Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 18h54
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Vidin-tsolika

    Tsy mahataitra intsony ny fiakarany

    vendredi 16 novembre 2007 | Penjy R. |  375 visites
    Tao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nijoroan’ny fikambanan’ny mpitantana mpanijara solika eo anivon’ny Galana omaly no nanambaran’ny filohany, Rakotozafy Martin, fa mampilaza dien’izao ry zareo fa miakatra andro aman’alina ny vidin’ny barila ny solika eran-tany ka hisy fiantraikany eto Madagasikara izany sondro-bidy izany. Tsy ny mpitantanana mpaninjara no mampiakatra izany fa ny rivotra mitsoka eran-tany. Nohamafisin’izy ireo fa 25 ar isaky ny litatra no mba vola miditra ho an’ny (...)
  • Fitafiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana

    Fitaovan’ny andian-jiolahy

    vendredi 16 novembre 2007 | Hery A. |  349 visites
    Taorian’ny resaka fanamiana mpitandro filaminana sarona teny amin’ny jiolahy, vao tsy ela akory izay dia tonga resa-be manerana ny nosy indray ity akanjona miaramila ity izay efa nalaza tany alohaloha tany. Lamaody ho an’ny zatovo izy ity saingy nihodina ho fitaovana ratsy ho an’ny jiolahy. Fitaovana nahomby tokoa satria samy natahotra na ny mponina andrenivohitra na ambanivohitra raha vao hanatonan’ireny mpitandro filaminana ireny. Maro no voasoloky satria izay moa no tena nilàna ny akanjona (...)
  • Antananarivo renivohitra : fifindra-monina

    Fitaovana politikan’ny fifidianana ?

    vendredi 16 novembre 2007 | Hery A. |  465 visites
    Mirona any amin’ny fitsikilovana arahana fitsikerana tsy mazava ny mpanao politika manoloana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Voaresaka ny isan’ny mpifindra monina ka niainga teny amin’ny fokontany Anjanahary ny loharanom-baovao mahakasika an’io. Miisa 200 eo ho eo ny mpifindra monina tato anatin’ny fotana fohy, ary tsy dia misy hafa amin’izany ny fokontany maro eto an-drenivohitra. Tonga resa-be satria heverin’ireo mpivoy ny resaka politika fa paik’adin’ny kandida (...)
  • Taratasy misokatra

    jeudi 15 novembre 2007 |  1384 visites
    Tompoko, « Ataonay fa adidinay amin’ny maha teratany gasy izay mipetraka aty Frantsa no mampahafantatra ny zava-misy aty ivelan’ny firenena. Toy izao no zava-misy tompoko : tena maro dia maro tokoa, ary tena malaza ratsy mihitsy, ireo vazaha lahy mandeha irery na miaraka tsiroaroa na telo mankany Madagasikara ary milalao ny vehivavy gasy no tena antodiany. Voalazan’ireny vazaha lahy ireny fa tena mora be tokoa ary tena manome fahafahampo be tokoa amin’izay ilainy hono ny vehivavy gasy. Tena miha (...)
  • Antsirabe Ambonivohitra

    Kandida tokana : Tahotra sa tsy fahavononana

    jeudi 15 novembre 2007 | Princia R. |  467 visites
    Taorian’ny fetra farany fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny Ben’ny tanàna sy ny filan-kevitra no nahafantarana fa tokana ny mpifaninana ho amin’ny Ben’ny tanàna eto Antsirabe dia ny atolotry ny Tiako Madagasikara, Rtoa Olga Vololonirina Ramalason ary 5 kosa ny lisitra mipetraka ho an’ny filan-kevitry ny tanàna : « Tiako i Madagasikara », Grad Iloafo, AFVA « Andry Fampandrosoana an’i Vakinankaratra » Arema, ary ny Matotra. Manontany tena ny mponin’Antsirabe fa nahoana no dia tokana ny (...)
  • Fizahan-tany ara-nofo fampandraisana anjara ny ankizy

    Ny tsy fananana mahazaka maniraka

    jeudi 15 novembre 2007 | Hery A. |  953 visites
    Tsy dia misy tarehi-marika raikitra ahafahana manao antontan’isa ho an’ny seho « fizahan-tany ara-nofo mampandray anjara ny ankizy » eto Madagasikara, fa ny fantatra dia miroborobo izy io eto amintsika. Tao anatin’ny dinidinika narahana ady hevitra niarahan’ny mpanao gazety mpikirakira ny zon’ny ankizy tamin’ny PFSCE « Plate forme de la société civile pour l’enfance », niarahana tamin’ireo « ONG Développement » avy any ivelany sy eto an-toerana no namantarana ny fototry ny faneken’ny zazavavy tsy ampy (...)
  • Zoky sy zandry

    Mifanohana ny zanak’i Dada

    jeudi 15 novembre 2007 | Naivo kely |  679 visites
    Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’i Rec TIM eto Analamanga izay nanambara fa manohana ny TIM rehetra eto Analamanga, ary amin’ny maha-ben’ny tanàna azy teo aloha teto an-dRenivohitra dia manohana an’i Hery Rafalimanana. Tsy asiana ady hevitra fa miteny ho azy ny zava-bita tao anatin’ny sivy volana izay hita fa tafapetraka ny fitohizan’asa teo amin’ireo ben’ny tanàna nifandimby. Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana, niampita tamin’i Patrick Ramiaramanana, ary io hiarahana mahita io (...)
  • Fifidianana tany Mananara

    Nitarika i Zakahely Boniface

    jeudi 15 novembre 2007 | Naivo kely |  596 visites
    Omaly hariva tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia birao fandatsaham-bato miisa 12 no voaray tany Mananara Avaratra, ka mitarika amin’isam-bato 2665 ny kandida Zakahely, ary ny TIM kosa dia manana isam-bato 722. Izany hoe misy elanelam-bato 1943 izany eo amin’ireo kandida roa heverina fa mitàna ny sain’ny mpifidy ireo. Tsy vokatra ofisialy io, fa raha eo amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina kosa indray, dia fantatra fa tsy nahafeno ny taratasy ilaina ara-panjakana ahafahana (...)
  • Toamasina : « Festival avy letchi e ! »

    Nifoha ny tontolon’ny fizahan-tany

    mercredi 14 novembre 2007 | Hery A. |  444 visites
    Nofohazin’ny «festival letchi» ny tontolon’ny fizahan-tany any amin’ny faritra atsinanana iny izay nokarakarain’ny mpikirakira fizahan-tany sy ny faritra atsinanana tamin’ny faha 9 novambra hatramin’ny faha 11 novambra teo. Na ny malagasy na ireo teratany vahiny dia nahazo ny tandrify azy. Nisongadina moa ny fampirantiana ny tontolon’ny letisia, ny fampirantiana ny tantaran’ny Toamasina sy ny sary taloha nampiavaka ity morontsiraka ity. Nisy ireo lalao isankarazany nentina nampisongadinana ny (...)
  • Atsimondrano : Vaky ny « digue » eny Ankazotoho

    Traboina sahady ny mponina

    mercredi 14 novembre 2007 | Hery A. |  598 visites
    Tandindonin’ny tondra-drano sahady Antananarivo na dia mbola tsy tena ao anatin’ny fahavaratra aza ny vanim-potoana. Ho an’ny faritra iva sy aty ampovoan-tanàna toy ny eny Ankorondrano sy ny manodidina dia efa misy ny rano mihandrona aorian’ny fiavian’ny orana isan-kariva. Taorian’ny orambe tamin’ny alahady hariva teo dia nisy sahady ny ampahana « digue » vaky eny Ankazotoho, ao anatin’ny kaominina Tanjombato,distrikan’Antananarivo atsimondrano. Traboina ny mponina amin’ny trano sasany ao amin’ity (...)
  • Vaovao tapatapany

    mercredi 14 novembre 2007 |  564 visites
    Farimbon’i Madagasikara : misy misandoka ny anaran’antoko Tsy mivadika amin’ny teny efa napetrany ny antoko « Farimbona ho an’i Madagasikara vaovao » milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha toa ka tsy misy fiovana ny lalam-pifidianana izay misy ankehitriny, ary ilaina ihany koa ny fidirana amin’ny fampiasana bileta tokana». Io no nambaran’ingahy Pierre Andrianantenaina filohan’io antoko io, « ka tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hifanohitra amin’io teny nomeny izahay », hoy (...)
  • Malagasy

    mardi 13 novembre 2007 | Penjy R. |  792 visites
    Ben’ny tanànan’Iarivo : Olom-baovao izy rehetra Tsy maro nefa tsy vitsy ihany koa ny isan’ireo kandida nila-tsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna sy ny listra mpanolon-tsaina eto Iarivo rehefa nifarana omaly ny fandrotsahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana manerana an’i Madagasikara. Enina ireo kandida ho Ben’ny tanàna izay ahitana an’i Andrianarivo Andrianasolo Jonah mitondra ny listry ny « Zaikaben’i Imerina », ny kandida Marc Ramiaranjatovo MDV, Hery Rafalimanana TIM, Andry Rajoelina TGV, Nasolo (...)
  • Famerenana fifidianana

    Tsy matahotra ny ho faty i Zakahely

    lundi 12 novembre 2007 | Naivo kely |  801 visites
    Ny sabotsy maraina teo no nanao fanambarana ny kandida Zakahely izay milatsaka any amin’ny faritry Mananara avaratra, fa tsy matahotra ny fampitahorana ataon’ny hafa fa ho samborina ny tenany. Taorian’ny fandalovan’ingahy Sylla, filohan’ny antenimieram-pirenena tany amin’io toerana io tokoa dia nandeha ny feo fa tsy afaka ny hiatrika ny fifidianana famerenana ity kandida ity satria tsy maintsy samborina mialohan’ny fotoana. « Hitondra ny feon’ny vahoaka eny Tsimbazaza no tanjoko fa tsy hamotika (...)
  • Trakita hafahafa

    Hosoram-potaka ny PDS

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  751 visites
    Tsikaritra omaly teny Mahamasina sy Ambanidia fa nisy trakita vitsivitsy naparitaka izay manome endrika ratsy ny PDS Hery Rafalimanana rano ray no voalaza ao anatiny. Nokilasiana ho toy ny fahavalom-pirenena ny asa vitan’ity PDS ity tao anatin’izay sivy volana izay, ary ny tena loza dia ny fahitana tao anatin’io taratasy namparitaka io ny fanompana vary raraka an’ingahy PDS. Fifidianana no ataontsika ny alarobia 12 Desambra, kanefa efa hita sahady ny endriky ny tsy fahazakana izay vokatra (...)
  • Delestazin’i Jirama

    Maivan-danja ny serasera

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  509 visites
    Fitaovana raitra isan-karazany no tonga eto Madagasikara izay handrafitra ny fahazoan’ny Malagasy angovo ampy mifanahaka amin’ny filan’ny mpanjifa. Ny ministry ny angovo teo aloha Patrick Ramiaramanana, dia nanambara fa ny fioatombohan’ny taona 2008 no fanamby napetrany fa hanafoanana iray manontolo ny delestazy, ary nanome fanamby fa raha tsy tanteraka io, dia vonona hizaka ny teny nomeny. Manao zavatra tsy mora, kanefa ny vola miala ampaosin’ny isan-tokantrano koa tokony ho tandrovina. Jiro (...)
  • Hery Rafalimanana : filatsahan-ko fidiana

    « Tsarao amin’ny asa efa vitako aho ! »

    mercredi 7 novembre 2007 | Hery A. |  320 visites
    Ny filoha nasionalin’ny antoko TIM atoa, Randriasandratriniony Yvan no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy an’atoa Rafalimanana Hery PDS tananan’Antananarivo amperinasa ho mpitarika ny lisitry ny kandida TIM ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra ho avy izao. Omaly no nambara tamin’ny fomba manetriketrika ity fanolorana ny kandida TIM ity ka nampatsiahivan’ny kandida Hery Rafalimanana ny zava-bitany tao anatin’ny 8 volana namindrana ny fitantanana taminy. « Tsarao amin’ny asa efa (...)
  • Vidin-tsolika eran-tany

    Aiza ny aro-riaka ho an’ny vahoaka

    mercredi 7 novembre 2007 | Naivo kely |  368 visites
    Miandry izay higadonan'ny sondro-bidy eo amin'ny barilan-tsolika mahatratra 100 dolara ny Malagasy, izay azo vinavinaina fa hampitondra ny mangidy eo amin'ny isan-tokantrano. Tsy isika eto Madagasikara ihany no mizaka izany fa maneran-tany, kanafa tsy mitovy velively ny fiatraikan'io any ivelany sy ny eto Madagasikara. Manana ny ampy eo amin'ny ho enti-manana ny firenena maro eran-tany ka tsy hampihetsika firy ny ao ambilaniny sy ny tahiriny izany, satria ambony ny mari-karama azon'ny (...)
  • PDS Hery Rafalimanana

    Hiaro sy hanohy ny zava-bitany

    mardi 6 novembre 2007 | Hery A. |  730 visites
    Volana febroary 2007 no nanomboka nandraisan’atoa Hery Rafalimanana ny fahefana teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ka nanoloany toerana an’atoa Ramiaramanana Patrick izay voatendry ho minisitra. Volana vitsy taorian’ny nandraisany ny toerana PDS dia tsinjo sahady fa afaka hanohy ny tetik’asa efa napetraky ny fitondram-panjakana ny tenany. Ankehitriny dia kandida mitarika ny lisitra ao amin’ny antoko TIM eto Antananarivo renivohitra Hery Rafalimanana. Tsy ho tanisaina ny traikefa fa (...)
  • Toliara

    Nirefotra tao amin’ny MAGRO ny grenady

    mardi 6 novembre 2007 | Hery A. |  490 visites
    Nisy olon-tsy fantatra nanipy grenady ny MAGRO ao Toliara, omaly alatsinainy maraina tamin’ny 4 ora sy sasany teo. Araka ny vaovao azo dia nipoaka ity grenady mahafaty ity ka namotika ny fitaratra rehetra amin’ny rihana ambany amin’ny tranon’ny MAGRO. Roalahy no mpiambina ity tranombarotra ity ka zandary ny iray izay voalaza fa naratra nipitihan’ny potika grenady, ny iray kosa sivily izay tsy naninona. Efa nijery ifotony ny raharaha ny mpitandro filaminana any an-toerana ka nahafantarana fa (...)
  • Andry Rajoelina

    Kandida vonona ary sahy !

    lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely |  2141 visites
    Hentitra ingahy Andry Rajoelina nanambara imason’ireo olona nasainy tetsy amin’ny Carlton Madagascar ny sabotsy lasa teo izay nilazany fa hilatsaka ho Ben’ny tanàna eto andrenivohitra ny tenany, ary Ben’ny tanàna ho sahy fa tsy sanatria ho kanosa. Tsy kandidan’ny mpanohitra na ny mpomba na ny antoko politika izy fa an’ny tanora sy ny Malagasy rehetra. « Antananarivo maoderina no tanjontsika, ary apetraka ny fanamby amin’ireo fotodrafitr’asa isan-karazany mifanentana amin’ny filan’ny vahoaka amin’ny (...)

0 | ... | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | 860 | 880 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS