Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h38
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Pierre Houlder sy ny Arema

    Aza gadraina Ratsiraka

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  1609 visites
    "Aleo haneho ny heviny Ratsiraka, satria manana zo feno izy amin'ny tsikera ataony izao fitondrana izao". Io no nambaran'ingahy Pierre Houlder, sekretera nasionalin'ny antoko AREMA, manoloana ny fihazakazaky ny tsikera ataon'i amiraly Ratsiraka miainga any Paris. Malagasy feno ity nitsoam-ponenana ity, ka mba avelao izy hody an-tanindrazana. Maro ireo Malagasy nitsoam-ponenana tahaka azy momba ny raharaha 2002. Misy tamin'izy ireo no maty fianakaviana teto, nefa tsy mba afaka nanatrika (...)
  • Làlana eto an-dRenivohitra

    Izay vao taitra ny kaominina

    vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely |  592 visites
    Efa ela no nitaraina ny vahoaka momba ny fahapotehan'ny làlana eto an-dRenivohitra ny vahoaka, nefa toa tsy nisy mpihaino izany. Nilatsaka ny orana, nihombo ny fahapotehana. Nitohana ny fiara vokatry izany, ary niharatsy ny endriky ny làlana tsara tarehy teo aloha. Herintaona aty aorian'ny nandraisan'ny ben'ny tanàna ny fitondrana vao hiroso tanteraka amin'ny fanamboarana izany làlana izany izy ireo. Ny alatsinainy izao no fantatra fa hanombohan'ny asa, ary heverina ho vita alohan'ny faran'ny (...)
  • Fanalefahan-tsazy ho an’ny gadra

    Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  904 visites
    Miditra an-tsehatra amin'ny fangatahana famelan-tsazy ho an'ny gadra rehetra eto Madagasikara ny mpanao politika vitsivitsy. Tsy famotsoran-keloka faobe, fa famindram-po, toy ny fanaon'ny filoham-pirenena isaky ny faran'ny taona. Tsy dia hita firy intsony izy io tao ho ao, ka izay no nahatonga ny andiana tanora niroso amin'ity hetsika ity. Taona vitsy lasa izay, dia niroso nanantona ireny fikambanana miaro ny zon'ny voafonja ireny ireto mpikambana ao amin'ny antoko politika vitsivitsy (...)
  • HOY IZY IREO

    vendredi 12 décembre 2008 |  425 visites
    Tsy miova ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara : "Na hipetraka aza ny lalàna hifehy ny antoko politika, dia mbola manahy ny maro amin'ny fihetsiky ny mpitondra amin'izao. Maro loatra ny tsy fanajana ny teny nifanomezana", hoy i Monja Roindefo, filohan'ny antoko Monima. "Nirotorotoana ny fandinihana ity lalàna ity, nefa ny lalàna mifehy ny antoko aza tsy voahaja. Tsy tokony ho atao mizana tsindran'ila ihany koa ny faritra. Ireo aloha no tokony himasoana ankehitriny mba hampirindra ny (...)
  • Finoana sy politika

    Voahilika ny sekta

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2299 visites
    Tsy olom-pirenena ve izahay fiangonana ivelan'ny FFKM ? Fanontaniana miendrika taraina no nataon'ireo fiangonana hafa ivelan'ny FFKM, raha nandre fa nantsoin'ny filoha Ravalomanana ireo fiangonana efatra lehibe eto amintsika ny talata lasa teo. Manana ny hevitra ahafahana mampandroso ny firenena izahay. Tsy ho latsa-danja amin'izay efa fanehoan-kevitra nataon'ny hery samy hafa ny anay raha eo amin'ny lafiny politika. Ny mampalahelo anefa dia toa heverin'ny sasany fa fiangonana "kely" (...)
  • Filohan’Antoko migadra

    Biby tsy misy loha tsy mandeha

    jeudi 11 décembre 2008 | Naivo kely |  780 visites
    Mahatsiaro ho kamboty ireo antoko manana ny filohany migadra amin'izao fotoana izao. Ny antony, dia maniry ny handray anjara amin'ilay fihaonana izay hametrahana ny sata hifehy ny antoko politika izy ireo, saingy tsy afaka. Ho an'ny fikambanana "Tambatra" dia fantatra ny sabotsy teo raha nisy fivoriana tao Fianarantsoa, fa maniry ny hamoahana an'i Pety Rakotoniaina izy ireo. Ny antoko hafa nandray anjara tamin'izany ady hevitra izany ihany koa dia maniry ny hampodiana ireo nitsoam-ponenana (...)
  • Masera mpisoloky

    « I Jesoa no naniraka ahy »

    mercredi 10 décembre 2008 | Crépin Randrianjafy |  2435 visites
    Teo ampanaovana ny asa ratsiny ilay masera mpisoloky no tratra. Vola mitentina Ar 100 tapitrisa no notakian’ity vehivavy milaza fa mpitsabo mpanao asa fanavotana ity, tamin'ireo olona izay nandalovany. Nandritra ny famotorana moa dia nilaza izy fa « i Jesoa no nampiditra azy tao amin'ny fianakaviamben’ny masera » Tao amin’ny fikambanan-dry Masera Franciscaine moa izy teo aloha. Ny Zanak’Andriamanitra ihany koa no mbola nolazainy ho « nanala azy tao amin’ny fikambanana ka naniraka azy hanao asa (...)
  • Mahantra ny tantsaha

    Miditra an-tsehatra ny mpanam-bola

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  1030 visites
    Ny 80% eto Madagasikara dia hambara ho tantsaha. Ny 75% ny Malagasy ihany koa anefa, dia hambara fa miaina ao anatin'ny fahantrana. Midika izany fa mahantra ireo tena mivelona ao anatin'ny fambolena, dia ireo Malagasy tena miaina any ambanivolo rehetra any. Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Eo ny olana eo amin'ny fananan-tany. Sahirana ireo tantsaha vao tena mahazo tany afaka ho volena. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitr'asa afahan'ny tantsaha tena mivelona amin'ity fambolena ity. (...)
  • Polisy tratra nanotra

    Lany daty ny tsy maty manota

    mercredi 10 décembre 2008 | Vanessa Zafimahova |  1224 visites
    Polisy iray, efa daozidaozy, no tonga tao amin’ny trano fivahiniana sy fisakafoanana iray eo ampitan’ny lapan’ny tanàna ka nilaza fa hanao “contrôle”. Tsy niala moa ireo tao fa dia navelany tsara ilay polisy hanao ny asany. Rehefa vita ny nataony dia mbola tsy nandeha ranamana fa niandriandry teo, ary notoloran’ny tompon-trano “coca”. Avy nisotro izy dia nila vaniny indray ary nilaza fa ny kaomisera santraly no naniraka azy haka vola amin’ireto tompon-trano. Gaga sy talanjona ny tompon-trano ary (...)
  • Toliara

    Misandoka ho mpandraharaha

    mercredi 10 décembre 2008 | Hasina R. |  616 visites
    Tsy kely lalana ny ratsy. Mahita hevitra hatrany ny sokajin’olona sasany entina hamitahana ny mpiara-monina aminy mba hahazoam-bola. Tsy misoratra eny amin’ny endrika tokoa ny maha olon-dratsy. Tovolahy iray, 25 taona, no malaza amin’ny fisolokiana amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny. Halatra avo lenta no ataon’i Aina (io no anarana entiny). Tovolahy fotsy fihodirana, kelikely ary mahay mandresy lahatra amin’ny famitahana olona. Ao an-tanànan’i Toliara ao izy no manao ny asa ratsiny amin’izao (...)
  • Ranon’i Mananara

    Amidy any Arabia

    mardi 9 décembre 2008 | France Rakotoarison |  1315 visites
    Fantatra izao fa ny orinasa vahiny “Aquamar” no mikasa hanondrana ny rano Malagasy any amin'ny Golfe Persique. Hotovoziny avy ao Mananara Avaratra izany rano izany. Miahiahy ihany anefa ny loholon'ny faritr'i Sofia iny, sao dia tsy mahazo tombontsoa amin'izany fanondranana rano izany iny faritra avaratry Mahajanga iny. Avy ao amin'ny distrikan'i Mandritsara, ao anatin'ny ala antsoina hoe Antsitsika, no loharano ipoiran'izany rano haondran'ny orinasa Aquamar izany. Ny minisitry ny Rano kosa (...)
  • Fanovana rafi-pampianarana

    Mbola maro no tsy resy lahatra

    mardi 9 décembre 2008 | Lucia Ratsimbazafy |  374 visites
    Anisan’ny zavatra iray mampisavororvoro ny saim-bahoaka malagasy ny fametrahana ny fanavaozam-pampianarana. Maro ny mametra-panontaniana momba izany. Ny tsy fandalinana na ny tsy fahafantarana izay mety tena ho antony ifotoran’ity fanavaozana ity no mahatonga izany fisalasalana izany. Tsy vitsy ireo manakiana be fahatany fotsiny, mihevitra fa mitovy tamin’ny fanagasiana izay nampiharina tamin’ny taona 1972 indray no averina ankehitriny. Diso tanteraka anefa izany fiheverana izany satria tsy ny (...)
  • Tontolon’ny asam-panjakana

    Miala any ny rivotry ny fanadiovana

    mardi 9 décembre 2008 | Hasina R. |  552 visites
    Tokony hampiditra fonksionera vaovao ny fanjakana. Vinavinaina ho ny antsasaky ny foksionera amin’izao fotoana izao no hisotro ronono afaka 4 taona. Efa hanomboka ny fanadihadiana hataon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana mba hahafahana mandanjalanja ny isan’ny fonksionera. Antony maro no mampihisatra ny fanaovan-draharaha any amin’ny biraom-panjakana, fa ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny havesatry ny dingana tsy maintsy lalovana amin’ny fikarakarana taratasy sy ny kalitaon’ny fomba fiasa. Efa (...)
  • Satan’ny antoko politika

    Tsy manaiky ho gisitra ny AVI

    mardi 9 décembre 2008 | Penjy R. |  448 visites
    Vonona ny tolo-kevitra amin'ny sata hifehy ny antoko politika ho aroson'ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). Efa ela no niandrasana izany ka handray anjara amin'ny ady hevitra kasain'ny fitondrana ho atao ity antoko tarihan'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity. Hatramin'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena dia tsy mbola nisy fitondrana nana-kevitra tena hametraka ny antoko mpanohitra amin'ny toerana hisy azy. Tsy nahita sehatra malalaka sy ara-pomba demokratika nahafahana (...)
  • Fihaonamben’ny mpanao politika

    Handray anjara ny hery rehetra

    mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely |  400 visites
    Ny 17 desambra izao no hanaovana ilay fihaonamben'ny antoko politika rehetra eto Madagasikara. Fanambaran'ny filoha Ravalomanana tany Nosy -be io omaly. Handray anjara amin'io avokoa ny antoko rehetra. Nantsoina ihany koa ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Fiangonana, satria raharaham-pirenena no atao. Izay tsy afaka ny hanatrika izany, dia azo atao an-tsoratra ny soso-kevitra ka apetraka eny anivoan'ny Mediatiora izany. "Sahia mifanatrika ka asakasakareo tsy handray anjara amin'io", hoy ny (...)
  • Hery Rafalimanana

    Tsy lavo fa potraka

    lundi 8 décembre 2008 | Penjy R. |  1968 visites
    Herintaona izay no naharesy ahy teo amin'ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran'ingahy Hery Rafalimanana tao amin'ny Aceem Radio ny faran'ny herinandro teo. Nilaza izy tamin'izany fa adinon'ny TIM tanteraka ny tenany taorian'iny fifidianana ho Ben'ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon'ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin'ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben'ny tanàna. (...)
  • Lalàna hifehy ny antoko politika

    « Aza ampiesonina ny vahoaka » hoy i Tabera

    lundi 8 décembre 2008 | Naivo kely |  710 visites
    Tsy maika io sata hifehy ny antoko politika io, raha tsy miroso amin'ny fampihavanam-pirenena isika. Ny antony, dia ny filoha mpitarika antoko maro no migadra any am-ponja amin'izao fotoana izao. Lalàna inona no ho vita amin'izany ? Ny CRN dia efa nanambara fa resaka fandaniana andro fotsiny io. Misy antony manery an-dRavalomanana tsy maintsy hanao io hoy ihany ingahy Tabera Andriamanantsoa izay isan'ny mpikambana mavitrika ao amin'ity CRN tarihan'i Profesora Zafy Albert ity. Hiezaka (...)
  • Loholona Moxe Ramandimbilahitra

    Tsy mila fikaonandoham-pirenena

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  787 visites
    Efa ela no niandrasana ny sata handrafitra ny antoko politika eto Madagasikara. Tonga ity ny fotoana, hiarahan'ny antoko rehetra midinika. Efa nisy ny volavola sata nataon'ny sehatra tsy miankina niaraka tamin'ny mpamatsy vola teny Maibahoaka Ivato sy tetsy amin'ny Hilton tamin'izany. Tsy hita fiafarana anefa ireny. Ankehitriny hantenaina fa mbola azo atao tsara ny miainga amin'ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'izany, satria zava-dehibe ny tapaka nandritra ireo fivoriana roa ireo. Isan'ny (...)
  • Fianarantsoa : Fahasalamana

    Olona 16 vita fandidina momba ny taolana

    mercredi 3 décembre 2008 | RAW |  550 visites
    Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nisy hetsika nataon’ny mpitsabo tao amin’ny Foibe Dioseza momba ny Fahasalamana (CDS) tao Ambatomena Fianarantsoa. Nifarimbona tamin’izany hetsika izany ireo mpandidy sy manampahaizana isan-tsokajiny avy any Italia sy avy ao Antsirabe. Olona 16 no natao fandidina momba ny taolana tao anatin’izany hetsika izany. Amin’ny tapaky ny volana desambra izao no tohiny, hizahana ny fivoatry ny fitsaboana natao tamin’ireo marary. Efa tamin’ny taona 2005 no nitsangana ity (...)
  • Lalana hifehy ny antoko politika

    Be ny miandry fampiavanam-pirenena

    lundi 1er décembre 2008 | Penjy R. |  1192 visites
    Lalana hifehy ny antoko politika Be ny miandry fampiavanam-pirenena Tonga ilay nandrasana. Hiroso amin'ny sata hifehy ny antoko politika isika eto Madagasikara. Ny fanjakana no hitarika izany, ary handray anjara avokoa ireo hambara fa antoko politika mahatratra 187 eto Madagasikara. Tsy hisy ho tapenam-bava na dia iray aza; ny hevitra no ataovy mafonja, fa izay no lalana afahana mametraka izay tian-kajoro. Ny mitovy firehana dia efa afaka manambatra ny hery, ary ireo izay mihevitra fa (...)

0 | ... | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS