Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 07h16
 

Malagasy

Ambatondrazaka

Olona iray matin’ny haromontana

mercredi 3 octobre 2007 |  604 visites  | Hery A.

Olona iray no fantatra fa maty noho ny haromontana avy amin’ny kaikitry ny alika, any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka any. Araka ny vaovao azo ihany dia seho efa somary niely ihany izy ity saingy toa tsy nahataitra ny tompon’andraikitra loatra raha tsy nisy ny olona maty. Arak’izany dia nandray fepetra haingana ireo tompon’andraikitra mba tsy hitomboan’ny fahafatesana ka nisy ny famonoana ireo alika mpirenireny sy tsy manana kara-baksiny.

Nanomboka tamin’ny faha 2 oktobra ity fandripahana alika any Ambatondrazaka ity ka ny lehiben’ny distrika mihitsy no hitarika ireo dokoteram-biby sy mijery ifotony ny fahasalaman’ny alika ompiana any an-trano any. Manoloana ity seho ity anefa dia misy amin’ireo mponina no tsy mahafoy ny alikany ho vonoina ka noho izany dia nandray fanapahan-kevitra ny mpitondra any an-toerana fa hatao vaksiny maimaim-poana ireny alika ireny na dia tokony handoavam-bola aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS