Madagascar Tribune | Nandray fahefana i Tony Josoa
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Malagasy

Filankevitra Mahajanga I

Nandray fahefana i Tony Josoa

samedi 12 janvier 2008, par Tsievhanta
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
« Famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny filankevitra monisipaly teo aloha sy ny vaovao notanterahina ny Zoma 11 janoary 2008 ny famindram-pahefana teo amin’andriamatoa ABRASSE Massoud sy Andriamatoa Tony JOSOA. Ity farany dia voafidy ho filoha vaovao ny filankevitra monisipaly eto amin’ny kaominina Mahajanga. Tokony efa hisy hoy ny ben’ny tanàna vaovao ny asa 10 andro aorian’ny fametrahana izao filohan’ny filan-kevitra vaovao izao.Hisy àry ny fiofanana filan-kevitra miaraka amin’ny distrika, fanolorana amin’ireo mpanatanteraka ny rafitra avy amin’ny ben’ny tanàna ary ampandalovina any amin’ny mpanolo-tsaina.Miisa efatra ireo birao maharitra ao amin’ity filankevitra vaovao ity. Ny filoha dia Andriamatoa Tony JOSOA, filoha lefitra RANDRIAMIHAVANA avy ao amin’ny Hery Miray, mpitondra voalohany andriamatoa Veve avy ao amin’ny antoko tarihin’i JAMOKA ary ny mpitondra teny faharoa Andriamatoa Malala avy amin’ny antoko tarihin’i Badroudine.Fantatra àry fa ny 15 janoary hoavy izao no handinika ny rafitra napetraky ny ben’ny tanàna vaovao ireto mpanolotsaina vaovao ireto.Marihina fa samy avy amin’ny antoko politika samihafa ireto birao vaovao voafidy ireto raha ny antoko TIM no mibahan-toerana amin’ny isa ao amin’io filan-kevitra vaoavao io ».
   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    janvier 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30 31      
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP