina ny fifidianana ampahany any amin’io kaomnina io. Fifidianana nizotra (...)
  • Alakamisy Fenoarivo : Fandrahonana

    Nametra-pialana ny mpiasan’ny kaominina

    vendredi 21 décembre 2007 | Hery A. |  443 visites
    Nametra-pialana mialoha ireo mpiasan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo noho ny fandrahonana nahazo azy ireo tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Araka ny nambaran’ireo mpamafa làlana sy mpiandraikitra ny tsena dia norahonan’ity kandida lany ben’ny tanàna ity izy ireo ka nambarany fa « ialahy no voaroaka voalohany» Voarain’ny ben’ny tanàna vaovao nandritra ny fifamindram-pahefana natao tao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo omaly maraina ireo fametraham-pialana (...)
  • Eto an-dRenivohitra

    Mirongatra ny harom-paosy

    jeudi 20 décembre 2007 | Hery A. |  506 visites
    Efa hatramin’ny andron’ny propagandy farany teo ireny no nirongatra ny harom-paosy teto an-dRenivohitra ary hatramin’izao ankatoky ny fety izao dia mbola miahoaho eny amin’ny toerana be olona sy eny ambonin’ny taxi-be ireo mpangarom-paosy. Voamarik’ireo jiolahy ny olona raha vao mamoaka vola fotsiny ka arahany mandrampahazoany ny vola, toy ny niseho tetsy Behoririka tamin’ny talata maraina teo. Lehilahy iray mpivarotra avy any Bezaha tonga nividy entana eto an-drenivohitra no lasibatra. (...)
  • Fitsarana an’Ialy Rakotoniaina

    « Tsy rariny ny enim-bolana am-ponja »

    mercredi 19 décembre 2007 |  1075 visites
    Ankamantatra indray izao ny nandoro ny amphithéâtre tao amin'ny oniversité-n'Andrainjato Fianarantsoa ny 13 jiona 2007 teo. Nafahana daholo mantsy izy 13 mianadahy izay notanana am-ponja ny 23 jiona 2007 ka hatramin'ny 17 desambra tamin'ny 11 ora alina teo. Tsy nisy porofo nahafahana nitana azy ireo na dia iray aza. Nanaitra ny maro nandritry ny fotoam-pitsarana ny fahalalana fa zavatra tsy mitombina akory no nihazonana azy ireo tao am-ponja nandritry ny 6 volana be izao. Natao an-kamehana (...)
  • Tonga saina ny TIM

    Napetraka ny SG vaovao

    mercredi 19 décembre 2007 | Naivo kely |  1190 visites
    «Nampita hafatra ny vahoaka teto Antananarivo tamin’ny latsa-bato natao farany teo, ka sehatra maro no voakasik’io, ary isan’izany izahay teto anivon’i Tiako I Madagasikara. Handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany izahay, satria ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra». Isan’ny fanehoan-kevitra re teny Ankorondrano io omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny teo anivon’ny irao foiben’ny TIM izay notarihan’ny filohany Yvan Andriasandratriniony. Izay vao tafapetraka ihany koa ny SG-ny ity antoko ity (...)
  • Fianarantsoa

    Afaka nadiodio i Ialy Rakotoniaina sy ny namany

    mardi 18 décembre 2007 | Penjy R. |  530 visites
    Nandritra ny famoahana ny didim-pitsarana ny raharaha nahamay ny oniversite tany Fianarantsoa volana vitsy lasa izay, dia vory lanona manoloana ny lapan’ny fitsarana tany an-toerana ny mponina liana ny ahalala ny marina momba ity raharaha ity. Tsy diso anjara amin’ny raharaha tahaka izao koa anefa ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny EMMO/FAR izay miandrana ambava-basy tanteraka manoloana io fitsarana io, sao misy mihoam-pefy. Nandritra ny ora maro no niaretan’ny mponin’i (...)
  • Voka-pifidianana

    Miala any ny valifaty !

    lundi 17 décembre 2007 | Manou |  1171 visites
    Saika raikitra ny rombo tao Andranomanelatra Antsirabe II ny sabotsy teo nohon'ny valifaty an-kolaka nataon'ny ben'ny tanàna tamin'ireo tsy nahazoany vato. Nosakanan'io ben'ny tanàna vao lany io ny asa vao atomboka hanorenana ny tranom-pokontany manara-penitra nampanantenain'ny Filoham-pirenena tao an-toerana, izay tapaka fa hapetraka ao amin'ny fokontany Bemololo satria kely ny ampaham-bato azony tao! Any Antanetibe-Antohalava no hamindrana azy, hoy izy, ho fankasitrahana ny fokontany ao (...)

0 | ... | 640 | 660 | 680 | 700 | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS