::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 10h59  :  20°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Raharaha Imerintsiatosika

Raikitra ny tondro molotra

jeudi 2 octobre 2008, par Njaka
JPEG - 43.8 ko

Izy mivady niaram-boina.

Niatrika ny fampanoavana omaly tontolo ny raharaha Imerintsiatosika, notondroina ho mpangala-jaza niafara tamin’ny fandrobana sy fandorana fanana’olona. Fitoriana roa samihafa, no niakatra fampanaovana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo omaly sy nitohy hatramin’ny alina. Voalohany, ny fitorian’izy mivady rava fananana sy voaroba. Hatramin’ny sivy alina mbola mitohy ihany fihainoana. Ny borigadin’ny zandarin’Imerintsiatosika no nisahana izany. Ny faharoa, fitorian’ireo ray amandrenin’ireo zaza nolazaina fa “nangalarina”. Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona indray no nisahana azy. Natambatra avokoa izany fitoriana roa samihafa izany, tamin’ny fandinihana azy, hoy ny tonian’ny fampanoavana ao Arivonimamo, Randriamalazafeno Jean de la Croix.

JPEG - 37.5 ko

Izao sisa no niafaran’ny trano’izy mivady.

Nahatratra 31 ireo voakasiky ny raharaha, tsy ao anatin’izany ireo vavolombelona am-polony. Raha tsiahivina, dia notafihin’ny mponina tao Imerintsiatosika ny tranon’ilay mpanao fitaterana antsoina hoe “zaza mila vola”. Nolazaina fa nangala-jaza satria nitazona zaza. May ny trano sy ny fiara kamiao roa, mazda iray, ary opel iray. Vola 75 tapitrisa ariary no very tao antrano. Vola saika hividianana rofia any Maevatanàna. Nisy kamiaon’olon-kafa koa may tao. Potika ny fanananay ka any amin’ny fianakaviana izahay no mipetraka, hoy izy ireo.

JPEG - 59.8 ko

Zaza hangalarina tokoa ve ?

Zaza tratra nisaoty tamboho, saika hangalatra piesy na fiara. Efa fanindiminy izy ireo no tratranay, hoy, Rabezanahary Modeste, mpandraharaha, niharam-boina. Iray no tratra fa nanondro ny namany dimy hafa izy. Tonga tao ny ray amandrenin’ireo ankizy ary nanaiky ny hanao fampiraharahana. Afaka nivoaka sy niditra ny vavahady, avokoa ireo zaza sy ny ray aman-dreniny, hoy ny tompo-trano. Nivadika anefa ny rasa rehefa hariva ny andro satria nitaona vahoaka izy ireo ka nilaza fa mpangala-jaza izahay. Tsy mbola nisy anefa fitoriana momba momba azy ireo ho mpangala-jaza hatramin’izay, hoy ny mpisolovavany. Zaza 9 taona no kely indrindra, 12 taona no zokiny. Hafa kosa ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ireo zaza. Valo ny zaza notazonina, hoy izy ireo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 424  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360