Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h31
 

Malagasy

Feon’ny mpamaky

Taitra irery vao mamaky takotra

samedi 17 janvier 2009

“Miala tsiny aho re raha mba hanao tora-po kely ato amin’ity gazety iray ity. Ny antony re tompoko, dia ny fahatsapana, fa raha vao voakitika ny fananan’ingahy ben’ny tanàna, dia izay izy vao taitra amin’ny fitakiana efa nataon’iretsy mpanao politika iretsy efa hatramin’ny ela.

Tsaroanareo tsara tompoko ny fitarainana nataon’ireo mpanao politika ireo nanambara fa tsy misy fiarovana ny zon’olombelona eto, ary manjaka ny jadona. Namory vahoaka tetsy sy teroa izy ireo, saingy tsy nietsi-bolo-maso ingahy Rajoelina, ben’ny tanàna. Ankehitriny dia mampalahelo ny fihetsiny, satria taominy hiaro ny fananany ny mpanao politika sy ny mpandraharaha rehetra, ary ny sosiaity sivily. Tsaroako raha nanao hetsika tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny CONECS, moa mba niara-nifanome tanana tao ve ity ben’ny tanàna ity Midika izany fa ataony tohatra hiakarana hanokafana ny fananany ianareo mpanao politika ireo. Mahaiza mandinika tompoko, fa tsy aleo ve mitolona mangina isika mpanao politika toy izay hambaran’ny hafa fa hijapy TGV eo. Taitra irery izy ity vao mamaky takotra koh.

Dia misaotra anareo tompoko ary maniry ny hamoahanareo ity taratasy ity”.

Dadafara Tsirifaly - Ampanotokana

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS