Mahajanga
Dr Rakotoarimanana no kandida TIM
samedi 1er décembre 2007, par Tsievhanta
Mafotaka ny fampielezan-kevitra ao an-tampon-tanà nan’i Mahajanga. Raha ho an’ny kandida avy ao amin’ny antoko TIM dia ahitana ny Docteur Rakotoarimanana Jean Nirina izay teo amin’ny sehatry fitsaboana. Amin’izao izy milatsaka ho ben’ny tanà na izao dia lehibe ao amin’ny sampan-draharaha BMH izy nandritra ny 12 taona. Dingana maro no efa nolalovany raha teo amin’ny sehatry fampandrosoana.Raha nisy mantsy ny fanadihadiana tamina olona vitsivitsy teto an-tampon-tanà nan’i Mahajanga dia nilaza ny ankamaroan’ny olona fa mila olom-baovao ity tanà na ity. Ary izay olom-baovao tiana lazaina eto izay dia ireo mbola tsy maloto ara-politika mihitsy.