Madagascar Tribune | Naneho ny alahelony ny katolika
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Malagasy

Fandaharana nofohanana

Naneho ny alahelony ny katolika

mercredi 23 janvier 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
Omaly no nanambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB. Nolazainy tamin’izany fa radio isan’ny mpanabe ny RDB ary isan’io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan’ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan’ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin’ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan’ny TVM azy ireo raha nanao lamesa lehibe tetsy Mahamasina ny taona lasa iny, ary mbola ny RDB no nandefa mivantana izany ho ren’ny mpino kristianina rehetra. Hisy ny fihaonamben’ny eveka rehetra eto Madagasikara ny volana febroary hoavy izao, ka mandritra izany no hamoahana izay ho fepetra raisin’izy ireo manoloana izay karazana ankivy mianjady amin’izy ireo izao.
   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    janvier 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30 31      
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP