Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Malagasy

Radio Don Bosco

Nofoanan’ny fanjakana ny fandaharana « Karajia »

samedi 19 janvier 2008 | Hery A., Naivo kely

Nofoanan’ny minisiteran’ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin’ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain’ny talen’ity radio tsy miankina amin’ny fanjakana ity dia tamin’ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana « Karajia » ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon’andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon’ny mpihaino izay naneho ny heviny ka nitaona ny olona ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai no antony satria voalaza fa manohintohina ny filaminana.
Mihevitra anefa ny talen’ny radio fa resaka azo nifandaminana izany, alohan’ny fanapahan-kevitra nampiatoana ny fandaharana, koa mbola hikaroka izay marimaritra iraisana ny tompon’andraikitra.

Manazava ny ministra

Raha nanontaniana kosa Atoa Bruno Andriantavison, minisitry ny Fifandraisana, dia nilaza izy fa tsy izy mihitsy no hanapa-kevitra irery fa efa nisy ny fampahatsiahivana maromaro nalefa tany amin’ny tompon’andraikitr’io radio io.Ary efa nihaona tamin’ny lehiben’io radio io mihitsy aho nampahafantatra azy ny ahiahy ; nefa moa dia toa ireny ny fandehan’ny raharaha ka naato io fandaharana io. Nomarihin’ny minisitra moa fa raha vantany vao nahazo ilay fampiatoana ny talen’ny famoahana dia nangataka fihaonana taminy.

« Tsy nifankaiza tamin’ny tao amin’ny « Savaravina »

Omaly maraina ihany dia namory ny mpikambana ao aminy ny filohan’ny AJRP, fikambanan’ny onjam-peo tsy miankina amin’ny fanjakana eto Madagasikara, atoa Soava Andriamarotafika ka nanambara fa tsy mifanalavitra amin’ny antso an-tsariby nataon’ny mpihaino ny radiom-pirenena nandritra ny fandaharana « Savaravina » ny teny nataon’ny mpihaino tao amin’ny karajia. Atoa Manandafy no vahinin’ny RNM tamin’ny herin’ny alahady ka nisy mpihaino niangavy ity vahiny ity mba hitaona ny olona ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai. Samy fahadisoam-panantenana eo amin’ny mpitondra fanjakana no antony nipoiran’ireo feon’ny mpihaino ireo, koa nahoana no tsy tamin’izany no namoahana ny didy ?. Manoloana izany hoy ny fikambanan’ny onjam-peo tsy miankina dia miantso ny minisiteran’ny fifandraisana mba hanafoana io didy fampiatoana fandaharana io. Nambaran’izy ireo ihany koa fa fanohintohinana sahady ny asa fanaovan-gazety indray ity miseho ity.

Ny tsara marihana dia nitaiza ny vahoaka manontolo ity fandaharana « Karajia » ity indrindra ny lafiny ara-tsosialy, saingy na dia nalalaka aza ny fidirana antso an-tariby dia mba niezaka kosa ny mpiantso ny hifanaja ary dia azo lazaina fa ny naha matotra ity fandaharana ity no tsy zakan’ny fanjakana. Raha tsy izay dia tokony hiomana koa ny fandaharana « Kidaona maraina amin’ny RTA sy radio TANA » fa manao sangisangy zary tenany.

Tsy ny mpanao gazety intsony eto no teritery fa ny vahoaka mpankafy ny fandaharana mihitsy. Nefa anie ka betsaka ihany koa ny mpiantso manasohaso sy mamely mafy ny mpanohitra amin’ireny antso ireny e ! Saingy taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna dia niha mafy ny fiainana ka nitombo ireo mpanakiana ny fanjakana, hany ka tsy te hihaino intsony ry zareo...

Misy mpanararaotra

Ankolafin’ny mpihaino io fandaharan’ny RDB io kosa dia misintona ny saina amin’ny mety hahalasa ho fitaovana an’io fandaharana io ka mety nahatonga izao fanapaha-kevitra izao. Notsiahiviny tamin’izany ny « Radio des Miles Collines » tao Rwanda na dia tsy izany mihitsy aza ny votoatin’ny fandaharana « Karajia ». Saingy tsy mety ho fitaovana politika ihany koa mba hanomanana ny sain’ny olona amin’izay zava-kinendry hoy ireto an-kolafiny ireto.

Ny marina aloha dia voaelingelina ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao. Ary isan’ny voa mafy ihany koa ny mpihaino sy mpankafy ny fandaharana satria tsy afaka intsony maneho ny heviny an-kalalahana noho ny fanararaotana ataon’ny mpanao politika sasantsasany.

Raha nanontaniana moa ny minisitra ny amin’ny mety ho tohin’izao raharaha izao raha hiafara amin’ny fanakatonana mihitsy ny RDB, dia nilaza an-kolaka fa tsy ny hanakatona no tanjona fa ny fifampitaizana.

=======================
- « 13 Mai no nahazoana fahefana »

Naneho ny alahelony ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand, tamin’ny nanafoanan’ny fanjakana ny « karajia » tao amin’ny RDB nanomboka omaly. Resaka nataon’ny mpihaino izay milaza fa tokony hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mai no anton’io fanafoanana fandaharahana izay handraisan’ny mpihaino anjara mivantana amin’ny antso an-tarobia.

« Nahoana no ferana tsy hilaza izany ny vahoaka », hoy ity manam-boninahitra tao amin’ny tafika ity, « satria ny fidinana teo amin’io kianja io ihany anie no nahazoana izao fanjakana izao . Mihemotra tanteraka ny demokrasia eto amintsika », hoy izy, « ka mba aiza indray no hanehoan’ny olona ny heviny raha toa ka izay toerana mba ahafahany maneho ny heviny no foanana tahaka izao. Hanao ahoana ny hoavin’ny asa fanaovan-gazety raha toy izao foana no mitranga ? »

Momba ny fanendrena sefom-pokontany izay ataon’ny « Prefet de police » dia nanehoan’ity PDS teo aloha ity ny heviny, izay toa midika endrika sakana ho an’ny ben’ny tanàna Andry TGV. « Ny ben’ny tanàna no mahafantatra izay olona afaka hiara-miasa aminy, nefa tsy avela hanao izany izy. Teo aloha anefa dia nomena sehatra malalaka ny ben’ny tanàna teto hanendry io sefom-pokontany io.Tsy mahatoky ny heriny intsony ve ny fitondrana no manao izao », hoy ingahy Razakarimanana namarana ny resany raha nihaona fohy tamin’ny mpanao gazety omaly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS