::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h29  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Faritra Alaotra Mangoro

Voasoloky ireo tantsaha mpamokatra

lundi 6 octobre 2008, par Njaka

Misy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG misoloky ao tanambe, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Miara-miasa amin’ny federasion’ny fikambanan’ny tantsaha izy ka naka vola iray tapitrisa ariary isaky ny fikambanana hividianan fitaovam-pamokarana toy ny kibota. Efa tamin’ny taon-dasa no nitrangan’izany. Iray volana ihany anefa no fepotoana nolazain’ity ONG ity fa hahatongavan’ny fitaovana kanefa tsy misy hatramin’izao. Nolazainy fa efa ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana avokoa ireo fitaovana ireo. Tsy misy akory izany rehefa nojerena tao amin’ny minisitera.

Nitaky ny hamerenana ny volany ireo tantsaha rehefa tsy azo ny fitaovana. Nanome taratasim-bola any amin’ny banky na chèque ny tomponandrikitra kanefa tsy misy kaonty akory ilay banky. Manao antso avo ny manam-pahefana ny solombavambahoakan’Amparafaravola, Randriamboahangy Félix mba hijery akaiky izao raharaha izao fa mijaly ny mponina.

Manomboka mitaky ny volany koa ankehitriny ireo sehatra (toy ny Otiv) nisamboran’ny tantsaha ny vola mba hamenoana ilay iray tapitrisa ariary.

Tsy ny ao Tanambe ihany no nisamndohan’ity Ong ity fa hatrany Andilamena koa. Ny faritra Alaotra Mangoro ihany koa efa nangalàny vola araka ny fantatra. Saika hanaganana toha-drano izany kanefa tsy misy akory hatramin’izao.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 419  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360