::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Malagasy

Antoko Fihavanantsika

Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika

jeudi 9 octobre 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason’ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. « Manahy ny mety ho avin’ny firenena malagasy izahay ato amin’ny antoko Fihavanantsika », hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin’ny birao politika.

Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin’ny toho-drano no atao. Mora kokoa io, ary afahana manangana barazy maro raha ampihaina amin’ny toby nokleary. Mampalahelo ankehitriny, fa zara raha misy 1% amin’ireo harena voatrandraka eto no miditra amin’ny vahoaka malagasy. Namaly an’ingahy Tovonanahary Rabetsitonta ihany koa izy, izay milaza fa mihatsara ny toe-karena malagasy, satria niakatra 7,1% ny harinkarena faobe. Mifandraika amin’izany ve ny tena zava-misy hiainan’ny malagasy amin’izao vahoaka eto ? Tsara ny milaza fa ity antoko ity, dia ny Pasitera Daniel Rajakaoba no filohany, izay efa nilatsaka ho filoham-pirenena nandritra ny fifidianana in-droa nifanesy.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 548  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360