Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 06h22
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Mahajanga I

    Kandida mahaleotena Brunaud Tsiketa

    vendredi 7 décembre 2007 | Tsievhanta |  521 visites
    Isan'ireo kandidà mirotsaka ho fidina ho ben'ny tanàna i Brunaud Tsiketa. Teo amin'ny sehatry fanabeazana tanora no nahafantarana azy. Izy rahateo mpanabe tanora ao amin'ny « scoutisme » malagasy. Saika hita taratra teo amin'ny fanentanana isan-karazany misy tao antampon-tananànan'i Mahajanga izy, indrindra fa ao amin'ny haino aman-jery. Nirotsaka hofidina ho ben'ny tanàna izy noho ny fahatsapany, hoy izy fa mila tanora ity tanànan'i Mahajanga ity. Miisa 14 ireo soritr'asa hotanterahiny raha toa (...)
  • Vono olona tany Morombe

    Ahiana ny valifaty !

    vendredi 7 décembre 2007 | Nivo T. A. |  533 visites
    NIteraka resabe tany amin’ny distrikan’i Morombe sy Toliary ny vono olona nitranga tany Ambahikily, izay nahafaty ilay mpividy vokatra, fantatra amin’ny anarana hoe Niriko Ralay, ny 30 oktobra lasa teo. Araka ny vaovao azo avy amin’ny fianakavian’ny maty dia efa nosamborin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana ilay olona nahiana ho ati-doha nikotrika izany vono olona izany. Nentina tany amin’ny fampanoavana tany Morombe ilay voarohirohy saingy nahazo fahafahana vonjy maika. Tsy afa-po (...)
  • Hery Rafalimanana : Vakoka sy kolontsaina

    Adidin’ny ben’ny tanàna ny rova

    vendredi 7 décembre 2007 | Hery A. |  315 visites
    Taorian’ny nihaonan’ny kandida Hery Rafalimanana tamin’ny vahoaka teny Mahazoarivo omaly maraina dia nihazo ny rovan’i Manjakamiadana ny tenany sy ireo minisitra 3 mirahalahy ka nifampitafa tamin’ny zana-dRanavalona sy ny mpiasa teny an-toerana ary ny tompon’andraikitra voalohany atoa Miejamirado. Ao anatin’ny vinan’ny kandida Rafalimanana Hery voalohany ny fanatsarana ny vakoka sy kolontsaina ka anisan’ny manana antoka lehibe amin’ny fanamboarana ny rova ny kaominina, ary efa nandray anjara (...)
  • Vaovao Tapatapany

    vendredi 7 décembre 2007 |  783 visites
    Marovoay : Hifidy ny zaza tsy ampy taona ? Gaga ny mponina tao Marovoay ny alarobia teo fa misy tompon’andraikitra misahana ny fanaovana ny sora-piakohonana mitety trano mba hampanao kara-panondro ny olona feno taona. Ny nanaitra hoy ny vaovao, dia asaina manao izany na ireo mbola tsy feno taona aza ? Izay mahavita ny karatra dia asaina mifidy avokoa rehefa tonga ny datin’ny 12 desambra. Fandikana ny lalàna velona ny toy izao hoy ny olona nahita io trangan-javatra io, ary hanairany ny sain’ny (...)
  • Vohemar : fampielezan-kevitra

    Nolavin’ny TVM ny horonan-tsarin’ny TIM

    jeudi 6 décembre 2007 | Hery A. |  836 visites
    Mitaraina ireo tanora mpikambana ao amin’ny « jeune TIM » avy aty amin’ny foibe noho ny tsy nandehanann’ny horonampeo sy sary tamin’ny haino aman-jerim-panjakana any Vohemar. Nambaran’ny mpiasan’ny TVM sy RNM tany an-toerana fa very ireo horonan-tsary ka izay no antony. Taty an-drenivohitra no natao ireo horonan-tsary ka ny minisitra « coach » manerana ny faritra no ampian’ireto tanoran’ny TIM ireto. Araka ny fiheveran’ireo tanoran’ny TIM dia sivana sy sakatsakana no natao azy. Etsy andaniny kosa dia (...)
  • Hery Rafalimanana : Ambohimanarina

    Vita alohan’ny faran’ny taona ny tsena

    jeudi 6 décembre 2007 | Hery A. |  374 visites
    Natolotry ny kandida Hery Rafalimanana ny vahoaka ny programan’asany isaky ny fokontany izay nambarany moa fa fantany avokoa ny mahakasika ireo fokontany ireo. Teny Ambohimanarina ity kandidan’ny TIM ity omaly maraina ka nampanantena ny olona ny hahavitan’ny tsena alohan’ny faran’ny taona. Ny fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa no sahanin’ny kaominina hoy atoa Hery Rafalimanana ka aoka tsy ho voafitaky ny kandida hafa ny mpifidy. Tsy nisalasala nilaza ny zava-mahory azy ny mponina rehefa (...)
  • Taratasin’ny mpamaky

    « Asanao ry Iarivo... jamba sa mahiratra ? »

    mercredi 5 décembre 2007 |  2279 visites
    « Vita Ravalo. Vita Ravalo. Vita Ravalo. Raha vao i Andry TGV no lany ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra eo. Tsotra ny antony: hiaro ny fananany no vain-dohan-draharahan'i Andry TGV vao lasa maire eo izy. Toy ny nataon-dRavalo ihany izay niaro sy nanitatra ny ambaindain'ny Tiko sy Magro ary MBS vao lany Maire an'Antananarivo sy Prezidan"i Madagasikara izy. Adiny manokana tamin-dRatsiraka (adin'ny Tiko sy Procoops) manko no nanosika azy hilatsaka Maire sy Prezidà fa tsy hoe fitiavana (...)
  • Hery Rafalimanana : Fanatsarana ny tanànan’Antananarivo

    Efa vonona ny famatsiam-bola

    mercredi 5 décembre 2007 | Hery A. |  338 visites
    Miroso amin’ny fampahafantarana ireo tetik’asa mbola hotanterahina ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana ka nanambarany fa maro ny asa vita efa iaraha-mahita saingy efa mipetrapetraka koa ny famatsiam-bola hanaovana asa vaovao harahana famoronana asa ho an’ny tanora tsy an’asa eto an-drenivohitra. Teny Anosipatrana, anatin’ny boriborin-tany voalohany no nisantarana ny fampahafantarana ity famatsiam-bola efa vonona ity ka nanambaran’ny kandida fa tsy ampy ny rano fisotro eny (...)
  • ANS Ampefiloha : Sekolin’ny baolina kitra

    Hiditra anio ireo mpianatra

    mercredi 5 décembre 2007 | Hery A. |  377 visites
    Anio faha 5 desambra no miditra ny mpianatra ao amin’ny sekolin’ny baolina kitra ao amin’ny ANS « Académie de sport » ao Ampefiloha izay handraisana mpianatra 7 taona hatramin’ny 15 taona izay hiantsoan’ireo tompon’andraikitra ny ray aman-dreny eto an-drenivohitra hampiditra ny zanany ao. Tsotra ny tanjona dia ny tsy hironan’ny ankizy amin’ny zava-mahadomelina rehefa tonga eo amin’ny fahatanorany, ary ho fitaizana ara-tsaina sy ara-batana rahateo. Atoa Hery sy Kelly ary i Mika Andrianasy, kintan’ny (...)
  • Amboasary Atsimo : Doro tanety niniana natao

    Kilan’ny afo ny fasan’ny Andriana Zafindravola

    mardi 4 décembre 2007 | Hery A. |  550 visites
    Ahiana hiteraka adim-poko mihitsy ny nandoroan’olona ny tendrombohitra misy ny fasan’andriana Zafindravola ao amin’ny kaominina Ebelo, distrikan’Amboasary Atsimo. Tamin’ny tapatapaky ny volana novambra teo no nisy nandoro ity tendrombohitra ity ka nahamay ny faritra tapany andrefana manontolo, tafiditra ao ity fasan’andriana ity. Anisan’ny nahatezitra ireo taranak’ity andriana ity moa ny nahamay ity faritra ity izay efa niniana nodorana tamin’ny taona 2005 ka nanaovan’ny minisiteran’ny Rano sy Ala (...)
  • Fampielezan-kevitra : Mpamily fiarakaretsaka

