Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Mpiasa an-trano

    Avy any Ambatolampy ny 65%

    samedi 27 décembre 2008 | Penjy R. |  1539 visites
    Zaro amin'ny làlana tokony ho izy ny ankizy. Manana adidy lehibe amin'io ny ray aman-dreny, ka tsy tokony atao an-kinanga. Mazàna dia ny ankizy mitoetra irery amin'ny ray na reny, vokatry ny fisarahan'ny mpivady no tena hipetrahan'ny fahasahiranana noho ny tsy fahampian'ny fitiavan-dray sy reny amin'ilay zaza. Na mitoetra anilan'ny ray sy reny ihany koa aza anefa ny ankizy, dia matetika ny mpanampy no mikolokolo ireny zaza ireny, satria miasa ny ankamaroan'ny mpivady, ka tsy azo avela irery (...)
  • Vaovao Tapatapany

    samedi 27 décembre 2008 |  1115 visites
    Nodimandry omaly ny mpisolo vava Radilophe. Olona tsy vaovao amin'ny maro teo amin'ny sehatry ny lalàna, satria isan'ny mpisolo vava mpitondra ambony teto amin'ny firenena ny lehilahy. Isan'ny niaro ny amiraly Ratsiraka farany teo izy momba ny raharaha 2002. Lehilahy nianjera tamin'ny fiaramanidina DC3 teny Ivato ihany koa ny tenany, saingy tsy maty tamin'izany fotoana, na dia namoy ny ainy avokoa aza ireo niaraka taminy. Rahampitso ny hamory ny mpikambana ao aminy ny antoko AKFM. Etsy (...)
  • Herim-panoherana

    Hanao fotoam-bavaka iraisana etsy Mahamasina ?

    lundi 22 décembre 2008 | Penjy R. |  1155 visites
    Eto no ivon'ny hetsika rehetra momba ny raharaham-pirenena. Izay mitranga eto, dia manaraka avokoa ny any amin'ny faritany. Taorian'ny zava-nisy ny herinandro lasa teo, dia tazana eto avokoa ireo mpitarika politika rehetra avy any amin'ny faritra samy hafa. Ny antony, dia miandry izay hitranga eto, ka hanamafy tosika izay hiseho. Raha vao nivory niaraka tamin'ny mpanohitra tokoa ingahy Andry Rajoelina, dia efa tafapaka any amin'ny faritra samy hafa sahady izany. Misy mihitsy ny mikasa ny (...)
  • TIM Analamanga

    Tafapetraka ny birao vaovao

    lundi 22 décembre 2008 | Penjy R. |  504 visites
    Vita ny kongresy rezionaly nataon'ny antoko TIM ny faran'ny herinandro teo. Vita ihany koa ny fe-potoana niasan'ireo birao teo aloha, ka nandray ny toerany ny birao vaovao. Tsangan-tanana teo anoloan'ny mpizaika rehetra, no nandaniana ireo birao vaovao teo anivon'ny TIM faritra Analamanga ny sabotsy teo. Lany tsy nisy nitsipaka ho filoha i Fidy Ratsimbazafy. Fantatry ny maro tsara izy io, satria filohan'ny faritra Analamanga ankehitriny. Ny filoha lefitra voalohany kosa, dia ny depiote (...)
  • Madagasikara sy Arabie Saoudite

    Lasa omaly ny masoivoho malagasy, Patrick Ramiaramanana

    lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely |  1920 visites
    Lasa any amin'ny firenena mpamokatra solika i Patrick Ramiaramanana, rehefa niato tamin'ny naha-minisitra azy nandritra ny volana vitsy. Andraikitra lehibe no miandry ity masoivontsika ity any Arabie Saoudite, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanafaran'ny fanjakana solika any ivelany. Omaly no nandao an'i Madagasikara i Patrick Ramiaramanana. Tsy zoviana amin'ny maro ny lehilahy, satria nitana andraikitra goavana hatrany teto amin'ny firenena. Notendrena ho PDS teto Iarivo, ary lany ho ben'ny (...)
  • Resaka Andry Rajoelina

    Sangodim-panina

    samedi 20 décembre 2008 | RAW |  1352 visites
    « Tsy misy izany didy fampisamborana mikasika ny Ben’ny tanànan’Antananarivo izany » hoy ny minisitry ny fifandraisana omaly antoandro. Novoizina nandritra ny tapak’andro maraina omaly ny resaka fikasan’ny fitondrampanjakana hisambotra ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Araka ny resaka tamin’ny fampahalalam-baovao dia efa hatry ny alakamisy alina no nitrangan’izany zavatra izany. Ny antony niely moa dia ny fanasana nataon’i Andry Rajoelina tany Tsiadana-Ampasanimalo ary indrindra ny tao amin’ny La Rotonde, (...)
  • Mijapy TGV ny mpanohitra

    vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely |  2038 visites
    Velom-bolo ny antoko mpanohitra rehetra, fa niroso hiara-dia hiseho vahoaka amin'izy ireo ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Ity ben'ny tanàna ity tokoa mantsy sisa hany fanantenan'izy ireo afahana mamory vahoaka eto an-dRenivohitra. Vonona ity tovolahy kely vao erotrerony ity, hanao sorona ny ainy, hitarika iretsy antoko politika efa goaika antitra hisedra ny mafy rehetra amin'ny hambara ho tsindry hazo lena ataon'ny mpitondra ankehitriny. Ny profesora Zafy Albert no tsy tazana tetsy amin'ny (...)
  • Fetiben’ny Betsimisaraka

    Lohalaharana ny fihinanana amin’ny ravina

    vendredi 19 décembre 2008 | Ravo |  855 visites
    Anisan’ny zavatra tena anavahana ny foko betsimisaraka ny fihinanana amin’ny ravim-potsy na ravinala. Amin’ny andro manan-tantara, na fanaovana tsaboraha, na ny fetim-pianakaviana sy ny maro hafa ireny no tena ahitana soritra ity fomba ity. Andro sisa no isaina, ho tonga ny andron’ny noely sy ny taom-baovao. Ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fankalazana ny taom-baovao no tena ahitana soritra ny fihinanana amin’ny raviny ity aketo Toamasina. Manomboka amin’ny 1 janoary 2009 izao, vaky ireo karazana (...)
  • Ravalomanana Marc

    Tonga ny moton’ny ben’ny tanàna

    vendredi 19 décembre 2008 | Gilbert R. |  1522 visites
    Tonga tao amin'ny seranantsambon'i Toamasina ny alakamisy faha 18 desambra, ireo moto nampanantenain'ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ho an'ireo ben'ny tanana rehetra eto Madagasikara. Fiaraha-miasan'ny UNICEF any Danemark sy ny fitondram-panjakana malagasy no nahatonga ireo moto ireo teto Madagasikara. Ry zareo avy ao amin'ny UNICEF Danemark, no nanao ny fividianana ireo moto ireo tany Japon, fa ny fitondram-panjakana malagasy kosa no niantoka ny vola nahazoana azy ireo. Mitentina (...)
  • Ifaty

    Toerana iray ankafizin’ny mpizahatany

    vendredi 19 décembre 2008 | Poussy R. |  798 visites
    Telopolo kilaometatra miala ao Toliara no misy an’Ifaty. Toerana izay ahitana moron-dranomasina, hahafahan’ireo mpitsidika miala voly. Maro dia maro tokoa ny mpizaha-tany mitsidika azy, izay anisan’ny mamelona ny ankamaroan’ny mponina ao. Volana janoary hatramin’ny volana mey no tena maha-be mpitsidika an’Ifaty. Manomboka eo amin’ny volana mey dia voamarik’ireo mponina fa Italianina no tena maro an’isa. Tsy dia betsaka izany rehefa novambra sy desambra. Ar 3 arivo ny saran-dalana avy ao Toliara raha (...)
  • Toamasina

    Lehilahy niova ho saka

    vendredi 19 décembre 2008 | Gilbert R. |  2342 visites
    Nisy tsy nifanarahana tampoka izy roa teny ambony posy. Nilaza izany ralehilahy no niova ho saka tampoka, ary nandrangotra ny tarehin’ilay mpivarotena. Tantara niseho vao tamin’ny herinandro teo. Toa nahatsikaiky ihany ny zava-nitranga tamin'ity vehivavy iray manao asan'ny mpampanofa vatana eto an-drenivohitr'i Betsimisaraka. Raha nandeha nanao ny asa fanaony amin'ny alina, amin'ny fampanofana vatana ity vehivavy iray, no nifanojo tamina lehilahy nitady vehivavy hiarahana mandry amin'ny (...)
  • Lalànan’ny Antoko

    Omena enimbolana ny rehetra

    mercredi 17 décembre 2008 |  902 visites
    Indro atolotra anao mpamaky ny Volavolan-dalàna momba ny antoko pôlitika avy amin’ny governementa. VOLAVOLAN-DALANA MOMBA NY ANTOKO POLITIKA TOKO VOALOHANY FEPETRA ANKAPOBENY Andininy voalohany - Ity lalàna ity dia mamaritra ireo antoko politika eto Madagasikara. Izy no mametra indrindra indrindra ireo fepetra mikasika ny famoronana, ny fandaminana, ny fampandehanana ary ny famatsiana ara-bola azy ireo. And. 2 - Ny antoko politika iray dia vondron~olona manana drafi-piaraha-monina mazava (...)
  • Fanambadiana tetsy Ambanidia

    Tsy fitiavana fa noterena

    mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely |  2152 visites
    Ny hanambadiana hiadanana. Tsy izay anefa no nitranga tetsy amin'ny boroborintany faha-roa ny alakamisy sy ny sabotsy lasa teo, teo amin'ireto olon-droa saika hanorina tokan-trano. Ho atao ny soratra ny alakamisy maraina lasa teo. Rehefa vory ny fiankaviana tao amin'ny efitrano fisoratana tao Ambanidia, ary hiroso amin'ny fanoratana ny ben'ny tanàna lefitra no niseho ny tsy nampoizina. "Tsy noterena ve ianao hanambady an'i ... hoy ingahy mpanoram-panambadiana" ? "Noterena tompoko", hoy (...)
  • Dinika eny Iavoloha anio

    Tsy hiandry izay tsy vonona ny filoha

    mercredi 17 décembre 2008 | Penjy R. |  759 visites
    Tsy naharototra ny antoko politika ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana, amin'ny dinika ho atao eny Iavoloha anio. Hametraka ny sata hifehy ny antoko politika ny tanjona anio, nefa maro ireo antoko milaza tsy ho eny. Tao anatin'izay fotoana vitsy nanaovan'ny filoha Ravalomanana antso avo izay, dia efa fantatra ireo antoko tsy ho eny Iavoloha anio. Isan'io ny CRN, tarihan'ny Profesora Zafy Albert. Ny Akfm misy an-dramatoa Gisèle Rabesahala, ny "Fihavanantsika" tarihan'ny pasitera Daniel (...)
  • Fanambarana

    Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara

    mardi 16 décembre 2008 |  1436 visites
    Manoloana ny didim-pitondrana navoakan'ny Ministeran'ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fifandrasisana, manakatona ny Televisiona VIVA, ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao : • 1- Ny fahamaroan'ny orin'asa mpampahampalala vavao dia fepetra iray takian'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety mba hahafahan'ny olom-pirenena tsy an-kanavaka manana loharanom-baovao feno mamela azy hanana safidy malalaka. Noho izany, ny Holafitry ny mpanao (...)
  • Vidin-tsolika

    Mitsentsitra ny ran’ny Malagasy

    mardi 16 décembre 2008 | Penjy R. |  688 visites
    Very maina ny ezaka atao eto, raha tsy voajery haingana ity resaka vidin-tsolika eto Madagasikara ity. Ny antony, dia voalaza fa tafakatra 7,5% ny fisondrotry ny harin-karena eto amintsika. Tsy hita anefa ny fiantraikany izy io noho ny afitsoky ireto goaibe mpanafatra solika vahiny ireto. Nidina 45 dolara ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, nefa mbola zara raha nahitana fidinany ny vidiny eto amintsika. Midika izany fa misy fitiavan-tena ny ataon'izy ireo, hoy (...)
  • Mpanjato Raharinosy

    « Ajoroy ny demokrasia tena izy »

    mardi 16 décembre 2008 |  981 visites
    Be ny resaka misavoana manoloana ny ady hevitra amin'ny hananganana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Izay indrindra no hitondran'i Mpanjato Raharinosy hevitra momba azy io. Mpahay lalàna, ary nianatra ny momba ny siansa Politika ny tenany, ary mpikambana ao anatin'ny antoko "Tambatra". • M.T : Vanim-potoana tokony handinihana ny sata hifehy ny antoko politika ve izao ? Mpanjato : "Ny tsara ho fantatry ny olona aloha, dia ny hoe inona no atao hoe demokrasia, satria ny (...)
  • Fampihavanam-pirenena

    Voadaka ny fanirian’ny CRN

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  753 visites
    Tsy isan'ny ho dinihana ao anatin'ny sata hifehy ny antoko politika ny resaka fampihavanam-pirenena sy ny raharaha 2002. Toy izany koa ny famoahana ireo gadra politika eto amintsika sy ny famerenana ny fifidianana. Saika fangatahan'ny CRN avokoa ireo. Voadaka hatreto ny fanirian'ny CRN izay tarihin'ny Profesora Zafy Albert. Mirona betsaka amin'ireo fitakiana ireo tokoa ny hetsiky ny CRN, ary nanambara izy ireo fa tsy handray anjara amin'io fivoriana io, raha toa ka tsy voavaha ireo (...)
  • Farimbon’i Madagasikara vaovao

    « Ataon-dRavalo « vitrine » ny antoko politika »

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  1279 visites
    "Tsy ho eny Iavoloha izahay ato amin'ny Farimbon'i Madagasikara vaovao", hoy i Pierre Andrianantenaina. Ny antony, dia toa fisehoana ivelany no betsaka fa tsy ny tena ahasoa ny fanaovana politika eto. Mirotoroto ny mpitondra hanao ity sata ity, saingy izay ve no maika ? Ny maharototra ny olona izao araka ny hevitry ny "Farimbon'i Madagasikara vaovao", dia ny fijerena ny fahoriam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Ny Etika politika no tokony himasoana fa tsy ny lalàna hifehy ny (...)
  • Vono olona teny Ivato-Aéroport

    Tafavoaka ilay nahavanon-doza

    samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely |  983 visites
    "Mahalasa adala ve ny mamono olona ? Mety ho eny, ary azo atao tsara ny mody adala mba hialàna amin'ny mety ho figadrana". Io no nambaran'ity renim-pianakaviana iray, vao namoy ny zanany teny Ivato-Aéroport ny volana Aprily lasa teo. "Vono olona niniana natao no nahafaty ny zanako. Ny tena mampalahelo, dia olona mpitandro ny filaminana mpiaro olona ambony iray eto amin'ny firenena no nahavita ny heloka. Ny volana Aprily lasa teo no voatifitra ny zanako tao amin'ny trano fisotroana iray teto (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS