Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Ambanidia

    Maty voatifitry ny polisy i Tita

    lundi 21 janvier 2008 | Nivo T. A. |  749 visites
    Nirefotra antoandrobe indray ny basy tetsy Ambanidia, tamin’ny sabotsy lasa teo. Jiolahy iray nokarohan’ny polisy hatramin’ny ela, fantatra amin’ny anarana hoe Tita no maty voatifitra. Tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ity toe-javatra ity, teo akaikin’ny fiangonana katolika etsy Ambanidia. Tamin’ny ora izay nahabe ny mpandalo sy ny fiara nifamoivoy ka nihoron-koditra ny olona nandre ny poa-basy antoandrobe. Misy inona indray ? Iza indray no voatifitra ? Hay moa ka jiolahy mpanao (...)
  • Radio Don Bosco

    Nofoanan’ny fanjakana ny fandaharana « Karajia »

    samedi 19 janvier 2008 | Hery A., Naivo kely |  1885 visites
    Nofoanan’ny minisiteran’ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin’ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain’ny talen’ity radio tsy miankina amin’ny fanjakana ity dia tamin’ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana «Karajia» ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon’andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon’ny mpihaino izay (...)
  • Alan’ny Mikea

    Hazo sarobidy miisa 600 no nisy nitrandraka

    vendredi 18 janvier 2008 | Nivo T. A. |  457 visites
    Nahazo vahana ny fitrandrahana hazo sarobidy tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy tato ho ato. Tsy tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy ihany fa tany amin’ny Atsimon’ny Nosy ihany koa. Tamin’ny herinandro lasa teo dia hazo sarobidy antsoina hoe « vory » no tratran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny ANGAP, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andiky, tsy lavitra an’Ankililaoka. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia maty ny kamiao nitondra ireto hazo ireto, izay saika hamidy any Toliary, ka nisy (...)
  • Holafitry ny mpanao gazety

    Tsy handray anjara ny AJRP

    vendredi 18 janvier 2008 | Penjy R. |  346 visites
    Mifantoka betsaka any amin’izay hitantanana ny holafitry ny mpanao gazety ny ankamaroan’ny sain’ny maro, indrindra izay ho filohany hitondra azy mandritra ny telo taona. Rahoviana ihany koa ny tena daty marina hanatanterahina azy sy ny hikarakara izany fifidianana izany, satria maro ny mpanao gazety mitaky ny mba sehatra tsy miankina no hanomana io fifidianana io. Manoloana izany dia fantatra fa tsy handrotsaka olona ary tsy hanohana olona ho amin’izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ny (...)
  • Lehiben’ny faritra

    Atao toerana fianarana asa ve ?

    vendredi 18 janvier 2008 | Naivo kely |  385 visites
    Nandritra ny filankevitry ministry voalohany teo no nilazan’ny filoham-pirenena fa ho soloiny izay tsy mahavita azy, ary ho hita eo izay faritra tratra aoriana. Mazava ho azy fa olona tsy mahavita ve mbola hampetraka amin’ny toerany nefa ny asa ilain’ny vahoaka isaky ny faritra maika. Raha atao indray mijery io, dia toa toerana fianarana asa ny tahaka izany, satria angaha tsy fantatra amin’ny fahaizany mialoha ireny olona ireny ? Tsaroan-tsika tsara fa nisy mihitsy tany aloha tany ny (...)
  • Père Sergio

    Sorona ho fanorenana

    jeudi 17 janvier 2008 |  805 visites
    « Izahay Mompera Karma dia mino fa ny rà nalatsak’i Père Sergio, izay Mompera Mpanorina, tonga voalohany teto Madagasikara, ny Fikambanan’ny Mompera Karma, no lasa sorona ao amin’ny fototry ny fanorenana eto Madagasikara. Mitondra fanantenana indray aza iny martiry iny ankehitriny satria tsy maintsy hamokatra be koa ny voa nafafy ». Ireo no mahafehy ny lanonana fitokana niseho tao Moramanga ny sabotsy faha-12 janoary lasa teo. Nanapa-kevitra ny Mompera Karma fa hanangana trano fivavahana, mitondra (...)
  • Vaky fasana indray

    Taolam-paty miisa 75 no saron’ny zandary

    jeudi 17 janvier 2008 | Nivo T. A. |  491 visites
    Mahazo vahana ny vaky fasana any amin’ny kominina ambanivohitra Ampanefana, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Araka ny vaovao azo avy an-toerana, dia saiky efa lasibatry ny olon-dratsy avokoa ny ankamaroan’ny fasana rehetra any an-toerana. Tany aloha dia ny zavatra ampiarahana amin’ny maty no misy mandroba : lambamena, firavaka, voninkazo, fitafiana.Amin’izao fotoana izao kosa dia ny taolam-balo mihitsy no alain’ireo mpamaky fasana. Tamin’ny herinandro lasa teo dia taolam-paty miisa 75 izay milanja (...)
  • Fitoriana vaovao mahafaly

    Hiverina an-tsehatra i Klarys

    jeudi 17 janvier 2008 | Hery A. |  491 visites
    Hiverina an-tsehatra i Klarys amin’ity taona 2008 ity raha tamin’ny volana jona 2000 izy no niakatra an-tsehatra farany tao Antsahamanitra. Toriteny an-kira efa fanaony, miaraka amin’ny mozika mafana no entiny indray hitoriana ny filazantsara. Tsy nipetram-potsiny anefa izy fa niketrika raki-tsary sy raki-kira ahitana hira miisa 6 avy, ankoatry ny hira miisa 60 vita fandraisam-peo. Efa mivoaka eny amin’ny Fuji film eny Talatamaty ireto raki-kira ireto ary ahitana izany koa eny amin’ny « press (...)
  • Antohomadinika

    Polisy iray maty voatifitry ny jiolahy

    mercredi 16 janvier 2008 | Nivo T. A. |  548 visites
    Nirefotra indray ny basy, tetsy Antohomadinika, afak’omaly alina, tamin’ny 10 ora alina ho any. Notafihan’ny andian-jiolahy nirongo fiadiana ny paositry ny polisy, etsy Antsalovana-Antohomadinika. Polisy roa lahy sy sivily iray no tao amin’ny birao tamin’izay fotoana izay. Teo am-panavaovana daomy ry zalahy no niditra ireo jiolahy ary avy hatrany dia nitifitra. Bala efatra (teo amin’ny hatony, tongotra, kibony, ary sorony) no nahafaty ny polisy iray, antsoina hoe Razafimahatratra Edmond (42 (...)
  • Taxi-be

    Hampakatra saran-dalana ?

    mercredi 16 janvier 2008 | Hery A. |  470 visites
    Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin’ity fandraisana fepetra amin’ny saran-dàlana ity satria tsapan’izy ireo ny fahasahiranan’ny olona, nefa tsapan’ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakarana saran-dàlana ho avoavo kokoa ireo tompon’ny taxi-be. Vao nisy fanapahan-kevitr’izy ireo manokana mantsy amin’ny tsy fisian’ny saran-dàlana Ar. 200 intsony, saran-dàlana tapa-dàlana io. Ny zotra avy eny Anosibe aloha dia samy manana ny heviny sady ny sasany koa aza tsy mahalala io didy jadona io akory, hany ka (...)
  • Depiote Andriamaholison

    Niaiky fa tsy nahasarika tanora ny TIM

    mardi 15 janvier 2008 | Naivo kely |  678 visites
    « Maizina ny lanitra hitan’ny tanora, satria maro no tsy an’asa, ary miakatra sy tena midangana ny vidim-piainana, io no hitan’ny tanora ankehitriny ka nahatonga azy ireo hifidy TGV teto andrenivohitra ». Io no nambaran’ny depiote voafidy tao amin’ny boriborin-tany voalohany eto andrenivohitra tao amin’ny Aceem radio ny alahady teo. Tsy hitan’ny tanora ny ezaka ataon’ny fanjakana toy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola ivelany, sy ireo fotodrafitr’asa isan-karazany vita teto, fa nosaronan’ireo (...)
  • Anosibe : Fivarotam-panafody

    Norahonan’ilay manampahefana ny mpivarotra

    mardi 15 janvier 2008 | Hery A. |  646 visites
    NIteraka resa-be teo Anosibe sy ny manodidina ny nataon’ny manampahefana iray nividy fanafody tamin’ny fivarotam-panafody mpiandry raharaha tamin’ny alahady teo satria dia olona maro tokoa no nahita ny fandrahonan’ilay manampahefana ny mpiasan’ny faramasia ka nanereny azy hivarotra fanafody tsy misy taratasin’ny dokotera mitaky izany ny fivarotana ilay fanafody. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra ka namoahan’ity manampahefana karatra. Toran-kovitra ilay mpivarotra ka nanome tsy sazoka. Tsy vitan’ny (...)
  • Fanendrena sefom-pokontany

    Mbola ankivy hoy ny mpitazana

    mardi 15 janvier 2008 | Penjy R. |  408 visites
    Dia ny « prefet de police» indray izany no manendry ireo sefom-pokontany eto andrenivohitra araky ny tapaky ny filankevitry ny ministra ny zoma teo, raha nihevitra ny maro fa ny ben’ny tanàna no hanendry azy ireo. Mazava ho azy fa tsy misy olona izay heverin’ngahy ben’ny tanàna fa ahavita ny asa fampandrosoana tiany hapetraka eto izany no handray ny fitantanana, fa olona alefan’ny prefet no hitana io andraikitra io. Inona no nanova io lalana io tampoka hoy ny mpitazana ? Mbola ankivy atao amin’ny (...)
  • Fitantanana ny kaominina

    Fa nankaiza ny TGV ?

    lundi 14 janvier 2008 | Naivo kely |  2165 visites
    Mila olom-baovao tanora vonona hanarina ny tanàna eto andrenivohitra ny maro, ka dia nirohotra nanome ny vatony 63% ho an’i Andry Rajoelina na Andry TGV hoy ny maro, satria io no afaka hanao izany. Nirohotra avokoa ny ankamaroan’ny tanora rehetra, satria tanora vonona i Andry TGV izay hanome fomba fiasa vaovao eto amin’ny tanàna.Gaga anefa ny maro raha nahita ny olona hiara-hiasa amin’ity Andry TGV ity amin’izao izy lany ben’ny tanàna izao, satria toa tsy misy olom-baovao ireto manodidina azy. Serge (...)
  • Fisondrotry ny vidim-piainana

    Samy manao izay saim-pantany...

    lundi 14 janvier 2008 | Hery A. |  578 visites
    Tsy misoko mangina intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra eto an-drenivohitra fa dia efa miharihary mihitsy ka tsy misy hisafidianana intsony ny vidin-javatra. Tsy hita intsony ilay fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy no niaka-bidy. Anisan’izany aloha ny sakafo vita amin’ny ronono izay tsy hiadian-kevitra fa efa ny manan-katao sisa no mahazaka ny vidiny. Tamin’ny volana desambra teo dia niakatra hatrany amin’ny ar (...)
  • Vondron’olona any Ambatomanoina

    Sady mampiasa ody gasy no maka volabe aman’ny vahoaka

    samedi 12 janvier 2008 | Nivo T. A. |  990 visites
    Manampatra fahefana ireo andian-olona mivondrona ao amin’ny ZAMAMI any amin’ny kominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe. Milaza fa hitandro ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny vahoaka ireo andian-jatovo ireo ka manao izay danin’ny kibony. Sady hakàny vola ny vahoaka no hasainy miantoka sakafo sy vehivavy ho an-dry zalahy. Araka ny vaovao azo dia mampiasa fanafody gasy ry zalahy mba hiarovana ombin’olona hono. Mitaky karama telo tapitrisa Ariary amin’ireo olona izay mampiantrano azy. (...)
  • Polisim-pirenena

    Tsy hisy intsony ny « rappel » amin’ny karama teo aloha

    samedi 12 janvier 2008 | Nivo T. A. |  441 visites
    Amin’izao fotoana izao dia eo ambany fibaikoan’ny Contrôleur Général Talbot Alexis René Antonin ny polisim-pirenena. Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha, ny Contrôleur Général Rahaingo Jacky sy ny tenany, tamin’ny alalan’ny lanonana ara-miaramila, izay natrehan’ny fianakaviam-ben’ny polisim-pirenena. Taorian’izany famindram-pahefana izany dia tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka, ny Inspekitera Jeneraly Rasolofomanana (...)
  • Ministra Radavidson

    Ho foanana tokoa ve ny TIM fanabeazana ?

    samedi 12 janvier 2008 | Naivo kely |  416 visites
    Omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no mbola nanamafisan’ny ministry ny fanabezana sy ny fikarohana ara-tsiansa Radavidson Andriamparany Benjamin, fa aoka hipetraka ny resaka politika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana fa andeha ny fanabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora no hobanjinina. Hatreo ihany tamin’ireo kabary lava be nataony momba io no raisinay, ka hoy izahay hoe hofoanana ve izany ny TIM fanabeazana izay toa mahazo laka eo amin’ity ministera (...)
  • Filankevitra Mahajanga I

    Nandray fahefana i Tony Josoa

    samedi 12 janvier 2008 | Tsievhanta |  443 visites
    « Famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny filankevitra monisipaly teo aloha sy ny vaovao notanterahina ny Zoma 11 janoary 2008 ny famindram-pahefana teo amin’andriamatoa ABRASSE Massoud sy Andriamatoa Tony JOSOA. Ity farany dia voafidy ho filoha vaovao ny filankevitra monisipaly eto amin’ny kaominina Mahajanga. Tokony efa hisy hoy ny ben’ny tanàna vaovao ny asa 10 andro aorian’ny fametrahana izao filohan’ny filan-kevitra vaovao izao.Hisy àry ny fiofanana filan-kevitra miaraka amin’ny distrika, (...)
  • Tranom-piatohana MAMA

    Migoka ny vokatra ny mpiasa

    samedi 12 janvier 2008 | Penjy R. |  330 visites
    Miarin-doha ny tranom-piatohana MAMA, raha ny vokatra azo nandritra ny taona 2007 no asian-teny, satria niakatra 13,50% ny vola naloa tamin’ireo tram-pahavoazana raha mitaha tamin’ny taona 2006. Ny vola fiandry ihany koa dia nahitana fitombony, ary voalaza fa nitombo 85% ny vola niditra tao amin’ny MAMA ny taona 2007, ary porofon’izany ny asa mivaingana vita toy ny trano trano miisa enina izay hita any Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Manakara, Antsirabe, Anosibe, ary ny etsy Ambohimanarina. (...)

0 | ... | 600 | 620 | 640 | 660 | 680 | 700 | 720 | 740 | 760 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS