::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter    Google+ Google+   ::::
Antananarivo | 22h13  :  15°C  :  Clair de lune et nuages épars
mardi 21 mai 2013
 

 > Malagasy

Alahelon’ny katolika

Tsy hanavahana fiangonana ny lalàna, hoy ny Praiministra

jeudi 24 janvier 2008, par Penjy R.

Dia hifandroritana tanteraka ankehitriny ny momba ny nanafoanana ilay fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB andro vitsy lasa izay, izay efa nitondran’ny Arsevekan’Antananarivo ny alahelony ny nampijanonana izany. Omaly ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara dia naneho ny heviny, ka nilazany fa tsy hanavahana fiangonana ny fampiharana ny lalàna. Rehefa misy ny tokony hampiharana izany lalàna izany dia tsy maintsy atao, fa tsy sakana ho an’ny fitondrana ny hijery hoe fiangoanana iza ity na iza. Noraisiny ohatra tamin’io ny tamin’ny ilay hetsika natao tamin’ingahy Pety Rakotoniaina izay naha-tafiditra tany amin’ny toeran’ny fiangonana katolika tany Fianarantsoa II, izay nandefasana mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana tamin’izany. Raha mbola misy koa ny tokony handraisana andraikitra dia tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra. Raha nanafintohana ny ray am-panahy izany dia azo resahana ny amin’io. Ny olona rehetra samy manana ny fomba fijeriny, fa raha jerena lava izao hoe ity katolika, ity Protestanta, ity FPVM, dia tsy izay ny fitondram-panjakana ankehitriny. Nisaoran’ny Praiministra ihany koa ny AJRP izay naneho ny heviny tamin’ireny fanehoan-kevitra izay nataony ireny, satria ilaina ny fanehoan-kevitra eo amin’ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity.

Ny tsy mazava mihitsy dia nahoana no fandaharana no nofoanana na koa azo lazaina hoe naato fa tsy ny onjam-peo mihitsy no nakatona e !

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Vols, Hôtels, Séjours :
Les meilleurs prix

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Nous suivre

     
Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

avril 2013   mai 2013
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 489  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP

    Faire un crédit rapide en France | Découvrez aussi : Xbox 360