Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Fanadihadiana tao Antsiranana I

    Tsy avela ho potehin’ny Politika ny tanàna

    lundi 1er septembre 2008 | Penjy R. |  974 visites
    "Malahelo aho, raha isaky ny hiarin-doha ny tanàna no misy ny hetsika politika hanapotika ny kaominina. Aoka tsy ho faralahin'ny kaominina izahay eto amin'ity Antsiranana I ity". Io no nambaran'ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ao Antsiranana ity, ingahy Johary Houssen Alibay. Maro ireo tetikasa atao ao amin'ity kaominina ity, ary voalaza fa asa tsy vita nandritra ny 20 taona no efa andalam-pahavitana ankehitriny. Isan'io ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Antsiranana. Ny fanaovana (...)
  • Antananarivo

    « Aza potehina ny safidin’ny vahoaka 60% », hoy Rabesahala Gisèle

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  909 visites
    Mipetraka ny savorovoron-tsaina noho ny fanakendana ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy avy amin'ny safidin'ny mponina na ny mpitantana ny tanàna, fa ny fihetsika ataon'ny fitondrana no mahatonga izany. Tsy fandranitana na fanakorontanana no hitenenako, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala, fa amin'ny naha-mpitantanana ny tanàna teto Iarivo ny antoko nisy ahy, dia ny AKFM izany. "Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin'ity tanàna ity. Ny vola tsy notrosainy sy tsy nampiasainy ve no asaina aloany (...)
  • Lozam-piarakodia

    Mahazo fanalefahan-tsazy ny mpamily mamo toaka

    jeudi 28 août 2008 | Hery A. |  612 visites
    Niteraka resa-be indray ny loza nataon'ny taxi-be 194 izay nandona olona teo Ankorondrano tamin'ny talata lasa teo. Alohan'izany anefa dia tsara ny mahafantatra fa tsy misy ahiana ny ain'ilay tovovavy 16 taona nofaohin'ity taxi-be 194 ity. Nozairina ny molony, ary mbola tsaboina ny faritra samihafa amin'ny tenany. Roa vavy no voadona tamin'io ka ny iray efa nalefa nody. Niandraikitra ny fikarakarana rehetra teny amin'ny hopitaly HJRA ilay mpamily. Etsy andaniny anefa dia vitsy ireo taxi-be (...)
  • Namaly bontana ny TIM

    « Diso hevitra ny mpanohitra sy ny kaominina »

    mercredi 27 août 2008 | Njaka |  841 visites
    Izay vao nisy tompon’andraikitry ny antokon’ny fitondrana nanazava resaka politika hamaliana ny fitakian’ny mpanohitra. Ny depiote Donat Andriamahefamparany, filoha lefitry ny TIM, no niatrika ny mpanao gazety. Nampifandraisiny ny hetsiky ny mpanohitra teo Analakely, ny sabotsy teo, sy ny olana ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. “ Manonofy ny mpanohitra fa raha resy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny kandidà Tim ny desambra 2007 teo, dia azony ilalaovana Antananarivo-Renivohitra ”, (...)
  • Antenierampirenena

    Depiote tsy miankina efatra tsy nahazo fiara 4X4

    mardi 26 août 2008 | Njaka |  858 visites
    Raha nolazaina fa nahazo ny fiara 4X4 avokoa ireo solombavambahoaka tsy miankina 17 eny amin’ny Antenimierampirenena, dia tsy izany tampoka no zava-misy. Ny filohampirenena Marc Ravalomanana no nanome ampahatsorana, fa niova kosa izany rehefa tonga teny amin’ny Antenierampirenena ireo fiara. Depiote tsy miankina efatra no fantatra fa tsy nahazo ny anjara tokony ho azy. Ny depiote isany, Jao Jean voafidy tany Antsohihy, Bruno Josvah voafidy tany Taolagnaro, Rambolazafy Alexandre na Chirack avy (...)
  • Kolontsaina Malagasy

    Apetraho ny rafitra hitaizana ny ankizy

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  628 visites
    Miha-potika ny soatoavina Malagasy, ka na ny resaka famadihana aza toa heverin'ny hafa fa fandaniam-bola fotsiny. Andraikitra iray miandry ny olon-kendry rehetra ny famerenana amin'ny laoniny ity soatoavina Malagasy ity. Ingahy Rabesata Arima, mpanoratra ny boky Alimanaka Malagasy, no naneho ny ahiahiny ny mety aharendrika ny fomba amam-panao Malagasy raha tsy mitandrina isika. Taorian'ny nampidiran'ny mpanjanaka ny fivavahana teto Madagasikara no nanomboka very tsikelikely teo amin'ny (...)
  • Manakara

    Tsy mandova tany ny zanaka vavy

    mardi 26 août 2008 | Hery A. |  756 visites
    Noho ny fomban-tany sy fomban-drazana hatramin'izay dia ny 10 %n'ny vehivavy ao amin'ny distrikan'ny Manakara ihany no mba manana tany. Na eo aza mantsy ny lalàna manome ny zon'ny olona rehetra ho afaka mandova ny fananan'ny ray aman-dreniny dia noferan'ny fomban-drazana izany ka tsy mahazo mandova tany ny vehivavy na ny zanaka vavy io. Mazava ho azy fa an'ny lehilahy hatrany ny fandimbiasana ny anaran-dray any amin'ity distrika ity. Manoloana izany sy manoloana ny fitovian-jo eo amin'ny (...)
  • Mpanohitra miaradia

    Miantso ny vahoaka handray fepetra

    lundi 25 août 2008 | Naivo kely |  519 visites
    Ampy izay ny fampahantrana antsika. Io no niverimberina tamin'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra miaradia tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely ny sabotsy tolakandro teo. Ny fanatsikafonana ny olana eto amin'ny firenena no noventesin'ny mpitarika teny an-toerana. Ny tontolon'ny fampianarana izay nanazavan'ingahy Fanony Fulgence, fa isan'ny nimatimatesany fony izy ministry ny Fampianarana ny nampiditra ny teny Frantsay ho teny enti-mampianatra. Nosy isika, ka ilaina ny fijanonana (...)
  • Lalao Olimpika

    Fahavoazana sy ady ranondranony

    lundi 25 août 2008 | Manou |  723 visites
    Tapitra ihany ity ny Lalao Olimpika 2008 tany Beijing. HItohy amina fandraisana am-pifaliana ny atleta nisolo tena azy tany ny lanonana ho an'ireo firenena maro nandray anjara na inona vokatra azo na inona, satria tsy ny fandresena loatra no toe-panahy tian-kavoitra amin'ity fifaninanana ity fa ny fandraisana anjara. Ho raharaha ihany anefa ny antsika malagasy rehefa ho samy tafahaona eto an-tanindrazana ireo mpitarika tany satria samy tsy misy te-ho tompon'antoka hiaiky ny vokatry ny (...)
  • Iavoloha

    Fianakaviana 30 roahina

    lundi 25 août 2008 | Manou |  822 visites
    Misy fandroahana ireo fianakaviana nanorim-ponenana ao anatin'ny faritry ny tanin'ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ankehitriny. Mifanipaka be ihany anefa ny vaovao, ary miahiahy ny fahamarinan'ny baiko mihitsy aza ireo voakasik'izany ka miantso fijerena manokana avy amin'ny Filoham-pirenena. Tantara efa ela Trano 30 tafo ao amin'ny fokontanin'i Morarano, kaominina Andoharanofotsy, aloha no heno fa nahazo baiko an-taratasy hiala, "mandra-pahatongan'ny faha-28 aogositra izao." "Voafitaka (...)
  • Kardinaly Razafindratandra

    Manasitrana amin’ny tànana

    samedi 23 août 2008 | Manjaka Hery |  2860 visites
    « Tsy izaho no manasitrana fa Andriamanitra », hoy ny Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra, raha namaly ny fanotaniana momba ny fanasitranana vitany amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana izy. Manome fanazavana momba izany izy, ary koa mitantara ny 30 taona maha eveka azy. • Madagascar Tribune : Afaka mba omenao fanazavana ve ny momba ny fanasitranana vitanao amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana ? Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra : « Tsy ny olona no manasitrana fa Andriamanitra irery ihany. (...)
  • Fitaterana

    Zandary mandà familiana an-kavanana

    samedi 23 août 2008 | Hery A. |  751 visites
    Voatohintohina ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ity mpamily mpitondra mpizahatany vahiny iray, raha nosakanan'ny zandary teny am-pitondrana ireo vahiny. Nosakanan'ny zandary mantsy ny fiara nentiny ka nampisehoan'ny zandary boky kely iray ny mpamily. "Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ny fiara misy familiana any amin'ny an-kavanana" Lalàna manamafy an'io no nasehon'ny zandary ka dia nifanazava teo aloha. Nampahafantarin'ilay zandary fa nampiharina nanomboka tamin'ny faha 6 (...)
  • « Mifohaza ry Gasy »

    Fangatahana famindram-po faobe

    vendredi 22 août 2008 | Manou |  969 visites
    Mitohy ny fitarihan'i Maître Avoko ny mpiray tanindrazana hiara-hiombom-bavaka hanavotan'Andriamanitra an'i Madagasikara ! Mbola ny zoma alina araky ny torohevitra napetrany tany am-piandohana ihany no hanatanterahana ity hetsika « Mifohaza ry Gasy » ity, ary voalazany fa efa misy mifoha mihitsy taorian'iny fanombohana tamin'ny herin'ny androany iny. Ny fangatahana famindram-po faobe avy amin'Andriamanitra, hoy izy, no hanompanana ny vavaka anio alina raha ny fangatahana ny fidinany teto (...)
  • Hetra amin’ny fadin-tseranana

    Miditra an-tsehatra ny Amerikana

    jeudi 21 août 2008 |  402 visites
    Manampy ny mpiasan’ny fadin-tseranana hahafehy ireo fitsipiky ny fampidiran-ketra ao amin’ny fadin-tseranana ny Amerikana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anivon’ny SADC, vondrona fampandrosoana ny faritra atsimon’i Afrika, dia hampiofanan’ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny USAID ireo mpiasan’ny fadin-tseranana 30 mianadahy. Hofanina momba ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena izy ireo, mandritra ny 3 andro, izay hifarana anio. Samy (...)
  • Vaky trano teny Ivato

    Ny olon-tiany ihany no nahavanon-doza !

    jeudi 21 août 2008 |  726 visites
    Ny nantenain-kanirina indray no nampivandravandra ! Mety hamadika ihany koa ny olon-tiana ! Tovolahy iray monina ao Ivato no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny halatra nataony tao an-tranon’ny sakaizany, ny alatsinainy hariva lasa teo. Nobatainy tamin’izany ny vata fahitalavitra sy ny « lecteur VCD » tao amin’ity trano ity. Raha ny vaovao voaray, dia tonga tao amin’io sakaizany io ilay tovolahy ny atoandron’ny alatsinainy. Samy monina eny Ivato mantsy izy roa ireo. Fombany ny mangatangataka (...)
  • Grevin’ny mpiasan’ny JIRAMA

    Mitombo miandalana ny fitakiana

    mercredi 20 août 2008 | Naivo kely |  331 visites
    Manomboka anio no voalaza fa hitokonan'ny mpiasan'ny Jirama manerana ny nosy indray. Fitakiana izay niainga teo amin'ny lafiny sosialy, nefa tsy nahitana vaha-olana. Nisy ny dinika niarahan'ny mpampiasa sy ny mpiasa, saingy io nametraka 48 ora io indray ny sendikan'ny mpiasa hanaovana ny fitokonana. Mahatratra 35 no isan'ireo fitakian'izy ireo. Isan'io ny hamerenana amin'ny laoniny ny karaman'ny mpiasa izay notapahan'ny mpampiasa nandritra ny grevy farany teo. Ny tsy hamindrana toerana ireo (...)
  • Amoron’Imania • Fandriana

    Mbola mitoetra ny herin’i Rainitanjaka

    mardi 19 août 2008 | Princia R. |  1586 visites
    “Tsy azo anaovan-dratsy, tsy azo itondrana ody gasy ny tanàna voafaritra, izay minia mandika dia tra-doza….” Tompomenakely tamin’ny faha-mpanjaka tamin’ny taonjato faha XVIII tao amin’ny fanjakan’I Fisakana I Rainitanjaka, teo an-tampon’ny vohitr’Alasora (Fandriana izy no nonina tamin’izany fotoana izany, ary io no lasa “residence” ankehitriny. Fatra-pahay mandray vahiny ny foko betsileo, fantatra ihany koa fa tsotra ary ny fahitan’ireo mpihavy izany no nanararaotan’izy ireo sy nisian’ny fanambakana (...)
  • Tanora sy ny raharaham-pirenena

    Mitady ny FFKM sy ny olon-kendry

    mardi 19 août 2008 | Naivo kely |  379 visites
    Mila averina ny hasin'ny fianankaviana sy ny firenena. Fanehoan-kevitra entin'ny vondron'ny tanora mpandala ny raharaham-pirenena io, izay ingahy Razafimandimby Jean Batiste no filoha mitarika izany. Tao anatin'ny fanadihadiana ny trangan-javatra misy eto Madagasikara no nahatonga azy ireo haneho hevitra. Tsapa eto amintsika fa manjaka ny herisetra, ary mihanaka ny zava-mahadomelina. Toy izany koa ny varo-toaka sy ny fivarotantena. Miady amin'ny fahantrana isika, nefa ny fngalarana sy ny (...)
  • Kaominina ambanivohitra Anjanadoria

    Tsy very maina ny volan’ny filoha

    lundi 18 août 2008 |  433 visites
    Efa tonga ny fanampiana avy amin’ny filohampirenena, ary manampy betsaka ny kaominina. Maro ny asa eritreretina hatao ary efa misy aza ny efa an-dalana mihitsy. Mibahan-toerana amin’izany ny voly avotra. “Malalaka tsara ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna, Rakotoniaina Annie. Ankoatra ny 200 hektara novolena ala, dia natokana ny 20 hektara hafa hanaovana voly avotra, miaraka amin’ny vahoaka izay vonona. Tanim-panjakana io tany io, ka vatsiana masomboly ary zezika. Omena 1 hektara isan’olona. (...)
  • Fitsidihana tany Fianarantsoa

    Nanazava ny fanovàna misy ny Praiminisitra

    lundi 18 août 2008 | Njaka |  412 visites
    Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovan’ny mpiasam-panjakana tatitra manomboka izao fa ireo tomponandraikitra any amin’ny toerana hiasany ihany koa. Tsy maintsy mahazo tatitra any amin’ny sefo-ZAP momba ny fampianarana ohatra ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina hiasany. Torak’izany koa ny “médecin-chef” amin’ny tobim-pahasalamana fa tsy any amin’ny minisitera ihany. Eny anivon’ny distrika koa tahataka izay, manao tatitra isam-bolana any amin’ny lehiben’ny distrika ny “médecin inspecteur” (...)

0 | ... | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS