Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Malagasy

Vita ny FIER MADA

Mahay ny Gasy, fa tsy ampy tosika

mardi 12 août 2008 |  541 visites  | Naivo kely

Liana ny maro nahita ny ezaky ny tantsaha. Izay tsy tonga teny amin’ny FIER MADA kosa, dia ny akony sisa tsaroan’izy ireo. Andro vitsy no nanatontosana ity foara ity tetsy Antanimena. Mpikaroka sy tantsaha maro no tonga teny an-toerana. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay, indrindrindra fa ireo olona tia karokaroka sy tia ny tontolo ambanivohitra.

Ny akony tamin’ny haino aman-jery samy hafa no nahavaky vava ny nahita hoe « hay mahay tahaka izao ny Malagasy, fa tsy ampy ny fanosehana azy ho tonga amin’ny ambony kokoa noho izao ». Ny fikarohana momba ny harina sy ny angovo azo avy amin’izany dia hita tao amin’ilay foara avokoa. Ny fiompiana sy ny fambolena, izay làlana iray tsy azo hialana momba ny fampandrosoana ny firenena dia nahazoana lesona ho an’ireo izay liana tamin’izany. Fampitomboana ny vokatra ho avo dimy heny raha teo amin’ny fiompiana tantely. Ny fiarovana ny tontolo iainana nefa tsy mandany vola amin’ny famoronana arina fandrehitra.

Santionany ireo, ary mila atao isaky ny telo volana toy ny «  »Braderie hoy ny mpitsidika. Ny antony, dia ho mora amin’ny vahoaka ny ahay haka lesona sy ahatsapa ny ezaky ny tantsaha amin’ny fambolena. Toy izany koa ireo manam-pahaizana mpikaroka eto amintsika. Ny tosika avy amin’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola no làlana iray ahatafavoaka antsika amin’ny fahantrana.
Ny mampalahelo amin’izao ezaky ny mpiray tanindrazana izao, dia vitsy ny Malagasy liana amin’ny hetsika toy izao. Ny vahiny indray no manome lanja ny fikarohana Malagasy, ary tsy vitsy tamin’ireto mpikaroka ireto no nahazo fifanarahana ara-barotra tamin’ny vahiny nitsidika tao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS