::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h31  :  20°C  :  Orage
mercredi 15 février 2012
 

 > Malagasy

Fiadidian’ny praiminisitra

Fihaonana an-tampony eto Madagasikara

vendredi 19 septembre 2008, par Volana R.

Ho avy tsy ho ela eto Madagsikara ny iraka libianina eo amin’ny sehatra ara-toekarena hijery sy hifampidinika ny amin’ny mety ho fifanarahana vaovao eo amin’ny firenena roa tonta ; fifanarahana izay efa niantomboka tamin’ny 5 aogositra 1975. Nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra Rabemananjara Charles sy ny mavoihon’i Lybie eto Madagasikara, SEM Yones B. Ali, dia aorian’io iraka io no hahalalana ny anjara biriky hatolotr’i Lybie ho fanomanana ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina, tanterahana eto amintsika amin’ny herintaona.

Ny lafiny teknika mikasika ny filatsahan’i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny « francophonie » andiany faha-13 kosa, amin’ny taona 2010, no nifampidihan’ny praiminisitra sy ny delegasiona OIF notarihan’i mpanolotsaina Ousmane Paye. Nijery ny fahafahan’i Madagasikara mandray io fihaonana io no anton’ny dinika, satria ny fihaonana an-tampony hatao any Québec, ny volana oktobra 2008, no hahafantarana ny fanapahankevitra farany mikasika izany.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2008-09-19 07:50:03
août 2008   septembre 2008   octobre 2008
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 365  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360