::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 03h55  :  19°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 16 février 2012
 

 > Malagasy

Fitsaboana amin’ny fanjaitra volamena

Efa misy sampan-draharaha etsy Befelatanana

vendredi 10 octobre 2008, par Poussy R., Volana R.

Tsy mila mandeha lavitra intsony ankehitriny raha hanao « acupuncture » na ilay antsoina hoe « tsindrona volamena ». Efa misy sampan-draharaha misahana izany ao amin’ny INSPC Befelatànana. Dokotera avokoa no manatanteraka ny fitsaboana.

Fanairana ny vatana hampirindra ny tsy fifandanjan-kery ao aminy no antony hanaovana ny tsindrona volamena na “acupuncture”. Tsy ara-dalàna mantsy ny fikorianan’ny angovo na ny hery amin’ny vatana, ka izany no mahatonga ilay aretina. Aretina maro no sitran’ity “acupuncture” ity, toy ny sohika, allergie, AVC, sy ny maro hafa. Teboka 600 hatramin’ny 900 amin’ny vatan’olombelona no hahafahana manao izany. Manomboka eny amin’ny loha hatrany amin’ny faladia no misy ireo teboka ireo.

15 minitra

Miankina amin’ny aretina mahazo ilay olona kosa no hahafahana mamantatra ny teboka asiana ny fanjaitra. Maharitra 15 minitra farafahakeliny ny fitsaboana iray. Miankina amin’ny aretina ihany koa ny isan’ny andro hanaovana ny fitsaboana. Nanambara Ratianarimaindramanana Evelyne, dokotera tompon’andraikitra ao amin’ity sampan-draharaha ity, fa irony tapaka lalan-drà, mivilam-bava irony aza, sitran’io fitsaboana io. Miankina amin’ny fotoana nisehoan’ilay aretina sy ny tahany kosa ny fetran’ny fitsaboana. Raha sohika ohatra, dia tsy maintsy manaraka ny fitsaboana mandritra ny 10 andro ny marary, ary mamerina in-telo izany avy eo. Ar 2000 monja isaky ny mitsabo no aloan’ny marary, izany hoe, raha maharitra 10 andro ny fitsaboana, dia Ar 2 alina no homanina. Tsy voatery aloha miaraka izany.

Karazany telo ny fomba hahafahana mitsabo amin’ity “acupuncture” ity. Ny tsindrona, ny voan’anana, ary ny “moxa.” Soritr’aretina vokatry ny korontana ao amin’ny vatana na ny soritr’aretina mitaiza, dia voatsabo amin’ny alalan’ity fitsaboana ity daholo. Marihana fa fitsaboana nentim-paharazan-dry zareo Sinoa izy ity. Anisan’ny tanjona napetraky ny OMS ihany koa ny fanamafisana ny fampiharana ny fitsaboana nentim-paharazana. Dokotera efa niasa nandritra ny 4 taona avokoa no niverina nianatra nandritra ny 2 taona, ny fomba fanatanterahana ity fitsaboana ity, ao Befelatanana.Azon’ny rehetra atonina.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2008-10-10 07:45:09
septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 57  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360