    Manohana an’i Hery Rafalimanana

    mardi 4 décembre 2007 | Hery A. |  409 visites
    Nanosika ny fikambanan’ireo mpamily fiarakaretsaka eto an-drenivohitra hanohana ny kandida Rafalimanana Hery ny tsaho aelin’ny sasany mahakasika ny fanovana ny fiara entin’izy ireo. Niantso ny mpanao gazety izy ireo omaly ka nanamafy fa tsy marina izany satria efa nanome toky azy ireo ny PDS Rafalimanana fony izy teo amin’ny toerana sy hatramin’izao fa tsy hanova fiara izany. Nivondrona ireto mpamily ireto, tarihan’ny filohany, Atoa Benaivo ka manohana tsy misy fepetra an-dRafalimanana Hery ho (...)
  • Marc Ramiarinjatovo

    Tsy tambazana fety ny vahoaka

    mardi 4 décembre 2007 | Naivo kely |  390 visites
    « Ny fanatonana ifotony ny vahoaka no làlana ahafahana mifanakalo hevitra amin’ny mponina mba ahafantarana izay tena mampangetaheta ny vahoaka, ary izay no antony hanaovanay izany », hoy ny kandida Marc Raliarinjatovo. Efa mananika ny 70 ireo fokontany voatsidika nandritra ny herinandro iny, ary hita fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka. Mila fomba fiasa matotra ny fanarenana ireny faritra ireny, ka isan’io ny làlan-kely sy ny tetezana, ary ny lakandrano. Ny fanampiana ny (...)
  • Marcel Ranjeva

    « Tsy ny ben’ny tanàna no mampiakatra ny karaman’ny mpiasa »

    mardi 4 décembre 2007 | Volana R. |  837 visites
    « Betsaka ny diso hevitra amin’ny andraikitry ny ben’ny tanàna, ary misy rahateo no mampanantena kintana sy volana mba hahalany ny tenany ». Nanararaotra ny fotoana nolalovany tao amin’ny Savaravina RNM,ny alahady teo, ny « coach » Analamanga, ny jeneraly Ranjeva Marcel, hanazavany fa « Anjarany kosa anefa ny manome tontolo hahafahan’ny vahoaka mivelatra sy misitraka ny fandrosoana. Andraikiny ny mitady vahaolana mba hampandry fahalemana ny tanàna entiny, ny mandrindra ny tsena ahafahan’ny vokatra (...)
  • Hery Rafalimanana

    Nandray ny fanilo miampita

    lundi 3 décembre 2007 | Hery A. |  438 visites
    « Ny sasany vao mikasa fa izaho efa miasa » io hatrany no noventesin’ny kandida Hery Rafalimanana nandritra ny fitsidihany ireo boriborin-tany maro teto an-drenivohitra ny sabotsy lasa teo. Nanomboka teny amin’ny boriborin-tany faha 5 ny fampielezan-kevitra, avy eo nivadika teny amin’ny firaisana faha 6, nitsidika ny boriborin-tany faha 4, teny Namontana, ary namarana azy tao Antohomadinika. Natevina ny delegasiona ary nitombo isa hatrany ireo olona liana amin’ny tetik’asan’ity kandida ity. Ny (...)
  • Vaovao tapatapany

    lundi 3 décembre 2007 |  632 visites
    Herizo Razafimahaleo : Mitaky valin-dahatsoratra. Tao amin’ny radio Aceem omaly no nilazan’ingahy Herizo Razafimahaleo ny hanaovana valin-dahatsoratra tamin’ny nataon’i Moxe Ramandimbilahitra mpanolon-tsaina politikan’ny filoha Ravalomanana, izay milaza fa tokony ho Praiministra ity lehilahy ity tamin’ny taona 2002 fa tsy nety. Ny TVM, RNM ary ny MBS izay namoaka io fanambarana manokana mikasika ny tenany io no ilainy hamoahana ny tena marina, hoy ity filohan’ny Leader Fanilo ity, ka asa na (...)
  • Sekoly ambony ESMGC

    Oniversiten’ny vondrona ACEEM

    samedi 1er décembre 2007 | Hery A. |  1630 visites
    Hisokatra amin’ny fiandohan’ny taona 2008 ny sekoly ambony ESMGC « Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication » sampam-pianarana mitovy lenta amin’ny oniversite naorin’ny vondrona ACEEM etsy Manakambahiny. Tsy ny fahazoan-dàlana manangana trano no nahafahana nanangana ny sekoly fa didy navoakan’ny minisitera rehefa nahafeno ny fepetra manara-penitra. Miisa 14 no efitrano fianarana miampy efitrano lehibe iray sy ireo birao isan-karazany. Ity no sampam-pianarana faha 7 ao amin’ny (...)
  • Mahajanga

    Dr Rakotoarimanana no kandida TIM

    samedi 1er décembre 2007 | Tsievhanta |  571 visites
    Mafotaka ny fampielezan-kevitra ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Raha ho an’ny kandida avy ao amin’ny antoko TIM dia ahitana ny Docteur Rakotoarimanana Jean Nirina izay teo amin’ny sehatry fitsaboana. Amin’izao izy milatsaka ho ben’ny tanàna izao dia lehibe ao amin’ny sampan-draharaha BMH izy nandritra ny 12 taona. Dingana maro no efa nolalovany raha teo amin’ny sehatry fampandrosoana.Raha nisy mantsy ny fanadihadiana tamina olona vitsivitsy teto an-tampon-tanànan’i Mahajanga dia nilaza ny (...)
  • Fampielezan-kevitra : Rafalimanana Hery

    Mitombo hatrany ny mpanohana

    samedi 1er décembre 2007 | Hery A. |  420 visites
    Ny firaisana faha 5 indray no nanohizan’ny kandida Hery Rafalimanana ny fampilezan-keviny ka nahatsapana fa nitombo isan’andro ny mpanohana azy. Tsy ny tanora irery ihany fa efa mirotsaka an-tsehatra koa ireo olon-dehibe na dia mafana aza ny andro. Omaly dia saika ny fandraisana ny hetahetan’ireo vahoaka no nisongadina. Tsy mihambahamba manome toky azy ireny atoa Rafalimanana, ary nambarany fa tsy ampahafirin’ny asa efa vitany teto an-drenivohitra ireo nangatahan’ny mponina. Noelanelanan’ireo (...)
  • Vaovao tapatapany

    vendredi 30 novembre 2007 |  2457 visites
    Kaominina Antanifotsy : Tsy nahaloa ny volan’ny Jirama Nanome baiko ny filoham-pirenena taorian’ny nampakarana 15 % ny vidin-jiro sy rano fa tsy maintsy tapahina ny jiro sy rano eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana izay tsy nahaloa ny volan’ny Jirama. Nampihanjaka ireo mpiasam-panjakana ao Antanifotsy izany satria efa iray volana izao no nanapahan’ny Jirama ny jiro sy rano ao amin’ny kaominina sy ao amin’ny « perception principale ». Nankaiza ny volam-bahoaka? Io moa no fanontaniana mipetraka (...)
  • Fampielezan-kevitra

    Nampiseho hery ny kandida TIM

    mercredi 28 novembre 2007 | Hery A., Penjy R. |  422 visites
    Omaly maraina tontolo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana, natolotry ny antoko TIM ho mpifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanana amin’ny faha 12 desambra ho avy izao. Vory lanona tetsy amin’ny tokotanin’ny « Auditorium » etsy Ankorondrano ireo mpanohana ity kandida ity nahitana fikambanana isankarazany eto an-drenivohitra. Nanotrona an’atoa Rafalimanana teto ireo birao maharitry ny antoko TIM tarihan’ny filohany atoa Yvan (...)

0 | ... | 680 | 700 | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS