Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 13h19
 

Malagasy

Toliara

1 no maty, maro ny naratra, nirehitra ny tanàna

samedi 28 avril 2007 | Natty

Mbola mitohy hatrany ny savorovoro ao Toliara. Araky ny vaovao voarainay avy any an-toerana omaly tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva dia mbola mitohy ny sahotaka. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany ho any no nanomboka ny korontana izay notarihan’ireo mpanao politika tany an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana. Nipoka indray ny baomba mandatsa-dranomaso. Tora-bato no setrin’izany. Noho ny hamaroan’ny olona dia tsy voafehy intsony ny fihetsiketsehana. Nisy ny naratra na ny andaniny na ny ankilany. Nanararaotra an’izany ireo sasany ka avy hatrany dia tsy nihambahamba nandroba izay mangazay rehetra nivoha. Lasibatra tamin’izany koa ny fivarotan’ireo vahiny sy ny mpiavy. Potehan’ny olona ny trano ary haparitany eny an-tokotany ny entana.

Potika arak’izany ny tanàna

Voatery nandray fepetra ny mpitandro filaminana ka niainga ny poa-basy. Ny nahagaga dia nahitana poa -basy ihany koa avy amin’ny ankilany izay ahitana ihany koa andian-jatovo mitondra lefona sy kibay izay vetivety foana dia nameno ny tanàna.Vokany, iray no maty tao Ankilifaly akaikin’ny tsena SCAMA làlana makany amin’ny Oniversité.Tsy nijanona teo anefa izany rehetra izany fa nihanaka hatrany ny fandrobana tsena. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny Orange tao Sanfil, Betania, Tsianaloka.Potika ihany koa ny tsena Bazary kely. Nisy ihany koa ireo saika handroba ny Magro raha araky ny vaovao azonay ihany saingy efa feno mpiambina io toerana io.

Tsy vitan’ny mandroba ireo olona ireo amin’izany fa mandratra ihany koa ary mandoro.Potika arak’izany ny tanàna ary ny mirehitra tsy lazaina intsony. fantatra ihany koa fa efa navelan’ny mpianatra nandeha ilay mpiasan’ny fonja natao takalon’aina ny Alarobia lasa teo, omaly maraina izy no nody izay somary reraka ihany ny fahitana azy.

Marihina fa ny tsy fisian’ny herinaratra tamin’ny faritra sasany ary ny fahatapahana amin’ny faritra sasany no niatombohan’ny fietsiketsehana nataon’ny mpianatra ny Alarobia izay niafara tamin’ny fakana an-keriny. Ny niseho omaly kosa dia tsy mpianatra intsony fa fanararaotana fotsiny ihany, izay tsy dia voahevitra ka niafara tamin’ny fahapotehana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS