Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Malagasy

Fitsarana an’Ialy Rakotoniaina

« Tsy rariny ny enim-bolana am-ponja »

mercredi 19 décembre 2007 |  1075 visites 
Endrika ravoravo ny an-dRamatoa Ialy tafavoaka ny fonja.

Ankamantatra indray izao ny nandoro ny amphithéâtre tao amin’ny oniversité-n’Andrainjato Fianarantsoa ny 13 jiona 2007 teo. Nafahana daholo mantsy izy 13 mianadahy izay notanana am-ponja ny 23 jiona 2007 ka hatramin’ny 17 desambra tamin’ny 11 ora alina teo. Tsy nisy porofo nahafahana nitana azy ireo na dia iray aza. Nanaitra ny maro nandritry ny fotoam-pitsarana ny fahalalana fa zavatra tsy mitombina akory no nihazonana azy ireo tao am-ponja nandritry ny 6 volana be izao. Natao an-kamehana loatra ny fanadihadiana ka tsy nahitana izay marina mihitsy fa ny tsy manan-tsiny indray no nahiboka am-ponja. « Tsy rariny kosa raha dia 6 volana be izao no nitazonana azy ireo tany am-ponja nefa vesatra tsy dia mitombina no antony nitazonana azy ireo tany ». Ny sasany indray aza tonga dia nivaky hoe : « Sao dia mba ny mpanao fanadihadiana mihitsy no tokony hotorina fa tsy rariny loatra ity ! » Ranomason-kafaliana no nasetrin’ny maro ny voka-pitsarana. Lasa lamaody tsy nahy ilay sary V atao amin’ny alalan’ny rantsan-tànana izay fanaoan’ny candidat Andry TGV tao Antananarivo ho mariky ny fandresena.

« May ho azy ny amphithéâtre »

Ireo mpianatra ao Andrainjato dia mizara roa ny hevitr’izy ireo. Ao ireo milaza fa « may ho azy ity amphithéâtreity ny 13 jiona lasa teo iny ». Araky ny ambaran’ny ampahany amin’izy ireo dia efa nisy « court-circuit » indroa na in-telo hono tamin’io trano be nirehitra io ka mety ho may ho azy ilay trano satria efa antitra ihany ny fitaovana tao. Misy vitsivitsy indray milaza fa tetika nataon’ny mpitondra teto an-toerana ihany io mba hahafahana nisambotra haingana an’ingahy Pety. Rehefa voasambotra manko ity vadiny ity dia tsy maintsy hitranga ho azy izy. Ny ampitso no ahafantarana ny tena fahamarinana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS