Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 13h47
 

Malagasy

TIM ao Tolagnaro

Mitoroka ny fanjakana ve ?

samedi 6 octobre 2007 |  614 visites  | Naivo kely

Diso fiantefa ny fitoriana nataon’ny komity manohana ny kandida Harifidy Ramilison, izay natolotry ny TIM tao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, satria toa mitoroka ny fanjakana ho tsy nahavita ny adidiny ireto komity nirahan’ny kandida ireto, raha nihevitra fa ny kandida tsy miankina iray izay mitarika any an-toerana no hatao lasibatra. Ny tsy fahazoan’ny delegen’ny kandida taratasin-datsa-bato « PV » sy ny olana maro toa ny fanankianana ataon’ny mpanohitra ireo sefom-pokontany dia saika voalazan’ireto olona avy any Tolagnaro ireto avokoa ary dia nihatra tamin’ny kandidan’i TIM izany. Mametraka ny fahendren’ny HCC handinika ny olana any amin’io faritra io ry zareo, ary nisy mihitsy ny nitaky ny hamerenana ny fifidianana any amin’io faritra io. Ny tsy tsapan’ireto komity niakatra teto an-drenivohitra ireto, dia tsy misy mpanohitra afaka mikarakara fifidianana fa saika ny fanjakana ihany no miandraikitra izany, izay midika avy hatrany fa tsy nahavita ny asany ireto farany, matoa niseho ny olana. Koa efa nivadika ho mpanohitra ve izany ny TIM any Tolagnaro, sa vava tsy ambina iny ka ny manaraka no tandremana ? Hatreto aloha dia samy miaro ny safidiny ny rehetra, ka miantefa any amin’ny fanjakana nikarakara ny latsa-bato ny ambara ho tsy fahombiazana rehetra. Dia ho hita eo ny tena marina fa izay voa manodidina e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS