Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 18h31
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Loholona Rabetsitonta

    Mba mahalala menatra ry mpanohitra

    vendredi 3 octobre 2008 | Penjy R. |  1032 visites
    Tsy mpanohana izao fanjakana izao izahay, raha toa ka tsy niteny ny tarehi-marika. Niakatra hatrany amin'ny 7,5% ny harin-karena faobe teto Madagasikara. Midika io fa misy ezaka lehibe nataon'izao fitondrana izao hanatsarana ny toe-karena Malagasy. Ny Grad Iloafo, hoy ny loholona Rabetsitonta, dia dia mahay mihaino, ary manolotra soson-kevitra entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Tokony hisy ny sehatra malalaka afahana maneho hevitra, nefa tokony hiavaka tsara ny mpiray diha amin'ny (...)
  • Raharaha Imerintsiatosika

    Raikitra ny tondro molotra

    jeudi 2 octobre 2008 | Njaka |  1296 visites
    Niatrika ny fampanoavana omaly tontolo ny raharaha Imerintsiatosika, notondroina ho mpangala-jaza niafara tamin’ny fandrobana sy fandorana fanana’olona. Fitoriana roa samihafa, no niakatra fampanaovana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo omaly sy nitohy hatramin’ny alina. Voalohany, ny fitorian’izy mivady rava fananana sy voaroba. Hatramin’ny sivy alina mbola mitohy ihany fihainoana. Ny borigadin’ny zandarin’Imerintsiatosika no nisahana izany. Ny faharoa, fitorian’ireo ray (...)
  • Belo amoron’i Tsiribihina

    Matin’ny aretina ny kisoa

    jeudi 2 octobre 2008 | Hery A. |  887 visites
    Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin’ny distrikan’ny Belo amoron’i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin’ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin’izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin’ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon’ny aretina dia saika mitovitovy amin’ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan’andro mantsy dia voalazan’ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan’ilay aretina, ary tsy (...)
  • Asa soa navelan’i Mompera André Maire

    Manohy asa ny « aide missionnaire »

    jeudi 2 octobre 2008 | Hery A. |  1157 visites
    Tsy maty ao am-pon’ny mponina ao Mandoto ny zava-bitan’i Mompera André Maire, nitondra fiangonana tao Mandoto hatramin’ny taona 1972, hatramin’ny taona 1999. Maty noho ny aretina tazo mahery tao Mandoto ny tenany. Ao Mandoto no milevina ny nofony hatramin’izao. Maro ny asa sosialy navelany ho an’ny faritra any Mandoto iny, toy ny fananganana fiangonana ao Vatovory, ny toby fitsaboana ao Mandoto, fiahiana ireo mpifindra monina ao Morarano, kaominina Anjoma Ramartine, sekoly amin’ny fokontany (...)
  • Dinan’ny fanabeazana

    Mandoa lamandy izay tsy mampiana-janaka

    mercredi 1er octobre 2008 | Hery A. |  596 visites
    Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra any amin’ny distrikan’ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin’ny faran’ny herinandro. Teto no nambara amin’ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain’ireo manam-pahaizana ka nankatoavin’ireo vahoaka, taorian’ny fivoriana. Voambara ao anatin’ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, (...)
  • Raharaha Bôlô

    Voatonona ny minisitry ny Polisy teo aloha

    mardi 30 septembre 2008 | Njaka |  1563 visites
    Hivoaka ny 6 oktobra izao ny didim-pitsarana momba ny raharaha Bôlô. Naharitra ora folo mahery ny fitsarana ady heloka tsotra teny Anosy omaly tontolo. Famoahana fitaovam-piadiana antsokosoko tao amin’ny toby miaramila, RTS Fiadanana ny alin’ny 04 novambra 2007 no nampidirana am-ponja vonjimaika teny Antanimora sy Tsiafahy ireo 11 mirahalahy mianaka niaraka taminy tamin’izany. Nilaza i Emmanuel Razafindrazaka na i Bôlô fa nantsoin’ny ministry ny polisy, Razakanirina Lucien Victor; ny volana (...)
  • Antalaha

    Mbola « bois de rose » ihany

    mardi 30 septembre 2008 | RAW |  798 visites
    Manam-pahefana avy aty Antananarivo, miaraka amina zandary ao anaty “bus” efatra, mirongo fiadiana, no mampihorohoro ny vahoakan’ny kaominina Ambohitralainana, atsimo kelin’Antalaha renivohitra, noho ny fananany « bois de rose ». Ireo ny fitarainan'ny olona any Antalaha. Nilahatra ireo tompon’ny hazo nalaina an-keriny, nanomboka ny sabotsy teo, ary mbola nitohy omaly alatsinainy, rehefa, araka ny filazan'ny mpilahatra, nahazo alàlana tamin’ny manam-pahefana any an-toerana. Vahoaka tompon-kazo no (...)
  • Vatomandry

    Sarona ny vazaha nangalatra hazo sarobidy

    lundi 29 septembre 2008 | Hery A. |  962 visites
    Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron’ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan’ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik’ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon’ny entana ka dia notanan’ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy (...)
  • Tsy hiova ny Governemanta

    Tsy ilaina ny manova olona

    lundi 29 septembre 2008 | Penjy R. |  461 visites
    Tsy kilalaon-jaza ity manova olona isaky ny mihetsika ity. Noporofoin'ny filoha Ravalomanana io tamin'ny zoma alina teny Ivato. Vao manomboka ny asa ka hanova Governemanta ahoana ? orofo iray io, fa olona mahatoky mahavita azy avokoa ireo narafiny ao anatin'ny Governemanta ireo. Asa maro no miandry ireo mpanatanteraka, ary isan'io ireo notanisain'ny filoha nandritra ny kabariny teo anoloan'ny firenena mikambana tany New York. Ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin'ny tazo moka, izay (...)
  • Fahasalaman’i Ratsiraka

    Salama tsara ny amiraly

    samedi 27 septembre 2008 | Penjy R. |  1930 visites
    Tomady sady, salama ny amiraly. Io no valin'ny filazana tao ho ao, fa tsy salama ingahy Didier Ratsiraka. Mampamangy ny vahoaka Malagasy any hoy ny tenany, raha nampita hafatra ho an'ny malagasy izy. Ingahy Roland Ratsiraka no nampitondrany io hafatra io. Endrika fanagiazana ny tenany ny toy ireny hoy izy. Ninia nangina aho, raha vao nivoaka ny fonja, saingy toa manosika ahy hiteny ny tranga nahazo ahy farany teo. Miantso ny vadin'ny Filoha Ravalomanana ny lehilahy, mba hiroso amin'ny (...)
  • Soanierana Ivongo

    Mandidy dia homana ny ben’ny tanana

    vendredi 26 septembre 2008 | Penjy R. |  524 visites
    Nametram-pialana avokoa ireo mpanolontsainan'ny kaominina miisa 7, ao amin'ny kaominina Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo ny 10 septambra lasa teo. Fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no anton'izao fametraham-pialana izao. Io no nambaran'ny depiote voafidy tany an-toerana Mananjara Fidson, izay isan'ny tsy hanaiky lembenana amin'izao trangan-javatra mitranga izao. Nisy ny vola Ar 9 tapitrisa avy amin'ny filoham-pirenena nomena isaky ny kaominina. Tsy hita akory anefa izay (...)
  • Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina

    Tombotsoa maro no azo avy amin’ny 3P

    jeudi 25 septembre 2008 |  704 visites
    Nifarana ny talata teo ny seminera momba ny 3P na Partenariat Public Privé, izay notanterahina nandritra ny roa andro tetsy Anosy. Nandray anjara tamin’izany avokoa ny solotenam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Nametrahana ny lalàna sy ny rafitra rehetra mikasika ny 3P no nanatanterahana izany. Nisy ihany koa ny fandinihana ny paik’ady hanatanterahana azy io. Nanambara ny minisitra Ivohasina Razafimahefa, fa nahafahana nandinika izay paik’ady avy amin’ny fanjakana sy izay (...)
  • Taratasy

    Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra

    jeudi 25 septembre 2008 |  1156 visites
    "Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra no antenaina fa mety hahafoana tanteraka tsikelikely ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara. Enim-polo (60) taona no naha-zanatany frantsay antsika Malagasy. Nandritra izay enim-polo taona izay dia teny frantsay no teny nenti-nampianatra teto Madagasikara. Mba azontsika an-tsaina moa ny isan'ny Malagasy tsy nahay namaky teny sy nanoratra ? Angamba any amin'ny fitopolo isan-jatony (70%). Ekentsika ve izany ? Tsy (...)
  • Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery

    Jiolahy iray no maty voatifitra

    mercredi 24 septembre 2008 | Hery A. |  507 visites
    Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity. Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin’ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan’ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo. Efa niparitaka ny laza ratsin’ireto jiolahy ireto eny amin’iny faritra iny. (...)
  • Ben’ny tanàna Talatamaty

    Lalaovin’ny mpanao politika i Andry TGV

    mardi 23 septembre 2008 | Naivo kely |  4543 visites
    Misy mitady hanapotika i Andry Rajoelina sy ny fanjakana. Mila mitandrina sao hiverina ny tamin'ny taona 2002. Io no fanazavana nentin'ny ben'ny tanana ao amin'ny kaominina Talatamaty tao amin'ny Aceem radio ny alahady lasa teo. Tsapa fa miditra lalina amin'ny fanosehana an'i Andry Rajoelina any amin'ny tsy izy ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika raha nitatra be toy izao ny raharaha momba ity tananan'Antananarivo ity. Tokony avela hiasa malalaka ny ben'ny tanana, ary izay vonona (...)
  • Famotsiam-bola

    Tsy misambotra olona ny Samifin

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A. |  710 visites
    Tsy biby fampitahorana ny sampan’asa SAMIFIN misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin’ny asan’ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin’ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian’ny vola tsy ara-dalàna amin’ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin’ny Bianco kosa ny ady amin’ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. Nahita (...)
  • Fanampiana ataon’i TIM

    Misy mivarotra ireo fitaovana

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A., Penjy R. |  426 visites
    Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety. Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (...)
  • René Philippe

    Sefo fokontany, mpitarika olona hatrany am-piangonana

    samedi 20 septembre 2008 |  800 visites
    Miainga ifotony ny fampandrosoana eto Madagasikara. Voalohany amin’izany ny sefo fokontany ka rariny raha mahafantatra ny momba azy ireny ny sarambabem-bahoaka. Tsy zoviana amin’ny mponina ao anatin’ny firaisana faha 4 ity vahiny ampahafantarina anao anio ity. Zanaky ny boriborin-tany faha 4 i René Philippe Rakotonanahary, 51 taona, teraka tao Befelatanana, sefo fokontany Anosibe andrefana II, amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny maha sefo fokontany azy, 3 taona lasa izay, dia sehatra maro no (...)
  • Fiadidian’ny praiminisitra

    Fihaonana an-tampony eto Madagasikara

    vendredi 19 septembre 2008 | Volana R. |  692 visites
    Ho avy tsy ho ela eto Madagsikara ny iraka libianina eo amin’ny sehatra ara-toekarena hijery sy hifampidinika ny amin’ny mety ho fifanarahana vaovao eo amin’ny firenena roa tonta ; fifanarahana izay efa niantomboka tamin’ny 5 aogositra 1975. Nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra Rabemananjara Charles sy ny mavoihon’i Lybie eto Madagasikara, SEM Yones B. Ali, dia aorian’io iraka io no hahalalana ny anjara biriky hatolotr’i Lybie ho fanomanana ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina, (...)
  • Jiromanga bibiolona

    Nalemy ilay vehivavy voaolana

    jeudi 18 septembre 2008 | Hery A. |  14272 visites
    Na tsaho na tsia, ny lazan’ny fisian’ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin’izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra. Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran’ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny olona (...)

0 | ... | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS