Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 07h50
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Halatra aluminium tamin’ny fiaramanidina

    Miaramila iray naiditra am-ponja

    mercredi 30 janvier 2008 | Nivo T. A. |  653 visites
    Noravan’ity miaramila iray ny fiaramanidina kely DC3 nijanona teny amin’ny tobin’ny BANI-Ivato, tamin’ny alin’ny 18 janoary lasa teo. Ny aluminium tamin’izany fiaramanidina izany no nalainy. Araka ny vaovao azonay, dia najanony indray alina tao anatin’ilay fiaramanidina aloha ireo aluminium, izay vao nentiny nivoaka ny toby miaramila. Nisy nahatsikaritra izany halatra izany ka noraisim-potsiny ilay miaramila. Mbola sarona teny aminy ny aluminium. Nentin’ny lehibeny tany amin’ny biraon’ny (...)
  • Vono olona nahatsiravina tany Mananjary

    Olona 32 no voarohirohy

    mercredi 30 janvier 2008 | Nivo T. A. |  711 visites
    Mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ilay raharaha vono olona nahatsiravina tany Mananjary, nandritra ny Sambatra 2008, herinandro vitsy lasa izay. Fantatra, araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, fa olona 32 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny zandary izy ireo ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela. Taorian’iny trangan-javatra namoizana ain’olona efatra iny moa dia mbola tsy miverina amin’ny laoniny ny fiaraha-monina sy ny (...)
  • Hevitra

    Mampitandrina ny fikambanana « Otrikafo »

    mardi 29 janvier 2008 |  720 visites
    « Tafiditra amina kizo lalina ny fitondrana (...). Mahatsapa izany avokoa, na ny vahoaka na ny mpanao pôlitika, na ny eto an-tanindrazana na ny any am-pita, na Malagasy na Vazaha… Izy tenany koa dia mahatsapa fa tena lalina ilay kizo. May volon-tratra izy ka mikoropaka ary manjary manaonao foana. Manaonao foana dia mihalalina ny kizo (« cercle vicieux »). Mamorona sangodina mandetika azy hatrany ny fihetsika asetriny ny trangan-javatra vokatry ny ataony : Nampiditra ny firenena sy ny vahoaka (...)
  • Fiaramanidina voatery nipetraka

    Nieren-doza ireo vazaha telo tao anatiny

    mardi 29 janvier 2008 | Nivo T. A. |  844 visites
    Saika loza no nitranga tany amin’ny tanànan’Ambinany, kominina Fanambana, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar, tamin’ny marainan’ny zoma lasa teo. Tamin’ny 5 ora maraina tany ho any mantsy dia nisy fahasimbana ara-teknika teny am-panidinana teny ity fiaramanidina madinika nitondra ireto vazaha telo lahy. Voatery nipetraka teo amoron-dranomasina ity fiaramanidina kely noho izany fahasimbana izany. Mba voafehin’ilay mpanamory ihany anefa ny fidinana tsy fidiny tamin’ny tany. Tafapetraka soa aman-tsara (...)
  • Tsena Anosibe

    Fivarotana 5 indray no may

    mardi 29 janvier 2008 | Hery A. |  390 visites
    Trano fivarotana miisa 5 no may tao anatin’ny tsenan’Anosibe tamin’ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 8 ora teo ho eo ka nahamaizana ireo entana rehetra tamin’ireo fivarotana ireo. Araka ny fitantaran’AtoaRandriamparany Jean Dieudonné tompon’ny fivarotana trondromaina, niharan’ny fahavoazana dia fotoana tsy fisian’ny mpivarotra misokatra intsony izany amin’ny 8 ora alina izany, ka efa namono ny afo ny « pompier » vao nantsoina any an-tranony eny akaikin’ny làlamby ry zareo, ary entana efa kilan’ny (...)
  • Vaovao tapatapany

    mardi 29 janvier 2008 | Penjy R. |  884 visites
    Ry andriana isany, tafita ny bileta tokana Modely tsara faka tahaka ny nataon’ny zanan-dRanavalona ny alahady teo tetsy amin’ny EPP 67ha atsimo, raha nifidy izay ho filoha hitarika azy ity fikambanana ity. Kandida roa no nifaninana ka lasan’ny Solofoniaina na fantatry ny maro hoe Lolo ny fandresena izay nahazoany isam-bato 433, ary ny mpifaninana taminy kosa dia tsy nahazo afa-tsy 320. Nanjaka ny fiarahalahina sy ny fifankatiavana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary tsapa tamin’iny (...)
  • Raharaha Jules Antoine Cécilien

    Naiditra am-ponja ny vadiny

    lundi 28 janvier 2008 | Hery A. |  924 visites
    Efa mazava ny resaka mahakasika ilay namonoana ny tale iray tao amin’ny minisiteran’ny ati-tany, izay tsy hita nanomboka tamin’ny faha 10 oktobra ary tsy hita raha tsy tamin’ity faramparan’ny volana janoary ity. Ny fatiny moa sisa no hita ka araka ny vaovao azo dia ny vadin’andriamatoa tale ihany no atidoha nikotrika ny famonoana ity rangahy ity. Novonoina ho faty rangahy dia natao tao anaty gony ary nalevina. Herinandro taty aoriana vao nampandre ny manampahefana ny vadin-drangahy ary niainga (...)
  • Nahay lesona i Miarinarivo

    Mitaky ny hanaovana fampitahana PV

    samedi 26 janvier 2008 | Naivo kely |  405 visites
    Fanodikodinana ny safidim-bahoaka tsotra no miseho aty aminay tao Anosibe Ifanja sy Sarobaratra ao anatin’ny distrikan’i Miarinarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo. Ny ankamaroan’ny birao fandatsaham-bato dia nitarika ny kandida Josoa Maminiafiana, saingy rehefa tonga taty amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia lasa ny TIM indray no nandresy. Ny fikambanana « Ny hoavinao » indray no resy. Rehefa nampitahana avokoa ny vokatra teo am-pelan-tanana hatrany (...)
  • Famonoana ilay talen’ny minisiteran’ny Ati-tany

    Efa nisy ireo olona voasambotra

    samedi 26 janvier 2008 | Nivo T. A. |  720 visites
    Araka ny efa nambara tamintsika teto omaly, dia hita teny Tsaramasoandro, ao anatin’ny fokontany Ambohimahitsy no nahitana ny fatin’Atoa Cécilien Aurélien, talen’ny Fisafoana ny ati-tany teo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany, izay tsy hita nanomboka ny 10 oktobra 2007. Tao ambany fototry ny trano vao naorina moa no nanafenan’ireo olon-dratsy ny fatin’ity tale ity. Araka ny vaovao azonay, dia notapahana ny vatan’ilay lehilahy ary nataon’ireo namono azy izay nahatafiditra ny fatiny tao anaty kitapo. (...)
  • Minisiteran’ny Ati-tany

    Hita ny fatin’ilay tale very

    vendredi 25 janvier 2008 | Nivo T. A. |  456 visites
    Telo volana mahery teo ho eo izao no nikarohana ny fatin’ilay talen’ny « Inspection de l’administration territoriale », ao amin’ny Minisiteran’ny Ati-tany, antsoina hoe Cécilien Aurélien. Nanao izay ho afany ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany tamin’ny fikarohana azy, ary fantatra fa omaly no hita teny Tsaramasoandro Ambohimahitsy ny fatiny. Ry zareo teo anivon’ny polisim-pirenena moa dia tsy nahazoam-baovao firy mikasika ity fahitana ny fatin’ity tale ity. Ny hany azo antoka dia nisy namono (...)
  • Rakotovazaha Olivier

    Nihena ny fitiavan’ny vahoaka ny Mpitondra

    vendredi 25 janvier 2008 | Penjy R. |  434 visites
    Tsy mitsaha-mitombo ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ka miteraka hakiviana hoan’ny vahoaka io, ary azo hitarafana izany ny fifidianana izay natao rehetra teto, ka nahatonga ny olona hitady olon-kafa raha raisina toy teto Antananarivo renivohitra. Nihena ny fahefa-mividy ary diso fanantenana ny maro hoy ingahy Rakotovazaha Olivier mpikambana ao anaty birao politikan’ny antoko MFM, ary efa leon’ny fampanantenana lava izao izy. Mila rivo-baovao ny vahoaka, ary izay no handraisan’ny (...)
  • Alahelon’ny katolika

    Tsy hanavahana fiangonana ny lalàna, hoy ny Praiministra

    jeudi 24 janvier 2008 | Penjy R. |  367 visites
    Dia hifandroritana tanteraka ankehitriny ny momba ny nanafoanana ilay fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB andro vitsy lasa izay, izay efa nitondran’ny Arsevekan’Antananarivo ny alahelony ny nampijanonana izany. Omaly ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara dia naneho ny heviny, ka nilazany fa tsy hanavahana fiangonana ny fampiharana ny lalàna. Rehefa misy ny tokony hampiharana izany lalàna izany dia tsy maintsy atao, fa tsy sakana ho an’ny fitondrana ny hijery hoe (...)
  • Toamasina I sy II

    Mirongatra ny parasy lafrika

    mercredi 23 janvier 2008 | Gilbert R. |  747 visites
    Taorian’ny fitsidihana notarihin’ny minisitra lefitry ny fahasalamana nijery akaiky ny zava-misy manodidina ny departemanta nosahaniny, no nahatsirihana fa mirongotra izay tsy izy ny fiparihan’ny parasy lafrika anatin’ny kaomina Toamasina voalohany, indrindra ny kaomina faharoa. Tsikaritra araka ny fanadiadiana nataon’ireo delegasiona fa olona miisa 135 amin’ny 139 no idiran’izany parasy lafrika izany. Efa hatramin’ny volana desambra 2007 no nitrangan’izany tany amin’ny kaomina Mangabe sy (...)
  • Hevitra

    Fanosihosena sy jadona

    mercredi 23 janvier 2008 |  974 visites
    Tsy mijanona mampiseo herisetra amin’ny vahoaka malagasy ny fitondrana ankehitriny. Izy Fanjakana no tompon-andraikitra amin’ ireny feo mivoaka tamin’ny ny radio RDB ireny sy ny hafa koa. Satria tsy misy ny tena demokirasia eto Madagasikara nohon’ny hala-bato sy osoka isankarazany dia voatery mivoaka amin’ny fomba hafa ny hetahetam-bahoaka.Tsy mifanitsy mihitsy amin’ny zavatra mitranga ny didy jadona atao’ny fanjakana : Olona iray no « mivoaka ny vala ». Ny rehetra anefa no tampenam-bava. Tsy hery (...)
  • Ampanefena-Vohémar

    Sekoly tsy miankina iray no nisy nandoro

    mercredi 23 janvier 2008 | Nivo T. A. |  328 visites
    Tato ho ato dia nahazo vahana ny herisetra tao amin’ny kaominina Ampanefena, ao anati’nny distrikan’i Vohémar. Tamin’ny alin’ny sabotsy lasa teo dia sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana no lasibatry ny olon-dratsy. Nisy nandoro mantsy ity sekoly fanabeazana fototra ity, tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any, tao amin’ny fokontanin’i Befandriana, 3 km miala ny tampon-tanànan’Ampanefena. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vita amin’ny volotsangana ity sekoly tsy miankina « Meva » (...)
  • Raharaha CEG Ivohitra -Antsirabe

    Fanovana ny biraon’ny FRAM no vahaolana

    mercredi 23 janvier 2008 | Princia R. |  553 visites
    Miteraka resa-be ankehitriny ny raharaha ao amin’ny CEG Ivohitra Antsirabe, raha ny marina dia ny olana ara-bola ao amin’ny fitantanan’ny FRAM ary tsy fantatra be ihany izay tena filoha. Manoloana ny zava-nitranga dia nanambara ny lehiben’ny farimpiadidim-pampianarana Antsirabe I (CISCO Abe I) Atoa Rakotobe Jeannot Eric fa ny fananganana birao vaovao ara-dalàna no Vahaolana haingana amin’ity raharaha ity, Nambarany ihany koa fa ny olona rehetra manana-janaka mianatra ao amina sekoly iray dia (...)
  • Fandaharana nofohanana

    Naneho ny alahelony ny katolika

    mercredi 23 janvier 2008 | Naivo kely |  1174 visites
    Omaly no nanambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB. Nolazainy tamin’izany fa radio isan’ny mpanabe ny RDB ary isan’io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan’ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan’ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin’ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan’ny TVM azy ireo raha nanao lamesa (...)
  • Fitifirana zandary tany Betsinjaka-Toliary

    Hotsaraina anio ireo olona roa voarohirohy

    mardi 22 janvier 2008 | Nivo T. A. |  390 visites
    Hiakatra fitsarana anio ilay raharaha fitifirana zandary tany amin’ny fokontany Ambolofoty, kominina Betsinjaka, distrikan’i Toliary II, tamin’ny alin’ny 26 desambra lasa teo. Miaramila iray sy sivily iray moa no voarohirohy tamin’izao fikasana hamono olona izao. Tsiahivina fa tamin’io alin’ny 26 desambra io dia nanao « jado » (fiambenana sy fiarovana ny tanàna) ny vatan-dehilahy tao an-tanàna, izay fomba amam-panao eo anivon’ny kominina mba hisorohana ny asan-jiolahy. Araka ny dina mifehy ny «jado» (...)
  • Radio nakatona tao Toamasina

    Efa naverina ve ireo fitaovana nogiazana ?

    mardi 22 janvier 2008 | Penjy R. |  386 visites
    Fanapahan-kevitra nahafaly ny maro ny namerenan’ny ministry ny filazam-baovao Bruno Andriantavison ny hisokafan’ireo radio miisa telo nakatona taona maro lasa izay tao Toamasina. Ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna no isan’ny nanakatonana ireto radio ireto, ary tsaroan’ny rehetra tsara fa isan’ny nogiazana niaraka tamin’ny fanakatoanana ireto radio ireto ireo fitaovana tao amin’ny radio sasany tany Toamasina. Ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina AJRP dia naneho ny fahavononany (...)
  • Vaovao tapatapany

    mardi 22 janvier 2008 |  635 visites
    Fifidianana : Nahazo hery ny mpanohitra Hiatrika fifidianana indray ny firenena Malagasy ny volana marsa izao izay hanomboka amin’ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaina ny faritra. Efa voafaritra tao anatin’ny filan-kevitry ny Governemanta ny zoma lasa teo ny isan’ny olona ho fidiana isaky ny faritra ary toy izany koa ny daty hanatanterahina io fifidianana io. Ho an’ny mpanohitra dia hita ho nahazo hery izy ireo taorian’ny nahazoan’ny TGV ny fandresena teto andrenivohitra farany teo iny, saingy (...)

0 | ... | 580 | 600 | 620 | 640 | 660 | 680 | 700 | 720 | 740 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS