Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 00h56
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Taratasin’ny mpamaky

    Ho an’ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana FJKM

    vendredi 17 octobre 2008 |  1724 visites
    Tompoko, Mbola nikasa ny hangina ihany ny tenako izay manoratra, manoloana ny korontana fantatro fa mitranga ao amin’ny fiangonana FJKM Anosipatrana, izay fiangonana nibeazako, nitaiza ny fahazazako sy ny hatanorako, ary nitaizako ankizy sy tanora ihany koa. Kanefa matoa mitsikafona eran’ny gazety marobe izany, nanomboka tao amin’ny TRIBUNE, 13/10/2008 ary nitohy tamina gazety samihafa koa ny 14/10/2008, dia efa mihoatra ny fefiloha toy ny tondra-drano ny raharaha, ka tsy haiko (...)
  • Anosipatrana FJKM

    « Tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy rariny izahay vahoakan’Andriamanitra »

    jeudi 16 octobre 2008 |  890 visites
    Ny tsara ho fantatra momba ny tsy rariny ato « Heverina fa mety ny maneho an-gazety ny zava-misy marina momba ny raharaha ao amin'ny fiangonana Anosipatrana FJKM ankehitriny. Voatery mivoaka an-gazety mantsy izany raharaha izany satria tsy zakan'ny fiangonana intsony ny amboletra tsy ara-dàlana ataon'ireo mpitandrina biraon'ny SPAA 10 miray tsikombakomba amina olom-bitsy eto amin'ny fiangonana. Nokobonina tato anatiny tato ihany ny raharaha nandritra ny 10 volana, saingy rehefa namono sofina (...)
  • Andrimasom-pokonolona

    Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

    mercredi 15 octobre 2008 | Penjy R. |  615 visites
    Mitombo andro aman'alina ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mihorohoro ny ankamaroan'ny mponina raha vao manomboka maizina ny andro. Tsy misy azo hitokisana intsony, fa na ny fianankaviana akaiky aza mivadika rehefa tojo ny saina ratsy ny lohany. Ny mpitandro ny filaminana, dia misy ny miray tsikombakomba amin'ny ratsy, ka tsy vitsy no efa tafiditra am-ponja amin'izao fotoana izao. Toa tsy azo hiateherana intsony ny lalàna hoy ny hafa, satria votsotra ny ankamaroan'ny (...)
  • Antsirabe • Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahitana

    2020 : 75 tapitrisa no jamba raha tsy mitandrina

    mardi 14 octobre 2008 | Princia R. |  583 visites
    37 tapitrisa no isan’ny jamba manerana izao tontolo izao, 124 tapitrisa hafa no manana fahasahiranana ara-pahitana. Amin’ny taona 2020 hatahorana ny ahatonga io isa io ho 75 tapitrisa raha sanatria tsy misy ny fitandremana. Misy fihatraikany eo amin’ny fampandrosoana ny fitombon’io isa io satria lasa enta-mavesatra ny olona tokony hamokatra Antsirabe no voafidy nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahitana ny Alakamisy lasa teo, hetsika nasionaly, fampirantiana ary fizahana maso (...)
  • Feon-dakolosy hafa

    Tsy devoly izahay ato amin’ny FJKM Anosipatrana

    mardi 14 octobre 2008 | Penjy R. |  1527 visites
    Malahelo izahay mpino, raha aparitaka amin'ny trakta eran'ny arabe fa devoly. Ny antony, dia mankasitraka ny fanovana ataon'ny synodam-paritra izahay, hoy izy ireo nitondra ny fanazavany, mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto amin'ity gazety ity. Mitaky ny handraisan'ny foibe FJKM ny andraikiny izahay, hoy ireto mpino ireto, satria hankalaza ny faha-140 taona niorenany ny fiangonana. Atahorana ny hikatonan'ity fiangonana ity, satria efa manomboka ratsy ny fifanoherana eo amin'ny samy mpino. (...)
  • Fivoriana an-tampony aty Afrika

    Nomen’ny AKFM tsiny ny filoha

    mardi 14 octobre 2008 | Naivo kely |  531 visites
    "Tsy nisy olona vonona hanakana io fivoriana io, fa ny fanemorana azy no tokony ho atao". Io no nambaran'ingahy Erick Rakotomanga, sekretera Jeneralin'ny antoko AKFM. Ny antony, dia mbola miaina ao anatin'ny fahasahiranana i Madagasikara. Gaga ity antoko ity, raha nanambara ny filoha fa nohamafisina ny resaka fandriam-pahalemana, noho ny fiomanana amin'io fivoriana an-tampony aty Afrika amin'ny volana Jolay 2009 io. Mitovy fomba fijery amin'itompokolahy Herizo Razafimahaleo izahay momba ny (...)
  • Nigadra noho ny kolikoly

