Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h07
 

Malagasy

Soavinandriana : ady tany

Olona 1000 mahery no voaroaka

mardi 20 novembre 2007 | Hery A.

Mponina amin’ny fokontany iray manontolo , miisa 1000 eo ho eo, ao anatin’ny kaominina Ambatoasana, distrikan’ny Soavinandriana no tra-boina amin’izao fotoana izao noho ny ady tany miseho any an-toerana. Araka ny vaovao azo dia am-polo taonany no nanorenan’ireo mponina fonenana teo amin’ity tany ity, izay mirefy 735 ha, ka amin’izao fotoana izao dia misy ny olona mitonona ho tompon’ny tany. Efa ela no nandehanan’ity ady ity tany teo anivon’ny fitsarana ity ka inoana fa nanana taratasy ara-dalàna ny olona mitonona ho tompony matoa lasany ny tany. Arak’izany dia tonga ny fotoana tsy maintsy nandaozan’ireo mponina ny fonenany, ary araka ny vaovao azo ihany dia tra-boina ireo mponina satria sady tsy manana trano hisitrihana no nanary ny fambolena efa natao amin’ity tanin’olona.

Ny eo anivon’ny faritra no nanolotra vary 1,5 t ho an’ireo tra-boina miisa 1000 ireo izay fanampiana mandalo ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS