::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h29  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Raharaha Bôlô

Voatonona ny minisitry ny Polisy teo aloha

mardi 30 septembre 2008, par Njaka
JPEG - 46.5 ko

Niakatra tribonaly indray ny Jeneraly « Bôlô ».

Hivoaka ny 6 oktobra izao ny didim-pitsarana momba ny raharaha Bôlô. Naharitra ora folo mahery ny fitsarana ady heloka tsotra teny Anosy omaly tontolo. Famoahana fitaovam-piadiana antsokosoko tao amin’ny toby miaramila, RTS Fiadanana ny alin’ny 04 novambra 2007 no nampidirana am-ponja vonjimaika teny Antanimora sy Tsiafahy ireo 11 mirahalahy mianaka niaraka taminy tamin’izany. Nilaza i Emmanuel Razafindrazaka na i Bôlô fa nantsoin’ny ministry ny polisy, Razakanirina Lucien Victor ; ny volana aogositra 2006 fa misy asa ampanaovin’ny filoha Ravalomanana azy. Hanao asa fitsikilovana fa misy mikononkonona hanongam-panjakana any ho any. Amin’ny ministra na ny filoha ihany no tokony manao tatitra izy. Nisolo anefa ny ministra ny janoary 2008 ka nivadika ny raharaha. Tsy nanao tatitra tany amin’ny minisitra vaovao, Rasolofomanana Désiré mihitsy i Bôlô. Karazana ampamoaka ihany no nitranga tao amin’ny tribonaly, toy ny vola dimy tapitrisa nangatahin’ny kaomandin’ny borogadin’ny fikarohana heloka bevava, teny Fiadanana tamin’ny sergent Appolinaire Ravoavy, nampangaina fa naka ny lakilen’ny magazay fametrahana fitaovam-piadiana.

Tsy marina

Nifanipaka ny fitantaran’ny sergent Jean Fidèle, kaporaly Jacquit, samy mpiandry raharaha niasa tamin’izany. Nampangainy fa « ny jeneraly Bôlô sy ny kolonely, Kasimo, ny kaomisera Delimizaony no naniraka sy ny nibaiko » azy ireo. « Tsy misy marina izany », hoy Bôlô. Ny ministry ny polisy naniraka azy nilaza teo anoloan’ny fampanoavana fa tsy tokony hanohy ny asa fitsikilovana intsony i Bôlô raha tsy manao tatitra any amin’ny minisitra vaovao. « Noteren’ny tonian’ny fampanoavana sy ny kaomandy ny zandary teny Fiadanana hanaiky ny fiampangana izahay », hoy izy ireo. Noho izany nolavin’izy ireo teo amin’ny Fitsarana avokoa ny teny nolazainy tany amin’ ny famotorana tany amin’ny zandary. Tsy nisy akory ny fitaovam-piadiana tafavoaka tamin’izany. Ho an’ny mpiaro ireto voapanga moa dia « tsy misy hafa amin’ireny sarimihetsika ireny ity raharaha ity. » « Saingy ny mahasamihafa azy dia mifarana any am-ponja ny an’ireto olona arovany fa tsy mirava maina toa ny mijery sinema », hoy Ôlala.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 419  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360