Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Aretin’ny homamiadana

    Sitrana eto an-toerana ny 50% ireo marary

    samedi 16 août 2008 | Penjy R. |  1754 visites
    Tsy izay voan’ny homamiadana dia ho faty. Mahasitrana izany isika, saingy ny fitsirihana no mila atao mialoha, raha vao mahita ho tsy mety amin’ny vatany ny olona iray. Ny mampalahelo, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana entina mitsabo. Fanazavan’ny mpitsabo etsy amin’ny HJRA io ny alakamisy teo. Maro ny olona no tsy mahalala ity aretina ity. Izay no hanaovan’ny AROM “ Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie” hetsika mba ahafantaran’ny vahoaka izany. Voalaza fa ny nono sy ny tranon-jaza (...)
  • Antsirabe :

    maro ny loza niseho ny faran’ny herinandro teo

    jeudi 14 août 2008 | Princia R. |  855 visites
    Iray maty, 7 hafa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana roa samihafa niseho tao Antsirabe tao anatin'ny roa andro. Ny asabotsy dia posy roa no nofahon'ny fiara madinika iray teo Andranomadio : naratra vokatr'izany ny mpitari-posy sy ny olona nentiny. Nahita izany ilay fiara nandona dia nitsoaka nirifatra, 1 Km niala teo dia nidofotra indray teo amin'ny vavahadin'ny « Service technique » voirie ilay fiara nandona, navelan'ny mpamily teo ilay fiara fa ity farany kosa tsy hita izay (...)
  • Tonga ny filoha Ravalomanana

    Hampiakarina avo ny fanatanjahantena Malagasy

    mercredi 13 août 2008 | Naivo kely |  653 visites
    Nampihetsika ny hambom-pon'ny filoha Ravalomanana ny lalao atao any Beijing. Malagasy vitsy no nandray anjara tamin'izany, ary raraka hatreto ny telo tamin'ireo enina nandray anjara. Niaiky ny filoha fa avo lenta tokoa ity lalao ity, ary zava-dehibe ho antsika ny mandray lesona tsara tamin'izany. Roa sosona ny zavatra vita tany, ka isan'io ny nahazoan'ny filoha ilay mari-boninahitra indray. Tsapan'ny vahiny ny ezaka vita, ary porofon'io ny nandraisan'ny filoha Sinoa voalohany ahy, hoy ny (...)
  • Bakalôrea

    Mpianatry ny Oniversite nisandoka ho kandidà

    mercredi 13 août 2008 |  806 visites
    Malaza isan-taona ny fanadinana bakalorea any Betioky-Atsimo. Tonga any avokoa ireo te ho afa-panadinana manao kandidà mahaleotena. Tonga any avokoa ireo kandidà avy any Toliara, Fianarantsoa, Antananarivo, hatrany Antsiranana rehefa hanala fanadinana Bacc. Tsy misy fanarahamaso hentitra. Ao ny mitondra kahie, ao ny soloina olon-kafa sy ny sisa. Tapitra anefa izany ankehitriny. Tratra ireo mpisandoka tamin’ny fanadinana farany teo. Mpianatry ny oniversite roalahy no nisolo mpiadina hafa (...)
  • Maître Avoko : « Mifohaza ry Gasy ! »

    Hampidinina Andriamanitra

    mardi 12 août 2008 | Manou |  2673 visites
    "Tsy mety intsony ny fiainan'ny mpiray firenena eto Madagasikara, hoy Maître Avoko Rakotoarijaona, na inona na inona fiovana natao !" Manaitra ny rehetra izy ankehitriny, hiova ary hitodika amin'Andriamanitra, hitady vahaolana hanavotana ny firenena amin'izao fahavoazana tsy eran'ny aina izao. Firenena nahalala an'Andriamanitra hatramin'izay i Madagasikara, araky ny fanazavan'i Maître Avoko, ary niaina tamin'ny fahatahorana azy foana mandra-pidiran'ny kolontsaina vahiny noraisintsika (...)
  • Vita ny FIER MADA

    Mahay ny Gasy, fa tsy ampy tosika

    mardi 12 août 2008 | Naivo kely |  541 visites
    Liana ny maro nahita ny ezaky ny tantsaha. Izay tsy tonga teny amin'ny FIER MADA kosa, dia ny akony sisa tsaroan'izy ireo. Andro vitsy no nanatontosana ity foara ity tetsy Antanimena. Mpikaroka sy tantsaha maro no tonga teny an-toerana. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay, indrindrindra fa ireo olona tia karokaroka sy tia ny tontolo ambanivohitra. Ny akony tamin'ny haino aman-jery samy hafa no nahavaky vava ny nahita hoe "hay mahay tahaka izao ny Malagasy, fa tsy ampy ny fanosehana azy (...)
  • Fikambanana Manaovasoa

    Vita ny tetik’ady hampandrosoana ny firenena

    mardi 12 août 2008 | Naivo kely |  357 visites
    Tahirin-kevitra 110 pejy no vita. Efa nanomboka tamin'ny taona 1999 no niketrehana ity tahirin-kevitra ity, ary haparitaka manerana ny faritra 22 manomboka izao. Amin'ny alalan'ny CD no hanaovana izany ary amidy fa tsy ho zaraina fotsiny. Io no nambaran'n'ny fikambanana "Manaovasoa" tao amin'ny ACEEM Radio ny alahady antoandro teo. Notarihan'ny dokotera Manan'Ignace sy ireo mpikambana ao aminy. Ny lafiny politika, sosialy, toe-karena, fanabeazana ary ny kolontsaina dia hita ao avokoa. Ny (...)
  • Kaominina Andoharanofotsy

    Coiffure" iray, takiana vola ar 400 000

    lundi 11 août 2008 | Hery A. |  753 visites
    Mandalo eny amin'ny faritra atsimondrano eny ny fisafoana ny entana lany andro sy tsy ara-dalàna eny amin'ireny mpivarotra enta-manidika ireny. Savaina avokoa ny entana rehetra ka nahitam-bokany tokoa izany. Saika efa lany andro ireo entana amin'ny fivarotana enta-madinika, sy vaventy. Ny zava-pisotro, na amin'ny tavoahangy, na amin'ny zavatra hafa, ny biscuit, ny hena am-by fotsy sns... no tena betsaka lany daty, misy aza efa tamin'ny taona 2006. Ninia nivarotra izany ireo mpivarotra ka (...)
  • Adala ao Anjanamasina

    Namosavy dia lasa adala

    lundi 11 août 2008 | Penjy R. |  1842 visites
    "Efa aty amin'ny toeran'ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin'ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon'ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io. "Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin'ny fasan'olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin'ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, (...)
  • Anosibe

    Nifanehatra ny andian-jiolahy roa samihafa

    lundi 11 août 2008 | Hery A. |  600 visites
    Olona tamin'ny tokantrano roa samihafa no indray niantso vonjeo tamin'ny zoma alina nifoha sabotsy, tokony ho tamin'ny iray ora alina teo. Tao amin'ny tanàna iray ao Mandrangobato II, Anosibe no nisehoan'izany. Tsy fantatra na tarika iray ihany izy ireo na jiolahy andiany roa samihafa fa niara-nigadona ny antso vonjeo sy ny feon'ny kiririoka. Fianakaviana iray mpanamboatra vatomamy ny iray. Jiolahy miisa 5 eo ho eo no tazan'ny tompon-trano. Nisy nandona ny varavaran-kely saingy tsy sahy (...)
  • Kaominina Ambanivohitra Andranomiady

    Mahantra jerena, fa be arena miafina

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1309 visites
    "Tsy avela ho faralahy, fa ho vavimatoa". Fanirian-dramatoa ben'ny tanàna Rafarahaniriana Olivia eo amin'ny kaominina hiadidiany io. Antakavana, toerana iray any amin'ny distrikan'Ankazobe ato anatin'ny faritra Analamanga. Toerana lavitra andriana ary mafana amin'ny asan-dahalo. Noho ity kaominina ity ahiana ho fongana atsy ho atsy noho ny rano mikaoka mandavan-taona ny tanàna, dia nafindra ao Andranomiady ny renivohitry ny kaominina. Maro no tsy dia faly amin'izao fanapahan-kevitra izao ny (...)
  • Fonjan’Ankazobe

    Kongona 12 kapoaka no mihinana ireo gadra

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1663 visites
    Manaova ny marina. Làlana iray tsy ahatafiditra anao any amponja io. Maharikoriko ny zava-misy ao amin'ny fonjan'Ankazobe. Lanin'ny kongona ireo voafonja, ka ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana no miditra an-tsehatra mamono izany amin'ny alalan'ny DDT. Isaky ny efa-bolana no hanaovana izany isan-taona, ary mahatratra 12 kapoaka no maty rehefa voahangona. Voalaza fa misy amin'ireo voafonja ireo ny manao asa ivelan'ny fonja. Mihoron-koditra noho izany ny mponina, (...)
  • Taxi-be 110

    Tsy mandray ny vola voasonian’ny governora taloha

    jeudi 7 août 2008 | Hery A. |  1085 visites
    Ny resaverana taxi-be indray izao no mampisahotaka ny mpandeha taxi-be, manoloana ny fiovan'ny sonia ataon'ny governoran'ny Banky foibe amin'ny vola taratasy. Raha oharina amin'ny sonia teo aloha, dia nisy fiovana ihany koa eo amin'ny soratra sy sary amin'ny vola taratasy Ar. 100 hatramin'ny Ar.10000. Misy amin'ireo taxi-be anefa no tsy mety mandray ilay vola nisy sonia teo aloha. Tsy avelan'ny patiraony mandray an'ireny hono izy, ka dia nolaviny ankitsirano izao. Sendra ity taxi-be 110 (...)
  • Fitaterana : Fanampian’ny fanjakana

    Mizana tsindriana ila

    jeudi 7 août 2008 | Manou |  444 visites
    Kianin'ny mpitatitra ny fisian'ny mizana tsindriana ila avy amin'ireo mpanapa-kevitra satria tsy ny rehetra no nomena tombontsoa tamin'ny fanampiana fa ampahany vitsy tamin'ny mpitatitra ihany, izany hoe ny tao an-drenivohitra ! "Tsy mahandry ny fanapahan-kevitra miendrika familafilana izahay noho ny fatiantoka miavosa isan'andro nefa ny namanay miasa amin'ny zotra Antananarivo-Renivohitra sy ny manodidina efa mihanoka amin'ny fanampiana na dia samy vahoaka mandoa hetra izao ihany aza no (...)
  • Sinôda Fjkm

    Hifidy birao vaovao

    mercredi 6 août 2008 | Penjy R. |  763 visites
    Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny sinoda lehiben'ny FJKM. Any Mahajanga no hanaovana izany, ka hifarana ny 20 Aogositra. Mpandray anjara mahatratra 400 avy amin'ny sinoda 36 manerana an'i Madagasikara no ho tonga any. Ity fivoriana lehibe ity no hifidianana izay ho mpiandraikitra foibe, sy izay ho filohan'ny FJKM vaovao. Ireo mpizaika no hifidy iretsy mpiandraikitra foibe, ary ireo indray no hifidy izay ho filohan'ny FJKM avy eo. Anarana maro no re fa hilatsaka handray ny toeran'ny pasitera (...)
  • Tafika Malagasy

    Hetsiky ny manamboninahitra lefitra

    mercredi 6 août 2008 |  707 visites
    Hazakaza niainga avy eo amin’ny kianjan’i Betongolo, nihazo ny toby miaramila RM1 Analakely, ny asabotsy teo, no nentin’ireo manamboninahitra lefitry ny tafika malagasy, eto amin’ny faritany miaramila voalohany, nanomboka ny hetsika ara-panantanjahantena, izay hanamafisana ny firaisan-kina sy firahalahina eo amin’ny samy manamboninahitra lefitra. Izao hetsika izao dia nomena ny lohahevitra hoe : « Mampita fanilo », ny antony dia handao tsy ho ela ny fitantanana ny COSOFAM (Corps des Sous-Officiers (...)
  • Ankizy hianatra any ivelany

    Inona no fomba nitsongana azy ireo ?

    mercredi 6 août 2008 | Naivo kely |  1222 visites
    Ny eo tonga ny hafa lasa. Fanomezana lanja lehibe ny tanora Malagasy ny fandefasana ireo ankizy miisa 26 andeha hianatra any Etazonia indray. Omaly no noraisin'ny filoha Ravalomanana notsifiny rano ireto mpianatra ireto. Sampam-pianarana maro no ho ataon'izy ireo any. Aharitra efa-taona ny amitany izany fianarany izany. Efa nisy ny nalefan'ny fanjakana Mlagasy nianatra tany teo aloha, ary ireny niarahana nahita ireny ny fandraisana makotroka natao teto antanindrazana. Maro amin'ny mpianatra (...)
  • Behoririka

    Ampiadian’ny sinoa ny mpivarotra amoron-dàlana

    mardi 5 août 2008 | Hery A. |  1086 visites
    Nanatanteraka ny grevy efa narangarangany ny mpivarotra miankin-drindrina etsy Behoririka, omaly vao maraina. Nitandahatra ny "banderole" sy ireo mpivarotra ka naneho ny heviny ampahibemaso teo. "Very asa sy tsy mihinan-kanina izahay", hoy ireo sora-baventy. Araka ny nambaran'ireo mpivarotra mpigrevy ary fa "efa iray volana izay ry zareo no tsy navela nivarotra amin'iny sisin-dalana Behoririka iny." Mpivarotra miisa 1500 eo ho eo ry zareo no nifanandrina tamin'ireo lehilahy am-polony (...)
  • Lalam-pirenena faha-roa

    Kamiao sy fiara kely nifanosika tao anaty tetezana

    lundi 4 août 2008 |  2495 visites
    Tsy nisy alaharo fa dia aleo hifanatrika na dia tetezana aza. Izany angamba no tao an-tsain’ity mpamily kamiao avy any Moramanga raha niditra ny fiolanana iray izay mialoha ny tetezana. Na dia efa tao anatin’izany tetezana izany aza ny fiara kely iray dia tsy nijanona na tsy afaka nijanona ity fiara be mpitatitra entana. Vokany, nitranga ny loza. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiarakely izay tafasitrika tao ambanin’ilay kamiao. « Maro tokoa ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’iny (...)
  • Hita ny sambo Tropicana II

    Feno fofo-paty ny manodidina

    lundi 4 août 2008 | Penjy R. |  1880 visites
    Lakana mpanjono sendra nandalo no nahita ny sambo Tropicana II. Rendrika tao amin'ny ranomasin'i Maroantsetra, ka telo kilaometatra miala an'ny nosy Manga no nahitana azy omaly maraina. Hatramin'ny telo ora hariva, dia mbola tsy nisy ny fisintomana ity sambo ity satria tsy ampy ny fitaovana. Ny vahoaka teo amin'ny manodidina no nandray andraikitra voalohany, ary efa nanaovana antso avo ny tompon'andraikitry ny filaminana rehetra, saingy mbola taraiky hatramin'ny ora hanoratanay. Feno (...)

0 | ... | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS