Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 11h30
 

Malagasy

Fandaharana nofohanana

Naneho ny alahelony ny katolika

mercredi 23 janvier 2008 | Naivo kely

Omaly no nanambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB. Nolazainy tamin’izany fa radio isan’ny mpanabe ny RDB ary isan’io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan’ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan’ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin’ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan’ny TVM azy ireo raha nanao lamesa lehibe tetsy Mahamasina ny taona lasa iny, ary mbola ny RDB no nandefa mivantana izany ho ren’ny mpino kristianina rehetra. Hisy ny fihaonamben’ny eveka rehetra eto Madagasikara ny volana febroary hoavy izao, ka mandritra izany no hamoahana izay ho fepetra raisin’izy ireo manoloana izay karazana ankivy mianjady amin’izy ireo izao.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS