Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h46
 

Malagasy

Fikambanana Manaovasoa

Vita ny tetik’ady hampandrosoana ny firenena

mardi 12 août 2008 |  357 visites  | Naivo kely

Tahirin-kevitra 110 pejy no vita. Efa nanomboka tamin’ny taona 1999 no niketrehana ity tahirin-kevitra ity, ary haparitaka manerana ny faritra 22 manomboka izao. Amin’ny alalan’ny CD no hanaovana izany ary amidy fa tsy ho zaraina fotsiny.

Io no nambaran’n’ny fikambanana « Manaovasoa » tao amin’ny ACEEM Radio ny alahady antoandro teo. Notarihan’ny dokotera Manan’Ignace sy ireo mpikambana ao aminy. Ny lafiny politika, sosialy, toe-karena, fanabeazana ary ny kolontsaina dia hita ao avokoa. Ny sehatry ny Politika dia voalaza fa lasa resaka fotsiny ny hambara ho demokrasia eto. Aoka tsy hisy ny valifaty politika, ary tokony hisy ny fahalalahana maneho hevitra. Tsy tokony hanapa-kevitra irery izay mitondra fa ilaina ny fiaraha-midinika. Io no tsy mampandroso ny tanindrazana.

Momba ny tontolo ambanivohitra sy ny fahasalamana dia tokony tsy handoa vola ny vahoaka Mlagasy amin’ny hopitalim-panjakana. Midika io fa ny fanjakana no miantoka ny ain’ny vahoaka. Toroina hevitra sy ampiana ny tantsaha eo amin’ny sehatry ny fambolena.
Mankasitraka ny hevitry ny fanjakana ny « Manaovasoa » momba ny fampiharana ny teny Malagasy ho enti-mampianatra. Tsy ampianarina ihany fa atao matanjaka ny fanabeazana ny olom-pirenena rehetra ahay handray andraikitra.

Ity tahirin-kevitra ity dia voalaza fa efa naparitaka tamin’ireo kandida nifaninana rehetra teto, saingy toa tsy nampiraika azy ireo ny voarakitra tao anatiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS