::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h51  :  12°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 17 mai 2012
 

 > Malagasy

Antsirabe • Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahitana

2020 : 75 tapitrisa no jamba raha tsy mitandrina

mardi 14 octobre 2008, par Princia R.

37 tapitrisa no isan’ny jamba manerana izao tontolo izao, 124 tapitrisa hafa no manana fahasahiranana ara-pahitana. Amin’ny taona 2020 hatahorana ny ahatonga io isa io ho 75 tapitrisa raha sanatria tsy misy ny fitandremana. Misy fihatraikany eo amin’ny fampandrosoana ny fitombon’io isa io satria lasa enta-mavesatra ny olona tokony hamokatra

Antsirabe no voafidy nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahitana ny Alakamisy lasa teo, hetsika nasionaly, fampirantiana ary fizahana maso maimaim-poana no tao anaty fandaharam-potoana. « Maso salama antoky ny ho avy » io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana. Fantatra nandritra ny hetsika ary fa 160 000 ny Malagasy no manana fahasahiranana ara-pahitana ary 80 000 amin’ireo dia efa voan’ny areti-maso « cataract ». Betsaka izany isa izany ary raha tsy misy ny fepetra ho raisina dia hitombo tsy laitra izany amin’ny taona 2020. Manoloana izany dia efa miezaka ny fitondram-panjakana manao ny fanentanana amin’ny fanaovana fitiliana maro isan-karazany sy ny tsy hanaovan’ny tsirairay ambanin-javatra ny fahasalaman’ny maso, teo ihany koa ny fampitomboana ny manam-pahaizana manokana mikasika ny maso mba hananan’ny mpiray firenena fahasalamana feno ka ahafahany mandray anjara feno eo amin’ny fampandrosoana.

Mifampiankina tokoa ny fampandrosoana sy ny fahasalaman’ny maso satria raha misy jamba iray dia mihena na foana ny fahafahany mamokatra, ankoatr’izany mila olona iray hafa izy hanampy azy eo amin’ny fiainany ka tsy afa-mamokatra ihany koa. Mila arahi-maso noho izany ny fahasalaman’ny maso ary tokony hatao izany na tsy mahare marary maso aza na manana fahasahiranana vao hanatona mpitsabo.

Mila miara-misalahy

Eto Madagasikara dia efa matanjaka ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ary ny fiangonana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny maso. Anisan’izany ny SALFA “Sampana Loterana Fahasalamana” izay manana toeram-pitsaboana maso 4 manerana ny nosy (Antsirabe, Antananarivo, Fianarantsoa ary Sambava), eo ihany koa CBM, ny Institut vision ary ny Lyon’s sight First. Ezahina ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa ireo hoy ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fahasalamana tonga nanokatra izao fanamarihana izao mba ho mendrika aty amin’ny tany andalam-pandrosoana I Madagasikara amin’ny fiatrehana ity fahavoazan’ny fahitana ity.

Mifandray ary mifanindran-dalana amin’ny fahasahiranan’ny fahitana ny diabeta ka nisy ny fitiliana maimam-poana nandritra ny fanamarihana. Rehefa misy diabeta ny olona iray dia manomboka voa tsikelikely ny fahitany ka tokony ho mailo ny isam-batan’olona.Princia

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 36  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360