    Betsaka mitaky ny hamoahana ilay talen’ny asa vaventy

    mardi 14 octobre 2008 | Njaka |  890 visites
    Naiditra am-ponja vonjimaika ao Maintirano ny talem-paritry ny minisiteran’ny asa vaventy miasa ao amin’ny faritry Melaky ny faran’ny volana aogositra teo. Ny Bianco avy any Mahajanga no nidina tany an-toerana tamin’izay ka nisahana ny raharaha. Fitoriana maro dia maro no voarainy momba izany. Ny 21 oktobra izao kosa ny fitsarana ao amin’ny tribonaly ao Maintirano ihany. Noho ny fitoriana maro amin’ny resaka kolikoly no antony mazava ho azy. Mpiasan’ny asa vaventy, ben’ny tanàna maro, (...)
  • Vakinakaratra • Hydelec Sahanivotry

    26 taona aty aorian’Andekaleka

    lundi 13 octobre 2008 | Princia R. |  1015 visites
    Mpamokatra herin’aratra manana tanjaka 15 Mega VA, sy hery 6300 Volts, ary mamatsy ny tanànan’Antsirabe sy ny manodidina ny HYDELEC ao Sahanivotry. Ny praiministra lehiben’ny governemanta Charles Rabemananjara no tonga nitokana ity orinasa mpamokatra angovo sy herinaratra ity. “Tonga ny mazava eto Sahanivotry, mihena ny aizina eto Vakinankaratra”. Io no nisongadina tamin’ny kabarin’ireo manam-pahefana nandray fitenenana nandritran’ny lanonana fitokanana ny orinasa Hydelec (...)
  • Vary

    350 Ariary ny kapoaka any Alaotra

    lundi 13 octobre 2008 | Hery A. |  610 visites
    Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin'izao fotoana alohan'ny fahavaratra izao. Raha ny any amin'ny faritra Alaotra, anisan'ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin'ny ar 380 ny vidin'ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin'ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan'andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin'ny (...)
  • Fivoriana an-tampony Afrikanina

    Nanome tsiny ny mpanohitra ny Tim

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  500 visites
    Misy mitady hamboly koronta tsy ahatanteraka ny fivoriana an-tampony aty Afrika atao eto Madagasikara any ho any. Io no nambaran'iIngahy Mamy Rakotoarivelo ny asabotsy lasa teo. Tombony lehibe ho antsika ny fandraisana ity fivoriana ity, satria hiompana any amin'ny lafiny toe-karena sy soasialy ny firenena. Hifantoka aty Madagasikara ihany koa ny mason'izao tontolo izao. Hiakatra ho amin'ny tsara ny lazan'i Madagasikara, ka tsy ho zakan'ny mpanohitra izany. Isan'ny voatsiahy amin'ny tombony (...)
  • FJKM Anosipatrana

    Mifandrafy ny mpino kristianina

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  1182 visites
    Marary ny aim-panahin'ny fiangonana. Tsapa izany nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Anosipatrana omaly maraina. Nivoaka ny trano fivavahana ireo mpino maro, ary nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana ny pastora Ralijaona Noroharisoa amin'ny toerany. Nigagam-bahoaka ny zava-niseho, satria moa va tsy irony mpanao politika midina etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai irony ireto vahoakan'Andriamanitra tetsy Anosipatrana ireto. Tsy nisy vavaka nandeha tamin'izay laoniny intsony, satria (...)
  • Elia Ravelomanantsoa

    Mbola fanoherana tamin-dRatsiraka no misy

    samedi 11 octobre 2008 | Penjy R. |  894 visites
    Tsy ampy, fa tsy hoe tsy mety tanteraka ny asa miantraika amin'ny vahoaka eto. Midika izany, fa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra fa tsy hialangalana. Tsy voatery hiaraka hitondra amin'ny fitondrana izany. Manana anjara fanabeazana ny mpanao politika ka ho ezahin'ny antoko «Madagasikarantsika» tarihan-dRtoa Elia Ravelomanantsoa. Nambarany fa nomen'ny vahoaka fahefana hitondra ireo mpitantanana ankehitriny. Manaja izany ity antoko ity. Ny antoko misy an'i Elia Ravelomantsoa, dia (...)
  • Fitsaboana amin’ny fanjaitra volamena

    Efa misy sampan-draharaha etsy Befelatanana

    vendredi 10 octobre 2008 | Poussy R., Volana R. |  1032 visites
    Tsy mila mandeha lavitra intsony ankehitriny raha hanao « acupuncture » na ilay antsoina hoe « tsindrona volamena ». Efa misy sampan-draharaha misahana izany ao amin’ny INSPC Befelatànana. Dokotera avokoa no manatanteraka ny fitsaboana. Fanairana ny vatana hampirindra ny tsy fifandanjan-kery ao aminy no antony hanaovana ny tsindrona volamena na “acupuncture”. Tsy ara-dalàna mantsy ny fikorianan’ny angovo na ny hery amin’ny vatana, ka izany no mahatonga ilay aretina. Aretina maro no sitran’ity (...)
  • Fanotofana eny Andohatapenaka

    Mitovy ny tany Vohidiala Ambatondrazaka, hoy ny Leader Fanilo

    vendredi 10 octobre 2008 | Njaka |  849 visites
    Tokony hisy mangarahara ny fanotofana tany atao eny amin’ny Route Digue eny Andohatapenaka hoy ny Leader Fanilo. Iza ny orinasa tsy miankina volaza fa hiaraka amin’ny fanjakana hanatanteraka azy ao anatin’ilay ny 3P. Iza no mamatsy vola izany? Misy fifanoherany koa ny fanazavan’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny filoha Ravalomanana marc. Ny misnitra nilaza fa hanganana trano fonenana na logements sociaux ny tany. Ny filohampirenena kosa nilaza fa hanganana orinasa manodina sakafom-biby. (...)
  • Antoko Fihavanantsika

    Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika

    jeudi 9 octobre 2008 | Penjy R. |  657 visites
    Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason'ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. "Manahy ny mety ho avin'ny firenena malagasy izahay ato amin'ny antoko Fihavanantsika", hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin'ny birao politika. Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin'ny toho-drano no atao. Mora kokoa (...)
  • Làlam-pirenena faha 44

    Misy manafika ny fiara mpitatitra

    jeudi 9 octobre 2008 | Hery A. |  705 visites
    Manjaka ny tsy filaminana amin'ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an'Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon'ny jiolahy amin'ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra (...)
  • Antsiranana

    Tranom-bazaha iray no may

    mardi 7 octobre 2008 | Hery A. |  737 visites
    Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan’ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin’ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin’ny trano iray anatin’ny tanana’ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan’ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan’ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin’ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin’ny ADEMA. Voavonjy (...)
  • Raharaha Bôlô

    30 volana an-tranomaizina

    mardi 7 octobre 2008 | Penjy R. |  493 visites
    Tsy araka ny nampoizina ny sazy navoakan'ny fitsarana omaly tetsy Anosy momba ny raharaha Bolo. 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina no azon-dry Bolo sy ny namany izay miisa 11. Raharaha izay tafiditra amin'ny resaka fanonganam-panjakana izay saika atao nanomboka ny taona 2006. Nampakatra fitsarana ambony ireo mpisolo vava ny voampanga, manoloana iny didy nivoaka omaly iny. Tsy araka ny nampoizina hoy ny maro ny didy nivoaka, satria maro no nihevitra fa sazy mandram-pahafaty no ho (...)
  • Raharaha Imerintsiatosika

    Olona folo naiditra am-ponja vonjimaika

    lundi 6 octobre 2008 | Njaka |  685 visites
    Naharitra hatramin’ny folo alina ny faharetan’ny fakàna ambavany tamin’ny fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo ny alarobia lasa teo. Ny raharaha fandrobana sy fandorana tokantranona mpanangom-bokatra tao imerintsiatosika noheverina fa mpangala-jaza no antony. Ny folo tamin’izy ireo no nampidirana amponja vonjimaika, iray vehivavy. Ny 11 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Anisan’izany ilay ramatoa nilaza fa manan-janaka (...)
  • Faritra Alaotra Mangoro

    Voasoloky ireo tantsaha mpamokatra

    lundi 6 octobre 2008 | Njaka |  495 visites
    Misy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG misoloky ao tanambe, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Miara-miasa amin’ny federasion’ny fikambanan’ny tantsaha izy ka naka vola iray tapitrisa ariary isaky ny fikambanana hividianan fitaovam-pamokarana toy ny kibota. Efa tamin’ny taon-dasa no nitrangan’izany. Iray volana ihany anefa no fepotoana nolazain’ity ONG ity fa hahatongavan’ny fitaovana kanefa tsy misy hatramin’izao. Nolazainy fa efa ao amin’ny ministeran’ny fambolena (...)

0 | ... | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS