Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 16h58
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Toamasina : « Festival avy letchis ê »

    Hasongadina ny kolotsaina sy fizahan-tany

    vendredi 12 octobre 2007 | Hery A. |  509 visites
    Ho tanterahina ao Toamasina amin’ny faha 9 -10 ary faha 11 novambra izao ny hetsika « Festival avy letchis ê » izay ahitana hetsika aram-panatanjehantena, kolotsaina, ekonomika, natao indrindra ho an’ny tontolon’ny fizahan-tany, manana tanjona ho amin’ny teny filamatra hoe « Fihavanana », ary ny tanjona rahateo moa dia ho fampaharetana sy hanafaingana ny fampandrosoana. Tafajoro ny komity mpikarakara ny hetsika izay ahitana ny filohany atoa Ramananjatovo Georges, mitarika ireo mpikambana izay avy (...)
  • Fanongotana an-dRazoharimihaja

    Nitombina ny voalazan’ny CRTIM

    jeudi 11 octobre 2007 | Naivo kely |  845 visites
    Na ho inona fanazavana entin'ny TIM mba hanarotsaronana ny tsy nety tao anatin'ny antoko, dia tsy takona afenina intsony ny tsy fahombiazana tao matoa novana haingana ny filoha mpitarika izay tsy nandalo teo anoloan'ny kongresy nasionaly. Antoko izay heverina ho manana ny tanjany eto amintsika no indro fa ahitana taratra ny tsy fahombiazam-pitantanana, ka tsy mahagaga raha mbola tsy naha-tafapetraka ny Sekretera nasionaly taona maro aty afara. Miha-lefy ny risim-pon'ny mpikambana amin'ny (...)
  • Antsiranana : Ady tany

    Handrava trano indray ny fanjakana

    jeudi 11 octobre 2007 | Hery A. |  537 visites
    Malaza ny ady tany any amin’ny faritra Diana iny, ka saika mibahana ny raharaha ao amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Hitoviana amin’ny faritra rehetra ny ady tany fa ity any Antsiranana ity dia miavaka satria trano efa vita baorina sy nandoavana hetra nandritra ny taona maro no voalaza fa tany manana tompony hafa indray. Tsy maintsy ravàna ny tanàna Nisy an’izany teny amin’ny oniversite ka efa nisy ny fangatahan’ny tompon’andraikitry ny oniversite ny fanesorana azy ireo. Ny sasany no efa (...)
  • Tsiroanomandidy : Halatra omby

    Mampandre ny hiaviany ny dahalo

    mardi 9 octobre 2007 | Hery A. |  759 visites
    Amin’ny alakamisy ho avy izao, amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no ho tonga hanafika ao amin’ny tanànan’ny Tsaratanàna, anatin’ny distrikan’ny Tsiroanomandidy ny dahalo mpangalatra omby. Taratasy voarain’ny mponina ao amin’ity tanàna ity, tamin’ny faran’ny herinandro teo ity mampisavoritaka saim-bahoaka ity satria efa fihantsiana ankitsirano tsotra izao, toy ny tany tsy misy fanjakana. Naverin’ny resaka politika ny halatra omby Tao anatin’ny taona vitsy dia tsy faritra mena intsony i Bongolava (...)
  • TIM ao Tolagnaro

    Mitoroka ny fanjakana ve ?

    samedi 6 octobre 2007 | Naivo kely |  614 visites
    Diso fiantefa ny fitoriana nataon’ny komity manohana ny kandida Harifidy Ramilison, izay natolotry ny TIM tao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, satria toa mitoroka ny fanjakana ho tsy nahavita ny adidiny ireto komity nirahan’ny kandida ireto, raha nihevitra fa ny kandida tsy miankina iray izay mitarika any an-toerana no hatao lasibatra. Ny tsy fahazoan’ny delegen’ny kandida taratasin-datsa-bato « PV » sy ny olana maro toa ny fanankianana ataon’ny mpanohitra ireo sefom-pokontany dia saika (...)
  • Toamasina

    Niakatra fitsarana indray i Zakahely

    vendredi 5 octobre 2007 | Hery A. |  747 visites
    Niakatra fitsarana indray ny raharaha nitorian’olona an’i Zakahely Boniface solombavam-bahoaka teo aloha, any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy iny. Raha tsiahivina aloha ny tantara dia ny nanondrahan’ity voarohirohy ity rano an’ireo mpaka sary tao amin’ny trano fandihizana iray any an-toerana. Araka ny vaovao azo dia narahana fifanjevoana izany ka namparatra ny sinoa tompon’ilay trano fandihizana. Nitory ity farany ka voasazy 30 volana any am-ponja, sazy mihatona i Zakahely. Tsy nanaiky anefa izy (...)
  • Ambohimahasoa : Dinan’ny fampianarana

    Mandoa Ar. 10.000 izay tsy mampiana-janaka

    jeudi 4 octobre 2007 | Hery A. |  551 visites
    Voasazy izay olona manan-janaka tokony hianatra, nefa tsy ampidirina an-tsekoly. Io no dina vaovao santarin’ny mponina ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa amin’izao fanombohana ny taom-pianarana 2007-2008 izao. Sandaina Ar. 10.000 tokoa izany arak’ity dina napetraka isaky ny kaominina ity. Ny antony moa dia ny hanenjehana ny tarigetran’ny MAP, dia ny hampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra. Tsy ampy ny sekoly sy ny mpampianatra Ny tena niavian’ny hevitra aloha tsy fantatra fa manomboka eo (...)
  • Ambatondrazaka

    Olona iray matin’ny haromontana

    mercredi 3 octobre 2007 | Hery A. |  604 visites
    Olona iray no fantatra fa maty noho ny haromontana avy amin’ny kaikitry ny alika, any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka any. Araka ny vaovao azo ihany dia seho efa somary niely ihany izy ity saingy toa tsy nahataitra ny tompon’andraikitra loatra raha tsy nisy ny olona maty. Arak’izany dia nandray fepetra haingana ireo tompon’andraikitra mba tsy hitomboan’ny fahafatesana ka nisy ny famonoana ireo alika mpirenireny sy tsy manana kara-baksiny. Nanomboka tamin’ny faha 2 oktobra ity fandripahana alika (...)
  • Ambohimasoa

    Hitory ny TIM ny kandida dimy

    mercredi 3 octobre 2007 | Naivo kely |  641 visites
    « Feno hosoka sy kolikoly ny latsabato natao teto aminay, ary mitaky ny hanafoanana ny vokatra sy hamerenana iny fifidianana iny ny mponina eto Ambohimasoa. Tsy azo ekena ny fanamparam-pahefana toy izao ka tsy maintsy hametraka fitoriana izahay ». Ny « Justice et Paix » miampy ireo ray aman-dreny ampiangonana, sy ny solotenan’ny kandida dimy mpifaninana amin’ny TIM any amin’io distrika io, no namosaka ny olana rehetra nandritra iny fifidianana farany teo iny. Ireto ireo karazana hosoka niseho tany (...)
  • Tsy fahatongavan’ny mpifidy

    Tsy mahay maka lesona ny fitondrana

    jeudi 27 septembre 2007 | Penjy R. |  342 visites
    Tsy nankasitrahanay « Otrikafo » ny fanatontosana ny fifidianana farany teo iny, ka nanentananay ny maro tsy handeha hifidy ny datin'ny 23 septambra teo, saingy tsy midika io fa ny antsonay no naha-maro be ny olona tsy nanefa ny adidiny ny alahady teo. Tsy manitsaka ny demokrasia ny « Otrikafo », hoy Andrianjaka Rajaonah, fa mahita ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny vahoaka. Iny fahavitsian'ny mpifidy dia azo adika fa depiote tsy manana ny hasiny no hijoro eo. Tsy mahay maka lesona (...)
  • FJKM Ambodiafontsy Maritiora : Fifidianana diakona

    Nisy ny kitranontrano hoy ny tanora kristiana

    lundi 24 septembre 2007 | Hery A. |  649 visites
    Niteraka olana eo anivon’ny samy mpivavaka ao amin’ny FJKM Ambodiafontsy Maritiora ny fizotran’ny fifidianana diakona natao tamin’ny volana martsa lasa teo satria hitan’ireo ampahan’olona mpandray ny fanasan’ny Tompo ny fisian’ny hosoka teo amin’ny fifidianana, sady namoahana avy hatrany ny vokatra, tsy nisy fitanana an-tsoratra. Nijoro vavolombelona amin’izany i ramatoa kely Rajoelison Hariniaina, sekretera tamin’ny fotoam-pifidianana sy ireo mpivavaka sasany ary ireo tanora kristiana. Efa vita (...)
  • Fifidianana

    Ahiana ny hisian’ny hala-bato hoy Ranjivason

    vendredi 21 septembre 2007 | Hery A. |  250 visites
    Na dia efa hita soritra aza ny mety ho fifandanjan’ny kandida solombavambahoaka eto Antananarivo dia samy tsy afapo ny ankamaroan’ireo kandida, indrindra fa ny kandida mpanohitra. Ny tokin’aina misy, hoy ny kandida Ranjivason, ao amin’ny boriborin-tany faharoa, fa ny hala-bato no ahiana. Araka ny feo ren’ity kandida ity dia nisy baiko nidina avy any amin’ny mpitondra fanjakana ambony any manendry ny olon’ny antoko TIM hisahana ny biraom-pifidianana ao amin’ny boriborin-tany misy azy. Nambaran’ity (...)
  • Toamasina : Fifidianana

    Misy ny mikasa hanakorontana

    mercredi 19 septembre 2007 | Hery A. |  193 visites
    Miha manakoako ny fampielezan-kevitra eny anivon’ny tanandehibe manerana ny nosy amin’izao herinandro farany hananana azy izao ka tsikaritra fa mipoitra tsikelikely amin’izay ireo kandida, ankoatry ny TIM. Misy an’izany avokoa na any Antsirabe, na any Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliary, Tolagnaro, Toamasina, ka ity farany izao no nahazoam-baovao fa misy mikasa hanakorontana ny fifidianana ao an-toerana. Maro no antony mety hisian’izany, hoy ihany ny vaovao azo, toy ny tsy (...)
  • Antsiranana : Fampielezan-kevitra

    Mpanao gazety norahonana tamin’ny basy

    mardi 18 septembre 2007 | Hery A. |  3658 visites
    Mpanao gazety amin’ny radio roa any Antsiranana no nisy nandrahona tamin’ny basy, ny alahady tolak’andro teo, raha teo am-pandefasana indrindra ny dokam-barotry ny kandida TIM any an-toerana. Nisy lehilahy roa niditra ankeriny tao amin’ny radio 102.8 FM, ka nanambana basy ny mpanao gazety sady nandrahona sy nandrara ny fandefasana ny dokam-barotry ny kandida TIM. Namaly anefa ity mpiasan’ny haino aman-jery ka nilaza fa dokam-barotra andoavam-bola io alefa io, ary ireny no mba fidiram-bolan’ny (...)
  • Nosy Comores : Olona 50 no matin’ny « Choléra »

    Ahiana hihanaka ao Mahajanga ny aretina

    samedi 15 septembre 2007 | Hery A. |  227 visites
    Hentitra ny fisavana ny hanimasaka amidy eny an-tsena sy eny amin’ny hotely, izay ataon’ny BMH ao Mahajanga noho ny fahafantarana ny fielin’ny aretina « choléra » atsy amin’ny nosy Comores izay tsy lavitra an’i Madagasikara. Fantatra mantsy, araka ny vaovao azo fa olona miisa 1000 no voan’izany any Comores ka ny 50 amin’ireo no efa maty. Ambenana ny sisin-dranomasina Arak’izany dia nampivory ny tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ny sekoly ary ny tompon’andraikitry ny seranan-tsambo ny (...)
  • Akon’ny fampielezan-kevitra

    Mbola TIM ihany i Zo Andriantsilavo

    jeudi 13 septembre 2007 | Naivo kely |  354 visites
    Tsy midongy toerana fa ny fitsipiky ny antoko no tsy maintsy arahina, ka diso, ny fihevitry ny hafa fa nitsipa-doha laka-nitana ny tenako hoy i Zo Andriatsilavo, depiote tao amin’ny firaisana teo aloha.Tetsy Madera Namontana no nilazany io omaly tolakandro, ary nanomezany tso-drano ireo rahalahiny mpiray antoko aminy ao amin’n’i TIM, mba ho tafita amin’ity fifidianana ity. Vory lanona ny vahoaka teny amin’io faritry ny boriborin-tany faha-efatra io omaly nanatrika ny fampielezan-kevitra (...)
  • Sefo fokontany

    Hahazo ny soa sy ny tsara…

    mercredi 12 septembre 2007 | Volana R. |  289 visites
    Faradoboky ny fiofanana ho an’ny sefo fokontany (SFKT) ity herinandro ity. Ny faritra Vatovavy Fitovinany, Atsimo - Andrefana, Anosy (Amboasary) ary Diana (afa tsy Antsiranana II sy Ambanja) no manana anjara amin’izany. Miisa 3064 izy ireo , amin’ity indray mitoraka ity. Sambany… « Nahita ny tsy fahitanay izahay », hoy ny SFKT Razafindrasamy Gabriel, nisolo tena ireo namany, teo amin’ny lanonam-panokafana. « Sambany tokoa izahay no nanitsaka ny Lapam-panjakana aty Iavoloha. Misy aza no izao (...)
  • Melaky : Halatr’omby

    Mpitondra fanjakana telo no tratra

    mardi 11 septembre 2007 | Hery A. |  196 visites
    Vokatry ny hetsika « Valabe » paik’ady hiadiana amin’ny halatr’omby dia saron’ny fokonolona ny dahalo miisa 10 lahy nangalatra omby miisa 75. Samy nanao ity valabe ity ny kaominina ao anatin’ny faritra Melaky, hitobian’ireo omby mba hananosarotra ny dahalo ny fangalarana omby. Ny tao amin’ny kaominina Tongodava no nahasaronan’ny fokonolona an’ireto dahalo ireto. Dahalo ambony latabatra ihany koa Araka ny vaovao azo dia anisan’ny nirotsaka an-tsehatra tamin’ity halatra omby ity ny delegem-panjakana iray (...)
  • Ranjivason Jean Théodore

    « Tsy ho ombalahy tanimanga »

    lundi 10 septembre 2007 | Volana R. |  180 visites
    « Manana fijery midadasika izahay ka hitrena raha ilaina izany. » Niarahan’ny Firaisankina ho an’i Madagasikara, Firaisana Faharoa, tamin’ny filoha nasionalin’y CRTIM, Jean Clément, filoha lefitry ny antenimieran-doholona, nanokatra ny fampielezan-kevitra, teny Ambohipo. Izy rahateo no nanolotra ireo nilatsa-kofidiana amin’iny Firaisana iny, izay tarihin-dRanjivason Jean Théodore, ministry ny Asa, Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy teo aloha. Manaraka azy ao Andrialilala Hery Germain, Andriamihaja (...)
  • Fifidianana ho depiote

    Miditra an-tsehatra ny Governemanta

    jeudi 6 septembre 2007 | Penjy R. |  174 visites
    Tsy mbola fotoanan’ny fampilezan-kevitra izao, hoy ny Praiminisitra Charles Rabemananjara omaly raha nanao fitsidihana tany Fianarantsoa izy omaly, ka tao amin’ny efitra malalaky ny Matsiatra - Ambony no nilazany izany teo imason’ireo sefom-pokontany sy olom-boafidy maro samy hafa ary ny olom-boatendry. Niainga tamin’ny fampandraisana andraikitra ny rehetra indrindra fa ny sefom-pokontany ny raharaha, ary natsidika fa mila olom-baovao ny fitantanana ny faritra mba hahay handresy lahatra ny (...)

0 | ... | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | 860 | 880 | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS