::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h58  :  14°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 2 septembre 2010
 

 > Malagasy

Trafika-na rongony mahery vaika

Maorisiana, karana, afrikana, malagasy... miisa 10 no voasambotry ny polisy

jeudi 28 juin 2007, par Nivo T. A.

Rongony mahery vaika na « héroine » avy any Maorisy no nampidirin’ireo teratany maorisiana teto Madagasikara, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisy maorisiana sy ny polisy malagasy izay misahana ny zava-mahadomelina dia voasambotra ireo vahiny nanondrana izany rongony izany sy ireo mpandray, ary ny mpiray tsikombakomba azy ireo amin’ny fivarotana ny zava-mahadomelina teto Madagasikara. 10 no isan’izy ireo ka teratany maorisiana 5, kenyana ny roa, karana mizaka zom-pirenena malagasy iray ary gasy roa no voarohirohy tamin’ity trafika-na zava-mahadomelina ity. Araka ny vaovao azonay dia nampandre ny polisy malagasy ny polisy maorisiana fa hisy teratany maorisiana lahy sy vavy mitondra « héroïne » ho avy aty Madagasikara. Efa azon’ny polisy gasy ny sarin’izy ireo, ka nony tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina-Ivato dia narahi-maso akaiky. Ny zoma lasa teo, tamin’ny 11 ora sy 55 minitra atoandro no tonga teny Ivato ny fiaramanidina AIr Mad nitondra ireto maorisiana sy lehilahy roa hafa. Nivantana tao amin’ny hotely iray etsy Tsaralalàna ny telo fa ny iray kosa teny amin’ny sakaizany teny amin’ny 67 Ha. Nitsongo dia azy ireo hatrany ny polisy, ka ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any, dia nisy teratany kenyana roa tonga tao amin’ilay Hotely tetsy Tsaralalàna, avy eo dia nifindra hotely hafa teny Tsiazotafo. Ny tolakandron’io sabotsy io ihany ary dia nifindra tao amin’ny hotely iray tetsy Analakely indray.

Rongony milanja iray kilao

Nanao ny fisavana ny trano nitoeran’ireto vahiny ireto ny polisy ka « héroïne » 800 g no tratra tao amin’ireo maorisiana telo teny amin’ny 67 Ha. Teo am-pisavana trano indray dia nisy vehivavy nandondona ny varavarana saingy nilaza ny tompon-trano fa misy polisy ka nitsoaka izy ireo. Nandositra ireo karana mivady nandondona saingy tratry ny polisy ihany avy eo. Tao amin’ireo hotely tetsy Analakely sy Tsaralalàna moa dia tsy nahitana na inona na inona, fa tao amin’ny efitra nitoeran’ireo vahiny tetsy Tsiazotafo no nahatratrarana rongony 200 g. Ilay afrikana nahitana izany dia nilaza fa tsy azy ny rongony fa an’ny anabaviny, izay voasambotra ihany koa. Nosamborin’ny polisy ihany koa ilay vehivavy tompon-trano teny amin’ny 67 Ha sy ny lehilahy iray irakirak’izy ireo.

Omaly no natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy ireo vahiny sy gasy voarohirohy tamin’ny trafika-na rongony ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

mai 2007   juin 2007   juillet 2007
L Ma Me J V S D
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 264  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360